Lithuanian

Malagasy

2 Kings

25

1Devintaisiais jo karaliavimo metais, dešimto mėnesio dešimtą dieną prieš Jeruzalę atėjo Babilono karalius Nebukadnecaras su visa kariuomene, apgulė ją ir supylė aplinkui pylimą.
1Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema indray ka nitoby tandrifiny; ary nanao tilikambo manodidina azy izy.
2Miestas buvo apgultas iki vienuoliktų karaliaus Zedekijo metų.
2Ary nataony fahirano ny tanàna hatramin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia mpanjaka.
3Ketvirto mėnesio devintą dieną mieste taip sustiprėjo badas, kad žmonės nebeturėjo ko valgyti.
3Ary tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an'ny olona tompon-tany.
4Pralaužę miesto sieną, karalius su visais kariais pabėgo naktį taku, esančiu tarp dviejų miesto sienų, prie karaliaus sodo. Chaldėjai buvo išsidėstę aplinkui miestą. Jie traukėsi lygumos keliu.
4Ary nisy voabanga ny tanana, dia nandositra alina ny miaramila rehetra tamin'ny lalana nankamin'ny vavahady tanelanelan'ny manda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ary ny mpanjaka nandeha tamin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay.[Heb. Arabà]
5Chaldėjų kariuomenė vijosi karalių ir sugavo Jericho lygumoje. Visa jo kariuomenė buvo išsklaidyta.
5Ary ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra azy teny amin'ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
6Jie suėmė karalių ir atgabeno į Riblą pas Babilono karalių, ir jie teisė jį.
6Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentina niakatra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla, ka dia notsaraina tao izy.
7Jie nužudė Zedekijo sūnus jo akyse, o pačiam Zedekijui išlupo akis, sukaustė grandinėmis ir išsivedė į Babiloną.
7Ary ny zanakalahin'i Zedekia dia novonoiny teo imason-drainy, ary ny mason'i Zedekia kosa nopotsiriny, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona.
8Devynioliktų Babilono karaliaus Nebukadnecaro metų penkto mėnesio septintą dieną į Jeruzalę atėjo Babilono karaliaus tarnas Nebuzaradanas, sargybos viršininkas,
8Ary tamin'ny andro fahafito tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona,
9ir sudegino Viešpaties namus, karaliaus namus ir visus didelius miesto pastatus.
9ka nandoro ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
10Chaldėjų kariuomenė, kuri buvo su sargybos viršininku, išgriovė aplink Jeruzalę esančias sienas.
10Ary ny manda manodidina an'i Jerosalema dia noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben'ny mpiambina.
11Išlikusius miesto gyventojus ir perbėgusius pas Babilono karalių sargybos viršininkas Nebuzaradanas išvedė į nelaisvę.
11Ary izay olona sisa tao an-tanana sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona ary ny vahoaka betsaka sisa dia nentin'i Neborazadana, lehiben'ny mpiambina, ho babo avokoa.
12Bet jis paliko kai kuriuos krašto beturčius, kad prižiūrėtų vynuogynus ir dirbtų žemę.
12Nefa ny olona malahelo dia nisy navelany ihany ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
13Chaldėjai sulaužė varines kolonas, stovus ir varinį baseiną, buvusius Viešpaties namuose, ir jų varį išgabeno į Babiloną.
13Ary ireo andry varahina teo an-tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe izay teo an-tranon'i Jehovah dia notorotoroin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina.[Heb. ny ranomasina]
14Jie paėmė ir puodus, semtuvus, gnybtuvus, dubenis bei visus varinius indus, kurie buvo naudojami tarnavimo metu.
14Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny antsy sy ny lovia kely ary ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
15Sargybos viršininkas pasiėmė indus smilkalams, taures ir visa, kas buvo iš aukso ir sidabro.
15Ary nentiny koa ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentiny avokoa
16Dviejų kolonų, baseino ir stovų, kuriuos Saliamonas padirbo Viešpaties namams, vario buvo tiek, kad nebuvo įmanoma pasverti.
16ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray ary ireo fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
17Viena kolona buvo aštuoniolikos uolekčių aukščio, ir ant jos buvo varinis kapitelis trijų uolekčių aukščio; grotelės ir granato vaisiai aplinkui buvo iš vario. Tokia pat buvo ir antroji kolona su grotelėmis.
17Valo ambin'ny folo hakiho ny hahavon'ny andry iray, ary varahina ny kapitaliny sady telo hakiho ny hahavony; ary varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin'ny kapitaliny manodidina; ary tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin'ny harato.
18Sargybos viršininkas paėmė vyriausiąjį kunigą Serają, antrąjį kunigą Sofoniją, tris durininkus,
18Ary ny lehiben'ny mpiambina nisambotra an'i Seraia mpisoronabe sy zefania, mpisorona manarakaraka, ary mpiandry varavarana koa telo lahy;
19miesto valdininką, kuris buvo karo vyrų viršininkas, penkis vyrus, karaliaus patarėjus, kuriuos rado mieste, kariuomenės vyriausiąjį raštininką, kuris šaukdavo kariuomenėn vyrus, ir šešiasdešimt krašto vyrų, kurie buvo mieste.
19ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary dimy lahy tamin'izay mpitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy, izay hitany tao an-tanàna;
20Ir Nebuzaradanas, sargybos viršininkas, nuvedė juos pas Babilono karalių į Riblą.
20dia nosamborin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla.
21Karalius nužudė juos Rebloje, Emato krašte. Taip Judas buvo ištremtas iš savo krašto.
21Dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin'ny taniny.
22Valdytoju Judo krašte likusiems žmonėms Babilono karalius Nebukadnecaras paskyrė Šafano sūnaus Ahikamo sūnų Gedaliją.
22Fa ny amin'ny olona izay sisa tany amin'ny tanin'ny Joda, izay navelan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, no notendreny ho mpanapaka azy.
23Kariuomenės vadai ir jų vyrai išgirdo, kad Babilono karalius paskyrė Goedaliją Judo valdytoju. Ir atėjo pas jį į Micpą Netanijos sūnus Izmaelis, Kareacho sūnus Johananas, netofiečio Tanhumeto sūnus Seraja, maako sūnus Jaazanijas ir jų vyrai.
23Ary nony ren'ny komandin'ny miaramila rehetra mbamin'ny olom-peheziny avy fa Gedalia no notendren'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ho mpanapaka, dia nankany amin'i Gedalia tany Mizpa Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana, zanak'i Karea, sy Seraia, zanak'i Tanometa Netofatita, ary Jazania, zanak'ilay Makatita, dia ireo sy ny olom-peheziny avy.
24Gedalijas prisiekė jiems: “Nebijokite chaldėjų tarnų, gyvenkite krašte, tarnaukite Babilono karaliui ir bus jums gerai”.
24Ary Gedalia nianiana taminy sy tamin'ny olom-peheziny ka nanao hoe: Aza matahotra ny amin'ny mpanompon'ny Kaldeana, fa mitomoera amin'ny tany, ary manompoa ny mpanjakan'i Babylona, fa izany no hahasoa anareo.
25Septintą mėnesį į Miscpą atėjo Elišamo sūnaus Netanijos sūnus Izmaelis, kilęs iš karališkos giminės, su dešimčia vyrų ir užmušė Gedaliją, žydus ir chaldėjus, buvusius su juo.
25Ary tamin'ny volana fahafito, dia avy Isimaela, zanak'i Netania, zanak'i Elisama, isan'ny fianakavian'ny mpanjaka, mbamin'ny olona folo lahy koa ka namely an'i Gedalia, dia nahafaty azy sy ny Jiosy ary ny Kaldeana izay tao aminy tany Mizpa.
26Tada visi žmonės, dideli ir maži, bei kariuomenės vadai išėjo į Egiptą, nes jie bijojo chaldėjų.
26Ary niainga ny olona rehetra, na kely na lehibe, mbamin'ny komandin'ny miaramila, nankany Egypta, fa natahotra ny Kaldeana izy.
27Trisdešimt septintaisiais Judo karaliaus Jehojachino tremties metais, dvylikto mėnesio dvidešimt septintą dieną Babilono karalius Evil Merodachas pirmaisiais savo karaliavimo metais išleido Judo karalių Jehojachiną iš kalėjimo.
27Ary tamin'ny andro fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona fahafito amby telo-polo taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.[Heb. nasandratra ny lohany]
28Jis draugiškai su juo kalbėjo ir davė jam sostą, aukštesnį negu kitų karalių, kurie buvo su juo Babilone.
28Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona.
29Jis pakeitė Jehojachino kalėjimo drabužius, ir tas valgė karaliaus akivaizdoje per visas savo gyvenimo dienas.
29Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.Ary ny hanina nohaniny dia hanina nomena avy amin'ny mpanjaka araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany.
30Karalius jam paskyrė nuolatinį išlaikymą, kurį jis gaudavo kiekvieną dieną, per visas savo gyvenimo dienas.
30Ary ny hanina nohaniny dia hanina nomena avy amin'ny mpanjaka araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany.