1Karalius sukvietė pas save visus Judo ir Jeruzalės vyresniuosius.
1[Ny fahazotoan'i Josia handrava ny fivavahana tsy marina sy hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah, ary ny niadiany tamin'ny Egyptiana, sy ny nahafatesany] Ary nanirahan'ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon'ny Joda Jerosalema rehetra.
2Karalius su kunigais, pranašais ir Judo bei Jeruzalės gyventojais nuo mažo iki didelio nuėjo į Viešpaties namus. Karalius garsiai skaitė visus žodžius iš sandoros knygos, atrastos Viešpaties namuose.
2Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin'ny bokin'ny fanekena izay hita tao an-tranon'i Jehovah.
3Karalius atsistojo prie kolonos ir pakartojo sandorą Viešpaties akivaizdoje: sekti Viešpatį ir laikytis Jo įsakymų, įspėjimų ir nuostatų visa širdimi ir visa siela, kad būtų įvykdyti visi sandoros žodžiai, užrašyti šitoje knygoje. Visa tauta pasižadėjo laikytis sandoros.
3Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena sy izay voasoratra ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.
4Karalius įsakė vyriausiajam kunigui Hilkijui, antros eilės kunigams ir vartininkams išnešti iš Viešpaties šventyklos visus daiktus, skirtus Baalui, Ašerai bei dangaus kareivijai. Jie buvo sudeginti už Jeruzalės sienų, Kidrono slėnyje, o jų pelenus išnešė į Betelį.
4Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an'i Bala sy Astarta ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra hiala amin'ny tempolin'i Jehovah; ka nodorany tany ivelan'i Jerosalema teny amin'ny saha amoron'i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony.
5Jis išnaikino stabų kunigus, kuriuos buvo paskyrę Judo karaliai deginti smilkalus aukštumose, Judo miestuose ir Jeruzalės apylinkėse; taip pat ir tuos, kurie smilkė Baalui, saulei, mėnuliui, planetoms ir visai dangaus kareivijai.
5Ary natsahany koa ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy, izay notendren'ny mpanjakan'ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin'ny fitoerana avo tany amin'ny tanànan'ny Joda sy tamin'ny manodidina an'i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an'i Bala, dia ny masoandro, ary ho an'ny volana sy ny kintana amin'ny Zodiaka ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra.[Heb. Mazotoa; izahao Joba xxxviii. 32]
6Jis išnešė Ašeros statulą iš Viešpaties namų už Jeruzalės sienų, į Kidrono upelio slėnį; ten ją sudegino, sutrynė į dulkes ir išbarstė kapuose.
6Ary ny Aseraha navoakany hiala amin'ny tranon'i Jehovah ho any ivelan'i Jerosalema, ao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin'ny fasam-bahoaka.
7Be to, jis sugriovė paleistuvių namus, buvusius prie Viešpaties namų, kur moterys ausdavo apdangalus Ašerai.
7Ary noravany ny tranon'ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia ireo nanenoman'ny vehivavy lay ho an'i Astarta.
8Jis sušaukė visus kunigus iš Judo miestų ir išniekino aukštumas, kuriose kunigai smilkė, nuo Gebos iki Beer Šebos. Karalius sunaikino aukštumas prie valdytojo Jozuės vartų, miesto vartų kairėje pusėje.
8Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin'ny tanànan'ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan'ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin'ny vavahady, dia ilay teo anoloan'ny vavahadin'i Josoa, komandin'ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha miditra amin'ny vavahadin'ny tanana.
9Aukštumų kunigai neprieidavo prie Viešpaties aukuro Jeruzalėje, bet valgydavo neraugintą duoną su savo broliais.
9Fa ny mpisorona tamin'ny fitoerana avo tsy navela hanatitra teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah any Jerosalema; nefa nahazo niara-nihinana mofo tsy misy masirasira tamin'ny rahalahiny ihany izy.
10Jozijas išniekino Tofetą Hinomo vaikų slėnyje, kad niekas savo sūnaus ar dukters neleistų per ugnį Molechui.
10Ary nolotoiny koa Tofeta, izay eo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo ho an'i Moloka intsony.
11Taip pat pašalino Judo karalių saulei pašvęstus žirgus, kurie buvo prie Viešpaties namų įėjimo, prie eunucho Netan Melecho kambario, o saulės vežimus sudegino.
11Ary ny soavaly izay nohamasinin'ireo mpanjakan'ny Joda ho an'ny masoandro ka nataony teo amin'ny fidirana ho ao an-tranon'i Jehovah, teo akaikin'ny efi-tranon'i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin'ny masoandro nodorany tamin'ny afo.[Heb. ionoka][Tokony ho anaran-trano madinika sasany teo an-kianjan'ny tempoly]
12Judo karalių ant Ahazo namų stogo pastatytus aukurus ir Manaso pastatytus aukurus dviejuose Viešpaties namų kiemuose karalius nugriovė, sudaužė ir jų dulkes sumetė į Kidrono upelį.
12Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin'ny tranon'i Ahaza, izay nataon'ireo mpanjakan'ny Joda, sy ny alitara izay nataon'i Manase tao anatin'ny kianja roa tamin'ny tranon'i Jehovah, dia noravan'ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.
13Karalius išniekino aukštumas, kurios buvo priešais Jeruzalę, į dešinę nuo Sugedimo kalno, kurias Izraelio karalius Saliamonas buvo padaręs sidoniečių pabaisai Astartei, Moabo pabaisai Kemošui ir amonitų pabaisai Milkomui.
13Ary nolotoin'ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan'i Jerosalema, teo amin'ny ankavanan'ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon'i Solomona, mpanjakan'ny Isiraely, ho an'i Astarta, fa havetavetan'ny Sidoniana, sy ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, ary ho an'i Milkoma, fahavetavetan'ny taranak'i Amona.
14Jis sudaužė atvaizdus, iškirto giraites ir jų vietas užpildė žmonių kaulais.
14Dia notorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy sady nokapainy koa ny Aseraha, ka nofenoiny taolan'olona ny nitoerany.
15Aukurą Betelio aukštumoje, kurį pastatė Nebato sūnus Jeroboamas, įtraukęs į nuodėmę Izraelį, ir pačią aukštumą jis nugriovė, sudegino ir sutrynė į dulkes, ir taip pat sudegino giraitę.
15Ary ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha.
16Jozijas, pamatęs kapus ant kalno, pasiuntė ir paėmė kaulus iš kapų, juos sudegino ant aukuro, jį išniekindamas pagal Viešpaties žodį, paskelbtą Dievo vyro.
16Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin'ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin'i Jehovah, izay notorin'ilay lehilahin'Andriamanitra.[Izahao 1 Mpanjaka xiii. 2]
17Tada jis sakė: “Kieno tas antkapis, kurį aš matau?” Miesto žmonės jam atsakė: “Tai kapas Dievo vyro, kuris buvo atėjęs iš Judo ir paskelbė, ką tu dabar įvykdei ant Betelio aukuro”.
17Dia hoy izy: Tsangam-baton'iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanana taminy: Fasan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin'ny alitara eto Betela izao.
18Jis sakė: “Palikite jį. Niekas tenepajudina jo kaulų”. Jie paliko jo ir pranašo, kuris buvo iš Samarijos, kaulus nepaliestus.
18Ary hoy izy: Aoka itsy; aza misy manetsika ny taolany akory. Dia tsy nokasihiny ny taolany sy ny taolan'ilay mpaminany avy tany Samaria.
19Visus aukštumų namus, buvusius Samarijos miestuose, kuriuos pastatė Izraelio karaliai, sukeldami Viešpaties pyktį, Jozijas pašalino, padarydamas su jais kaip Betelyje.
19Ary ny trano rehetra tamin'ny fitoerana avo, izay teny amin'ny tanànan'i Samaria, izay nataon'ireo mpanjakan'ny Isiraely ka nahatonga fahatezerana, dia noravan'i Josia koa ka nataony araka izay rehetra efa navony tany Betela.
20Jis išžudė visus ten buvusius aukštumų kunigus ir ant aukurų degino žmonių kaulus. Po to jis sugrįžo į Jeruzalę.
20Ary ny mpisorona rehetra izay teo, dia ny mpisorona amin'ny fitoerana avo, novonoiny teo ambonin'ny alitara, sady nandoro taolan'olona teo koa izy, dia niverina nankany Jerosalema.
21Karalius įsakė visai tautai: “Švęskite Paschą Viešpačiui, savo Dievui, kaip parašyta šitoje sandoros knygoje!”
21Ary ny mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: Tandremo ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ity fanekena ity.
22Tokia Pascha nebuvo švenčiama nuo teisėjų laikų per visas Izraelio bei Judo karalių dienas.
22Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany hatramin'ny andron'ny mpitsara izay nitsara ny Isiraely, na tamin'ny andro rehetra nanjakan'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny mpanjakan'ny Joda;
23Aštuonioliktais karaliaus Jozijo metais vėl šventė tokią Paschą Viešpačiui Jeruzalėje.
23fa tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka no nitandremany izany Paska izany ho an'i Jehovah tany Jerosalema.
24Jozijas pašalino mirusiųjų dvasių iššaukėjus, žynius, atvaizdus, stabus ir visas baisenybes, kurias surado Judo žemėje ir Jeruzalėje, kad įvykdytų įstatymo žodžius, užrašytus knygoje, kurią vyriausiasis kunigas Hilkijas rado Viešpaties namuose.
24Ary ny nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana sy ny terafima sy ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin'ny tany Joda sy tany Jerosalema dia nesorin'i Josia koa, mba hanatanterahana ny tenin'ny lalàna voasoratra ao amin'ilay boky hitan'i Hilkia mpisorona tao an-tranon'i Jehovah.
25Nebuvo iki jo tokio karaliaus, kuris būtų atsigręžęs į Viešpatį visa širdimi, visa siela ir visomis jėgomis pagal visą Mozės įstatymą, ir po jo nebuvo tokio.
25Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin'i Jehovah tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn'i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany.
26Tačiau Viešpats neatsisakė savo didelės rūstybės, kuri buvo užsidegusi prieš Judą dėl visų Manaso nusikaltimų, kuriais jis supykdė Viešpatį.
26Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin'ny firehetan'ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin'ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran'i Manase Azy.
27Viešpats tarė: “Aš atstumsiu Judą, kaip atstūmiau Izraelį, ir atmesiu Jeruzalęšitą miestą, kurį išsirinkau, ir namus, apie kuriuos sakiau: ‘Ten bus mano vardas’ ”.
27Dia hoy Jehovah: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Isiraely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.
28Visi kiti Jozijo darbai surašyti Judo karalių metraščių knygoje.
28Ary ny tantaran'i Josia sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
29Jo dienomis Egipto faraonas Nekojas išėjo prieš Asirijos karalių Eufrato upės link. Karalius Jozijas išėjo priešais jį, ir tas nužudė jį Megide, kai jie susitiko.
29Tamin'ny andro nanjakan'i Josia no niakaran'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, hankany amoron'ny ony Eofrata hiady amin'ny mpanjakan'i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin'i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy.
30Jo tarnai parvežė jį vežime mirusį iš Megido į Jeruzalę ir palaidojo jo kape. Krašto žmonės paėmė Jehoachazą, Jozijo sūnų, ir patepė jį karaliumi jo tėvo vietoje.
30Ary ny fatiny dia napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy ka nentiny niala tao Megido ho any Jerosalema, dia naleviny tao amin'ny fasany. Ary nalain'ny vahoaka Joahaza, zanak'i Josia, dia nohosorany ka nampanjakainy handimby an-drainy.
31Pradėdamas karaliauti, Jehoachazas buvo dvidešimt trejų metų ir karaliavo Jeruzalėje tris mėnesius. Jo motina buvo Hamutalė, Jeremijo duktė, iš Libnos.
31[Ny nanjakan'i Joahaza sy Joiakima ary Joiakina] Telo amby roa-polo taona Joahaza fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia, avy any Libna.
32Jis darė pikta Viešpaties akyse, kaip ir jo tėvai.
32Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'ny razany.
33Faraonas Nekojas suėmė jį Ribloje, Hamato krašte, kad jis negalėtų karaliauti Jeruzalėje, o kraštui uždėjo duoklę: šimtą talentų sidabro ir talentą aukso.
33Ary nafatotr'i Farao-neko tao Ribla any amin'ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
34Faraonas Nekojas paskyrė Judo karaliumi Jozijo sūnų Eljakimą jo tėvo Jozijo vietoje ir pakeitė jo vardą į Jehojakimą, o Jehoachazą nusivedė į Egiptą; ten jis ir mirė.
34Ary Farao-neko nanendry an'i Eliakima, zanak'i Josia, ho mpanjaka hisolo an'i Josia rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany.
35Jehojakimas atidavė sidabrą ir auksą faraonui. Jis apdėjo kraštą mokesčiais, kad galėtų sumokėti faraono uždėtą duoklę. Kiekvienas krašto gyventojas turėjo sumokėti jam paskirtą mokestį sidabru ir auksu.
35Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen'i Joiakima an'i Farao; kanefa notombanany avokoa ny olona rehetra araka ny didin'i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy nampandoaviny vola araka ny tombany avy, mba homeny an'i Farao-neko.
36Pradėdamas karaliauti, Jehojakimas buvo dvidešimt penkerių metų ir karaliavo Jeruzalėje vienuolika metų. Jo motina buvo vardu Zebida, Pedajo duktė, iš Rumos.
36Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin'i Pedaia, avy any Romaha.Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay nataon'ny razany.
37Jis darė pikta Viešpaties akyse, kaip ir jo tėvai.
37Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay nataon'ny razany.