1Pradėdamas karaliauti Manasas buvo dvylikos metų ir karaliavo Jeruzalėje penkiasdešimt penkerius metus. Jo motina buvo vardu Hefciba.
1[Ny nanjakan'i Manase sy Amona] Roa ambin'ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hefziba.
2Jis darė pikta Viešpaties akyse, mėgdžiodamas bjaurius papročius pagonių, kuriuos Viešpats išvarė izraelitams užimant kraštą.
2Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan'ny firenena izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
3Jis vėl atstatė aukštumas, kurias jo tėvas Ezekijas buvo išnaikinęs, pastatė aukurą Baalui, pasodino giraitę, kaip Izraelio karalius Ahabas, garbino dangaus kareiviją ir jiems tarnavo.
3Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy ka nanompo ireny,
4Manasas pastatė aukurų net Viešpaties namuose, apie kuriuos Viešpats buvo pasakęs: “Jeruzalėje bus mano vardas”.
4sady nanao alitara tao an-tranon'i Jehovah koa izy, dia tao amin'izay nolazain'i Jehovah hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny anarako.
5Dviejuose Viešpaties namų kiemuose jis pastatė aukurus dangaus kareivijai.
5Fa nanao alitara teo anatin'ny kianja roa tamin'ny tranon'i Jehovah ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy.
6Jis leido savo sūnų per ugnį, kerėdavo ir būrė iš ženklų, bendravo su mirusiųjų dvasių iššaukėjais bei žyniais. Jis darė daug piktadarysčių Viešpaties akyse, sukeldamas Jo pyktį.
6Ary ny zanany nampamakiny ny afo, sady nanandro sy nanao sikidy izy ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, ary nahery nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.
7Jis pastatė Ašeros drožtą atvaizdą namuose, apie kuriuos Viešpats pasakė Dovydui ir jo sūnui Saliamonui: “Iš visų Izraelio giminių išsirinkau Jeruzalę ir šituos namus; čia amžinai bus mano vardas.
7Ary ny sarin'i Astarta izay nataony dia napetrany tao amin'ny trano nolazain'i Jehovah tamin'i Davida sy Solomona zanany hoe: Ato amin'ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
8Nebeleisiu Izraeliui iškelti kojos iš žemės, kurią daviau jų tėvams, jei jie rūpestingai laikysis mano įstatymų ir įsakymų, kuriuos jiems davė mano tarnas Mozė”.
8Ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay nomeko ny razany Aho, raha mba hitandrina ka hanao araka izay rehetra nandidiako azy sy araka ny lalàna rehetra izay nandidian'i Mosesy mpanompoko azy ihany izy.
9Tačiau jie neklausė, ir karalius Manasas juos suvedžiojo elgtis pikčiau už tautas, kurias Viešpats išnaikino prieš Izraelio vaikus.
9Nefa tsy nihaino izy; fa Manase nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon'ny jentilisa, izay naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
10Viešpats kalbėjo per savo tarnus pranašus, sakydamas:
10Ary Jehovah nampilaza ny mpaminany mpanompony hoe:
11“Kadangi Judo karalius Manasas darė šitas bjaurystes ir elgėsi pikčiau negu amoritai, gyvenę pirma jo, ir įtraukė į nuodėmę Judą dėl savo stabų,
11Satria Manase, mpanjakan'ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon'ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin'ny sampiny,
12todėl taip sako Viešpats, Izraelio Dievas: ‘Štai Aš užvesiu Jeruzalei ir Judui tokias nelaimes, kad suspengs ausyse, išgirdus apie tai.
12dia izao kosa no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin'i Jerosalema sy ny Joda Aho, ka izay rehetra mandre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
13Aš ištiesiu virš Jeruzalės Samarijos matavimo virvę ir Ahabo namų svambalą; Jeruzalę išvalysiu, kaip yra išvalomas indas ir apverčiamas iššluosčius.
13Ary hohenjaniko ato Jerosalema ny famolainan'i Samaria sy ny pilaon'ny taranak'i Ahaba; ary hamaoka an'i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka no manohoka azy koa.
14Aš apleisiu savo paveldo likutį ir atiduosiu į jų priešų rankas, kurie juos pavergs ir apiplėš,
14Ary hafoiko ny lovako sisa ka hatolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony; dia ho sambotra sy ho babon'ny fahavalony rehetra izy,
15kadangi jie darė pikta mano akyse ir rūstino mane nuo tos dienos, kai jų tėvai išėjo iš Egipto, iki šios dienos’ ”.
15satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin'ny andro nivoahan'ny razany avy any Egypta ka mandraka androany.
16Be savo nuodėmės, į kurią jis įtraukė Judą, darydamas tai, kas pikta Viešpaties akyse, Manasas praliejo tiek nekalto kraujo, kad užtvindė Jeruzalę nuo vieno galo iki kito.
16Ary na dia ny rà marina aza dia nalatsak'i Manase be dia be mandra-pamenony an'i Jerosalema rehetra, ho fanampin'ny ota izay nampanotany ny Joda tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah.
17Visi kiti Manaso darbai ir jo nuodėmės, kurias jis padarė, yra surašyta Judo karalių metraščių knygoje.
17Ary ny tantaran'i Manase sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny fahotana izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
18Manasas užmigo prie savo tėvų ir buvo palaidotas savo namų sode, Uzos sode; jo sūnus Amonas karaliavo jo vietoje.
18Ary Manase lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina teo an-tanimboly eo ala-tranony amin'ny sahan'i Oza; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
19Pradėdamas karaliauti, Amonas buvo dvidešimt dvejų metų ir karaliavo Jeruzalėje dvejus metus. Jo motina buvo Mešulemeta, Haruco duktė, iš Jotbos.
19Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Mesolemeta, zanakavavin'i Haroza, avy any Jotba.
20Jis darė pikta Viešpaties akyse, kaip ir jo tėvas Manasas.
20Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah koa izy tahaka ny nataon'i Manase rainy.
21Jis vaikščiojo visais savo tėvo keliais, tarnavo stabams ir juos garbino.
21Fa nandeha tamin'ny lalana rehetra izay efa nalehan-drainy izy ka nanompo ny sampy izay notompoin-drainy sady niankohoka teo anatrehany.
22Jis apleido Viešpatį, savo tėvų Dievą, ir nevaikščiojo Viešpaties keliais.
22Ary nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha tamin'ny lalan'i Jehovah.
23Amono tarnai surengė sąmokslą ir nužudė karalių jo namuose.
23Ary ny mpanompon'i Amona mpanjaka nikomy taminy ka namono azy tao an-tranony.
24Tačiau krašto žmonės nužudė visus, kurie dalyvavo sąmoksle prieš karalių Amoną, ir paskelbė karaliumi jo sūnų Joziją jo vietoje.
24Ary ny vahoaka namono izay rehetra nikomy tamin'i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an'i Josia zanany hisolo azy.
25Visi kiti Amono darbai yra surašyti Judo karalių metraščių knygoje.
25Ary ny tantaran'i Amona sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?Ary nalevina tao amin'ny fasany tao amin'ny sahan'i Oza izy; ary Josia zanany no nanjaka nandimby azy.
26Jis buvo palaidotas savo kape, Uzos sode, ir jo sūnus Jozijas karaliavo jo vietoje.
26Ary nalevina tao amin'ny fasany tao amin'ny sahan'i Oza izy; ary Josia zanany no nanjaka nandimby azy.