Lithuanian

Malagasy

2 Kings

22

1Pradėdamas karaliauti, Jozijas buvo aštuonerių metų ir karaliavo Jeruzalėje trisdešimt vienerius metus. Jo motina buvo vardu Jedida, Adajos duktė, iš Bockato.
1[Ny niandohan'ny nanjakan'i Josia, sy ny nanamboarany ny tempoly, ary ny amin'ny nahirana ny Bokin'ny Lalàna] Valo taona Josia, fony vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jedida, zanakavavin'i Adaia, avy any Bozkata.
2Jis darė tai, kas teisinga Viešpaties akyse, ir vaikščiojo savo tėvo Dovydo keliais, nenukrypdamas nei į kairę, nei į dešinę.
2Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah kosa izy ka nandeha tamin'izay rehetra nalehan'i Davida rainy, fa tsy mba nivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
3Aštuonioliktais karaliaus Jozijo metais karalius siuntė raštininką Šafaną, Mešulamo sūnaus Acalijo sūnų, į Viešpaties namus
3Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka, dia naniraka an'i Safana mpanoratra, zanak'i Azalia, zanak'i Mesolama, izy ho any an-tranon'i Jehovah ka nanao hoe:
4pas vyriausiąjį kunigą Hilkiją sužinoti, kiek pinigų buvo surinkta prie Viešpaties namų įėjimo.
4Miakara any amin'i Hilkia mpisoronabe, hanisany ny vola izay nampidirina ho ao an-tranon'i Jehovah, dia izay nangonin'ny mpiandry varavarana tamin'ny olona;
5Tuos pinigus jis įsakė perduoti darbų prižiūrėtojams Viešpaties namuose, kad tie juos išdalintų darbininkams, kurie dirba Viešpaties namuose, užtaisydami jų spragas,
5ary aoka hatolony ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah izany; ary aoka homen'ireo ho an'ny mpiasa izay ao an-tranon'i Jehovah hanamboarany ny simba amin'ny trano,
6dailidėms, statybininkams bei mūrininkams ir pirkti rąstus bei tašytus akmenis namų remontui.
6dia ho an'ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ny mpipaika, dia hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny trano.
7Tačiau jiems nereikėjo atsiskaityti už pinigus, kuriuos gaudavo, nes jie buvo ištikimi.
7Kanefa tsy nampamoahina ny amin'ny vola natolotra teo an-tànany ireo, fa nahatoky izy.
8Vyriausiasis kunigas Hilkijas sakė raštininkui Šafanui: “Viešpaties namuose radau įstatymo knygą!” Hilkijas padavė tą knygą Šafanui, ir šis ją skaitė.
8Dia hoy Hilkia mpisoronabe tamin'i Safana mpanoratra: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky ka novakiny.
9Šafanas atėjo pas karalių ir pranešė jam, kad jo tarnai suskaičiavo paaukotus pinigus ir juos perdavė darbų prižiūrėtojams Viešpaties namuose.
9Ary Safana mpanoratra niverina ho any amin'ny mpanjaka nitondra valiny nanao hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao an-trano ka nanolotra azy teo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah.
10Raštininkas Šafanas pranešė karaliui: “Kunigas Hilkijas davė man knygą”. Ir Šafanas skaitė ją karaliui.
10Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.
11Karalius, išgirdęs įstatymo knygos žodžius, perplėšė savo drabužius.
11Ary rehefa ren'ny mpanjaka ny teny tao amin'ilay bokin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy.
12Jis įsakė kunigui Hilkijui, Šafano sūnui Ahikamui, Mikajos sūnui Achborui, raštininkui Šafanui ir karaliaus tarnui Asajai, sakydamas:
12Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Akbora, zanak'i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, hoe:
13“Eikite ir pasiklauskite Viešpatį už mane, už tautą ir už visą Judą dėl šitos knygos žodžių. Didelė Viešpaties rūstybė užsidegusi prieš mus, kadangi mūsų tėvai neklausė šitos knygos žodžių ir nesielgė taip, kaip joje parašyta”.
13Mandehana ianareo, ka manontania amin'i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin'ny Joda rehetra ny amin'ny tenin'ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan'ny razantsika ny tenin'ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika.
14Kunigas Hilkijas, Ahikamas, Achboras, Šafanas ir Asaja nuėjo pas pranašę Huldą, žmoną Šalumo, Tikvos sūnaus, Harhaso sūnaus, drabužių sargo, kuri gyveno Jeruzalės antroje dalyje, ir kalbėjo su ja.
14Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tikva, zanak'i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin'ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo.
15Ji jiems sakė: “Taip sako Viešpats, Izraelio Dievas: ‘Sakykite vyrui, kuris jus siuntė pas mane,
15Ary hoy ravehivavy taminy Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'ny lehilahy izay naniraka anareo ho atỳ amiko hoe:
16kad Aš, Viešpats, bausiu šitą vietą ir jos gyventojus, kaip pasakyta knygoje, kurią skaitė Judo karalius.
16Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny mponina eto, dia araka izay rehetra lazain'ny boky novakin'ny mpanjakan'ny Joda.
17Jie paliko mane ir degino smilkalus kitiems dievams, sukeldami mano pyktį savo rankų darbais, todėl mano rūstybė užsidegs prieš šitą vietą ir neužges’.
17Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin'izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia mirehitra amin'ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
18Judo karaliui, kuris jus siuntė pasiklausti Viešpaties, sakykite: ‘Taip sako Viešpats, Izraelio Dievas: ‘Dėl žodžių, kuriuos tu girdėjai,
18Fa ny amin'ny mpanjakan'ny Joda izay naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah kosa anefa, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ny teny izay novakinao,
19tavo širdis buvo minkšta ir tu nusižeminai prieš Viešpatį, klausydamas, ką Aš kalbėjau prieš šitą vietą ir jos gyventojus, kad ji taps griuvėsiais ir prakeikimu, ir kadangi tu perplėšei savo drabužius bei verkei mano akivaizdoje, Aš išklausiau tave.
19satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin'izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah.Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity tanàna ity. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.
20Todėl Aš paimsiu tave prie tavo tėvų, ir tu būsi paguldytas į kapą ramybėje; tavo akys nebematys visų tų nelaimių, kurias Aš siųsiu šitai vietai’ ”. Jie pranešė šituos žodžius karaliui.
20Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity tanàna ity. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.