1Tai išgirdęs, karalius Ezekijas perplėšė savo drabužius, apsirengė ašutine ir nuėjo į Viešpaties namus.
1[Ny amin'ny namonjena an'i Jerosalema, sy ny nandringanana ny miaramilan'i Sankeriba, mbamin'ny nahafatesan'ny tenany] Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,
2Jis nusiuntė rūmų viršininką Eljakimą, raštininką Šebną ir vyresniuosius kunigus, apsirengusius ašutinėmis, pas pranašą Izaiją, Amoco sūnų.
2Ary izy naniraka an'i Eliatima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza.
3Jie sakė jam: “Taip sako Ezekijas: ‘Šita diena yra bausmės, pažeminimo ir gėdos diena; atėjo laikas gimdyti, o jėgų nėra.
3Ary hoy ireo taminy: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
4Gal Viešpats, tavo Dievas, išgirs žodžius Rabšakės, kurį Asirijos karalius pasiuntė niekinti gyvąjį Dievą, ir sudraus už žodžius, kuriuos Viešpats, tavo Dievas, girdėjo. Melskis už tuos, kurie yra likę’ ”.
4Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa.
5Karaliaus Ezekijo tarnai atėjo pas Izaiją.
5Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.
6Ir Izaijas sakė jiems: “Sakykite savo valdovui: ‘Taip sako Viešpats: ‘Neišsigąsk girdėtų žodžių, kuriais Asirijos karaliaus tarnai man piktžodžiavo.
6Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.
7Štai Aš pasiųsiu jam dvasią, ir jis, išgirdęs žinią, grįš į savo šalį ir ten bus nužudytas’ ”.
7Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin'ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
8Rabšakė sugrįžęs rado Asirijos karalių kovojantį prieš Libną, nes jis girdėjo, kad šis pasitraukė nuo Lachišo.
8Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay, satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
9Asirijos karalius išgirdo, kad Etiopijos karalius Tirhaka ateina kariauti prieš jį. Tuomet jis dar kartą siuntė pasiuntinius pas Ezekiją, sakydamas:
9Ary nony ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin'i Hezekia izy nanao hoe:
10“Taip kalbėkite Judo karaliui Ezekijui: ‘Tegu Dievas, kuriuo tu pasitiki, neapgauna tavęs, sakydamas: ‘Jeruzalė nepateks į Asirijos karaliaus rankas’.
10Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.
11Tu girdėjai, ką Asirijos karaliai padarė visose šalyse, jas visiškai sunaikindami. Argi tu būsi išgelbėtas?
11Indro, ianao efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy? [Heb. nanaovany herema]
12Argi tų tautų, kurias mano tėvai sunaikino, dievai išgelbėjo Gozaną, Charaną, Recefą ir Edeno vaikus, gyvenusius Telasare?
12Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena, izay tao Telasara?
13Kur yra Hamato, Arpado, Sefarvaimo, Henos ir Ivos miestų karaliai?”
13Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada ary ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
14Ezekijas paėmė laišką iš pasiuntinių ir jį perskaitė. Po to, nuėjęs į Viešpaties namus, karalius jį išskleidė priešais Viešpatį.
14Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.
15Ezekijas meldėsi prieš Viešpatį ir sakė: “Viešpatie, Izraelio Dieve, kuris gyveni tarp cherubų. Tu vienas esi visų žemės karalysčių Dievas. Tu sukūrei dangų ir žemę.
15Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan'i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
16Palenk, Viešpatie, savo ausį ir išgirsk. Atverk, Viešpatie, savo akis ir pamatyk. Išgirsk Sanheribo žodžius, kuriais jis niekino gyvąjį Dievą.
16Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin'i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an'Andriamanitra velona.
17Tai tiesa, Viešpatie, kad Asirijos karaliai išnaikino tautas ir jų šalis.
17Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny
18Jie sudegino jų dievus, nes jie nebuvo dievai, tik žmonių rankų darbasmedis ir akmuotodėl jie sunaikino juos.
18ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana.
19Dabar, Viešpatie, mūsų Dieve, išgelbėk mus iš jo rankų, kad visos žemės karalystės žinotų, jog Tu vienas, Viešpatie, esi Dievas!”
19Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin'ny tànany, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.
20Amoco sūnus Izaijas siuntė pas Ezekiją, sakydamas: “Taip sako Viešpats, Izraelio Dievas: ‘Tavo maldą dėl Asirijos karaliaus Sanheribo Aš išgirdau’.
20Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, dia efa nohenoiko.
21Štai Viešpaties žodis, kurį Jis kalbėjo apie jį: ‘Mergelė, Siono dukra, paniekino tave ir pasityčiojo iš tavęs. Jeruzalės dukra kraipo galvą dėl tavęs.
21Koa izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina: Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
22Ką tu paniekinai ir prieš ką piktžodžiavai? Prieš ką išdidžiai pakėlei balsą ir akis? Prieš Izraelio Šventąjį!
22Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.
23Per savo pasiuntinius tu niekinai Viešpatį ir sakei: ‘Su daugybe kovos vežimų aš pasikėliau į kalnų aukštumas, Libano aukščiausias vietas. Aš iškirsiu jo aukštuosius kedrus, gražiausius kiparisus. Aš pasieksiu tolimiausią vietą Karmelio mišką.
23Ny irakao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona, ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any amin'ny alany midokadoka.
24Aš kasiau šulinius ir gėriau svetimus vandenis; išdžiovinau savo kojų padais visas upes apsiausties vietose’.
24Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho, ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin'ny lahin-drano rehetra any Egypta. [Na: ranon'ny firenena hafa][Heb. Mazora]
25Argi negirdėjai? Jau seniai Aš tai padariau, labai seniai tai paruošiau, tik dabar įvykdžiau, kad tu galėtum sustiprintus miestus paversti griuvėsių krūvomis.
25Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao.
26Todėl jų gyventojai bejėgiai, jie nusigando ir susigėdo, jie tapo kaip lauko žolė, kaip gležna žolė ant stogų, kuri nudžiūna, dar neužaugusi.
26Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
27Aš žinau, kaip tu gyveni, kaip tu įeini ir išeini, kaip tu siautėji prieš mane.
27Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
28Kadangi tavo siautėjimas prieš mane ir tavo pasipūtimas pasiekė mano ausis, Aš įversiu savo grandį į tavo šnerves ir tave pažabosiu, ir vesiu tave atgal keliu, kuriuo atėjai’.
28Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao, ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao.
29Tai bus ženklas tau, Ezekijau. Šiemet valgyk, ką randi, kitais metaiskas užaugs savaime; trečiaisiais metais sėkite ir pjaukite, sodinkite vynuogynus ir valgykite jų vaisius.
29Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin'ny voa mihintsana ianareo iray taona, ary amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
30Judo namų likutis vėl leis šaknis apačioje ir neš vaisių viršuje.
30Ary izay sisa amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
31Iš Jeruzalės išeis išlikusieji, iš Siono kalno išgelbėtieji. Viešpaties uolumas tai padarys!
31Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany.
32Todėl Viešpats taip sako apie Asirijos karalių: ‘Jis neįeis į šitą miestą ir nepaleis į jį nė vienos strėlės, neateis prieš jį su skydais ir nesupils pylimo.
32Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany ity.
33Jis sugrįš tuo pačiu keliu, kuriuo atėjo, ir į šitą miestą neįeis,sako Viešpats.
33Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
34Aš apginsiu šitą miestą ir jį išgelbėsiu dėl savęs ir dėl mano tarno Dovydo’ ”.
34Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
35Tą naktį Viešpaties angelas atėjo į Asirijos stovyklą ir išžudė šimtą aštuoniasdešimt penkis tūkstančius. Jie atsikėlė antksti rytą, ir štaiaplinkui gausu lavonų.
35Ary tamin'ny alin'io dia avy ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
36Asirijos karalius Sanheribas pasitraukė ir sugrįžo į Ninevę.
36Dia niainga Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nasian'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra nankany amin'ny tany Ararata izy mirahalahy. Ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
37Kai jis garbino savo dievo Nisrocho namuose, jo sūnūs Adramelechas ir Sareceras užmušė jį kardu ir pabėgo į Armėnijos kraštą. Jo sūnus Asarhadonas karaliavo jo vietoje.
37Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nasian'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra nankany amin'ny tany Ararata izy mirahalahy. Ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.