Lithuanian

Malagasy

2 Kings

20

1Tomis dienomis Ezekijas mirtinai susirgo. Pranašas Izaijas, Amoco sūnus, atėjęs pas jį, tarė: “Taip sako Viešpats: ‘Sutvarkyk savo namus, nes tu nebepasveiksi, bet mirsi’ ”.
1[Ny nahararian'i Hezekia, sy ny nanaretany ary ny nampamangian'i Berodaka-baladana, mpanjakan'i Babylona, azy, sy ny nahafatesany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
2Tada Ezekijas nusigręžė į sieną ir meldėsi:
2Dia nitodika nankany amin'ny rindrina izy ka nivavaka tamin'i Jehovah hoe:
3“Viešpatie, atsimink, kad aš vaikščiojau prieš Tave teisingai ir tobula širdimi ir dariau gera Tavo akyse”. Ir Ezekijas graudžiai verkė.
3Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
4Izaijui dar neperėjus kiemo, Viešpats kalbėjo jam:
4Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanàna afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe: [Na: kianja]
5“Grįžk ir sakyk mano tautos vadui Ezekijui: ‘Taip sako Viešpats, tavo tėvo Dovydo Dievas: ‘Aš girdėjau tavo maldą ir mačiau tavo ašaras. Aš tave pagydysiu, ir trečią dieną tu eisi į Viešpaties namus.
5Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ianao.
6Aš pridėsiu prie tavo dienų penkiolika metų, be to, išgelbėsiu tave ir šitą miestą iš Asirijos karaliaus rankų ir apginsiu miestą dėl savęs ir dėl savo tarno Dovydo’ ”.
6Ary hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
7Po to Izaijas sakė: “Paimkite gabalėlį figos”. Jie paėmė, uždėjo ant voties, ir jis pasveiko.
7Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin'ny vay, dia sitrana izy.
8Ezekijas paklausė Izaiją: “Koks yra ženklas, kad Viešpats išgydys mane ir trečią dieną aš eisiu į Viešpaties namus?”
8Ary hoy Hezekia tamin'i Isaia: Inona no famantarana fa hositranin'i Jehovah aho ka hiakatra any an-tranon'i Jehovah raha afaka ampitso?
9Izaijas atsakė: “Tai bus ženklas iš Viešpaties, kad Viešpats išpildys savo žodį: ar nori, kad saulės laikrodžio šešėlis nueitų dešimt laipsnių pirmyn ar kad grįžtų dešimt laipsnių atgal?”
9Dia hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin'i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy: handroso hàdiny folo va ny aloka, sa hiverina hàdiny folo? [Heb. ambaratonga]
10Ezekijas atsakė: “Lengva šešėliui pailgėti dešimt laipsnių.Tegul jis grįžta dešimt laipsnių atgal”.
10Ary Hezekia namaly hoe: Mora foana ny handrosoan'ny aloka hàdiny folo; tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina hàdiny folo.
11Pranašas Izaijas šaukėsi Viešpaties, ir Jis grąžino Ahazo saulės laikrodžio šešėlį dešimt laipsnių atgal.
11Ary Isaia mpaminany nitaraina tamin'i Jehovah, ka nampiverina ny aloka hàdiny folo Jehovah, dia ilay nidinany teo amin'ny dialin'i Ahaza.
12Tuo metu Babilono karalius Merodach Baladanas, Baladano sūnus, atsiuntė Ezekijui laišką ir dovanų, nes jis sužinojo, kad Ezekijas serga.
12Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Berodaka baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.
13Ezekijas išklausė juos ir aprodė jiems visus savo turtus: sidabrą, auksą, kvepalus, brangųjį aliejų, ginklų sandėlius ir visa, kas buvo jo ižde. Nebuvo nieko, ko Ezekijas nebūtų jiems parodęs savo namuose ir savo valdose.
13Ary Hezekia nandray azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany: tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.[Heb. nihaino]
14Pranašas Izaijas, atėjęs pas karalių Ezekiją, paklausė: “Iš kur tie vyrai atėjo pas tave ir ką jie tau pasakė?” Ezekijas atsakė: “Jie atėjo iš tolimos šalies, iš Babilono”.
14Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Ary hoy Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
15Ir jis sakė: “Ką jie matė tavo namuose?” Ezekijas atsakė: “Jie matė viską, kas yra mano namuose; nėra nieko, ko nebūčiau jiems parodęs”.
15Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin'ny firaketako rehetra.
16Tada Izaijas tarė Ezekijui: “Klausyk Viešpaties žodžio:
16Ary hoy Isaia tamin'i Hezekia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah:
17‘Ateis diena, kai į Babiloną išgabens viską, kas yra tavo namuose ir ką iki šiol yra sukrovę tavo tėvai, ir nieko nebeliks.
17Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.
18Jie išves tavo sūnus, kurie tau gims, ir jie bus eunuchais Babilono karaliaus rūmuose’ ”.
18Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo.[Heb. ionoka]
19Ezekijas atsakė Izaijui: “Viešpaties žodis, kurį tu kalbėjai, yra geras. Taika ir saugumas bus mano dienomis”.
19Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin'ny androko ka handry fahizay?
20Visi kiti Ezekijo darbai ir jo galia, kaip jis padarė tvenkinį ir vandentiekį, atvesdamas į miestą vandenį, yra aprašyta Judo karalių metraščių knygoje.
20Ary ny tantaran'i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin'ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?Ary Hezekia lasa nodimandry any amin'ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy
21Ezekijas užmigo prie savo tėvų, o jo sūnus Manasas karaliavo jo vietoje.
21Ary Hezekia lasa nodimandry any amin'ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy