Lithuanian

Malagasy

2 Kings

4

1Vieno pranašo žmona šaukė Eliziejui: “Tavo tarnas, mano vyras, mirė. Tu žinai, kad jis bijojo Viešpaties, tačiau skolintojas atėjo už skolą paimti vergais abu mano sūnus”.
1[Ny nampitomboan'i Elisa ny diloilon'ilay vehivavy maty vady] Ary nisy vehivavy anankiray, vadin'ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin'i Elisa hoe: Maty ny vadiko mpanomponao; ary ianao mahalala fa natahotra an'i Jehovah ny mpanomponao; nefa tonga ny tompo-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony
2Eliziejus klausė: “Kuo galiu padėti? Sakyk, ką turi namuose?” Ji atsakė: “Nieko kito neturiu, tik ąsotėlį aliejaus”.
2Dia hoy Elisa taminy: Inona ary no hataoko ho anao? Lazao amiko: inona avy no anananao ao an-trano? Fa hoy ravehivavy: Ny ankizivavinao tsy manana na inona na inona ao an-trano afa-tsy diloilo iray tavoara monja.
3Jis jai tarė: “Eik ir pasiskolink tuščių indų iš visų savo kaimynų. Nemažai pasiskolink.
3Ary hoy izy: Andeha mindram-bilany amin'ny namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy zavatra, nefa aza atao vitsy.
4Sugrįžusi užsirakink duris su savo sūnumis ir pilk aliejų į visus tuščius indus, o pilnus padėk į šalį”.
4Ary rehefa tafiditra ianao, dia aoka hirindrim-baravarana ianao sy izy mirahalahy zanakao, ary manidina amin'izany vilany rehetra izany, dia atokàny izay feno.
5Parėjusi ji su savo sūnumis užsirakino duris, ir jie jai padavinėjo indus, o ji pylė.
5Dia niala teo aminy ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin'izy mirahalahy zanany, ary izy mirahalahy nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo.
6Kai visi indai buvo pilni, ji tarė sūnui: “Paduok man dar vieną indą”. Jis atsakė: “Nebėra indų”. Tuomet aliejus nustojo tekėjęs.
6Ary nony feno ny vilany, dia hoy izy tamin'ny zanany: Itondray vilany iray koa aho. Fa hoy kosa ireo taminy: Tsy misy vilany intsony. Ary dia nitsahatra ny diloilo.
7Ji, nuėjusi pas Dievo vyrą, viską jam papasakojo. Eliziejus tarė: “Parduok aliejų ir užmokėk skolą, o kas liks, iš to gyvenkite”.
7Dia avy ravehivavy ka nilaza tamin'ny lehilahin'Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo, ka anefao izay trosan'olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.
8Kartą Eliziejus ėjo į Šunemą, kur gyveno turtinga moteris. Ji kvietė jį užeiti pavalgyti. Nuo to laiko kiekvieną kartą praeidamas jis užsukdavo pavalgyti.
8[Ny amin'ilay vehivavy Sonemita sy ny zanany] Ary tamin'ny indray andro Elisa dia nankany Sonema, ary nisy vehivavy mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina.
9Kartą ji tarė savo vyrui: “Aš suprantu, kad tas žmogus, kuris nuolat užeina pas mus, yra šventas Dievo vyras.
9Ary hoy ravehivavy tamin'ny lahy; Indro, fantatro fa masina sady lehilahin'Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika mandrakariva.
10Padarykime mažą kambarėlį ant aukšto ir padėkime jam ten lovą, stalą, kėdę ir lempą, kad užsukęs jis turėtų kur pailsėti”.
10Masìna ianao, andeha isika hanao efi-trano kely ambony rihana; ary hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka.
11Kartą Eliziejus atėjęs užėjo į tą kambarį ir ten ilsėjosi.
11Ary tamin'ny indray andro dia tonga tao Elisa ka nipetraka tao amin'ilay efi-trano ambony ary nandry tao.
12Jis liepė savo tarnui Gehaziui pakviesti šunemietę. Ji atėjo.
12Ary hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Antsoy ilay Sonemita. Ary rehefa nantsoiny ravehivavy, dia nitsangana teo anatrehany izy.
13Jai atėjus, jis tarė tarnui: “Paklausk jos, kuo galėčiau atsilyginti už visą jos rūpestį. Gal ji norėtų, kad pakalbėčiau už ją su karaliumi ar kariuomenės vadu?” Ji atsakė: “Aš gyvenu tarp savo žmonių”.
13Ary hoy Elisa tamin'i Gehazy: Mba lazao amin-dravehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin'izao fiahiana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin'ny mpanjaka va ianao, na amin'ny komandin'ny miaramila? Dia namaly ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin'ny fireneko aho.
14Eliziejus vėl klausė: “Ką jai padaryti?” Gehazis atsiliepė: “Ji neturi sūnaus, o jos vyras senas”.
14Ary hoy Elisa: Fa inona ary no hatao ho anao? Dia namaly Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa tsy manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy?
15Tuomet Eliziejus liepė pakviesti ją. Atėjusi ji atsistojo tarpduryje.
15Ary hoy Elisa: Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy, dia nitsangana teo am-baravarana.
16Jis tarė jai: “Už metų, apie šitą laiką, tu glamonėsi sūnų!” Ji sakė: “O ne, mano viešpatie, Dievo vyre, nemeluok savo tarnaitei”.
16Dia hoy izy: Raha mby amin'ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin'Andriamanitra, aza mandainga amin'ny ankizivavinao.
17Moteris pastojo ir po metų pagimdė sūnų, kaip Eliziejus jai buvo sakęs.
17Koa nefa nanan'anaka tokoa ravehivavy, ka nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy tamin'ilay fotoana nolazain'i Elisa taminy.
18Vaikas paaugo ir kartą išėjo pas tėvą prie pjovėjų.
18Ary nony efa lehibe ny zaza, dia nankany amin'ny rainy tany amin'ny mpijinja vary izy indray andro,
19Jis tarė savo tėvui: “Mano galva, mano galva!” Tėvas liepė tarnui parnešti jį namo pas motiną.
19Ary hoy izy tamin-drainy: Edrey! ny an-dohako! ny an-dohako! Ary hoy rainy tamin'ny zatovo anankiray: Ento ho any amin-dreniny izy.
20Kai jį parnešė pas motiną, pasėdėjęs ant jos kelių iki vidudienio, jis mirė.
20Dia notrotroin'ilay zatovo izy ka nentiny ho any amin-dreniny, ary nampofoiny izy mandra-pitataovovonan'ny andro, dia maty.
21Ji užnešė jį, paguldė į Dievo vyro lovą, užrakino duris ir išėjo.
21Ary ravehivavy niakatra ka nampandry azy teo amin'ny fandrian'ilay lehilahin'Andriamanitra, dia narindriny ny trano, ka nivoaka izy.
22Pašaukusi savo vyrą, ji tarė: “Atsiųsk tarną ir asilę, kad galėčiau skubiai nuvykti pas Dievo vyrą ir tuojau sugrįžti”.
22Ary niantso ny vadiny izy ka nanao hoe: Masìna ianao, asaovy misy zatovo anankiray mankaty amiko mitondra borikivavy anankiray, fa handeha faingana ho any amin'ny lehilahin'Andriamanitra aho, dia hiverina indray.
23Jis paklausė: “Kodėl tu eini pas jį šiandien? Juk nei jaunas mėnulis, nei sabatas”. Bet ji atsakė: “Viskas gerai”.
23Fa hoy ny lahy: Inona no hankanesanao any aminy anio, nefa tsy mba andro tsinam-bolana na Sabata tsinona izao? Ary hoy ravehivavy: Ka nahoana aza?
24Pabalnojusi asilę, ji sakė savo tarnui: “Varyk ir skubėk. Nesustok, kol pasakysiu”.
24Ary ravehivavy dia nanisy lasely ny borikivavy, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ampandehano, izy ka mizora; aza miahotrahotra akory amin'ny fampandehananao azy, raha tsy ampijanoniko ianao.
25Ji atėjo pas Dievo vyrą prie Karmelio kalno. Dievo vyras, pamatęs ją iš tolo, tarė savo tarnui Gehaziui: “Šunemietė čia!
25Dia lasa ravehivavy nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan'ny lehilahin'Andriamanitra avy erỳ izy, dia hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry;
26Bėk ją pasitikti ir paklausk, kaip sekasi jai, jos vyrui ir vaikui”. Ji atsakė: “Gerai”.
26masìna ianao, mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hoe: Tsara ihany va ianao: Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zazalahy? Ary hoy ny famaliny: Tsara ihany.
27Atėjusi pas Dievo vyrą, ji apkabino jo kojas. Gehazis norėjo atitraukti, bet Dievo vyras tarė: “Palik ją, ji labai nusiminusi. Viešpats nuslėpė tai nuo manęs ir nepasakė”.
27Ary rehefa tonga tany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko.
28Ji tarė: “Argi aš tavęs, mano viešpatie, prašiau sūnaus? Argi nesakiau: ‘Neapgauk manęs’?”
28Dia hoy ravehivavy: Moa naniry zaza taminao va aho, tompoko? Tsy hoy va aho: Aza mamitaka ahy?
29Tada Eliziejus liepė Gehaziui susijuosti, pasiimti jo lazdą ir eiti: “Jei ką sutiksi, nesveikink jo, o jei kas tave sveikins, neatsakyk jam. Nuėjęs uždėk mano lazdą ant berniuko veido”.
29Ary hoy izy tamin'i Gehazy: Misikina, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha mifanena amin'olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin'ny tavan'ny zazalahy ny tehiko.
30Vaiko motina atsakė Eliziejui: “Kaip gyvas Viešpats ir gyva tavo siela, aš tavęs nepaliksiu”. Jis nuėjo kartu su ja.
30Ary hoy ny renin'ny zazalahy: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hiala aminao mihitsy aho. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra nitsangana ka nanaraka azy.
31Gehazis, nuėjęs pirma jų, uždėjo lazdą ant berniuko, tačiau nebuvo nei balso, nei atsakymo. Tada jis grįžo ir, kelyje susitikęs juos, pasakė jam: “Berniukas nepabudo”.
31Ary Gehazy nialoha azy ka nametraka ny tehina teo amin'ny tavan'ny zazalahy; fa tsy nisy feo na faharenesana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy mahatsiaro akory ny zazalahy.
32Eliziejus, įėjęs į namus, pamatė negyvą berniuką jo lovoje.
32Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany.
33Jis užrakino duris paskui save ir meldėsi Viešpačiui.
33Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah.
34Po to jis atsigulė ant vaiko, uždėjo savo burną ant jo burnos, savo akis ant jo akių ir savo rankas ant jo rankų. Vaiko kūnas sušilo.
34Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy.
35Pasivaikščiojęs Eliziejus vėl išsitiesė ant vaiko. Tuomet berniukas sučiaudėjo septynis kartus ir atsimerkė.
35Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony.
36Pasišaukęs Gehazį, jis tarė: “Pašauk šunemietę”. Jai atėjus, jis sakė: “Pasiimk savo sūnų”.
36Ary Elisa niantso an'i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao.
37Įėjusi ji parpuolė prie jo kojų, nusilenkė iki žemės ir, pasiėmusi sūnų, išėjo.
37Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin'ny tongony sady niankohoka tamin'ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.
38Eliziejus sugrįžo į Gilgalą. Badas buvo krašte. Pranašų sūnums sėdint prie jo, jis liepė savo tarnui užkaisti didelį puodą ir išvirti visiems viralo.
38[Ny nanatsaran'i Elisa ilay hanina saiky nahafaty, sy ny nampitomboany ny mofo roa-polo hahavoky ny olona zato lahy] Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin'ny tany; ary ny zanakalahin'ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an'ny zanakalahin'ny mpaminany.
39Vienas iš jų išėjo į lauką pasirinkti daržovių; jis rado laukinį augalą, nuo kurio prisirinko laukinių moliūgų pilną apsiaustą. Parėjęs juos supjaustė į viralo puodą, nes jų nepažino.
39Ary ny anankiray nivoaka tany an-tsaha hitsongo anana ka nahita voantangomboalavo maniry ho azy, dia nanangona voany iray trotroana avy amin'io; ary nony tonga izy, dia nosolatsolarany narotsany tao amin'ny vilany nisy ny hanina, fa tsy nisy nahafantatra.
40Vyrai, paragavę įpilto viralo, šaukė: “Mirtis puode, Dievo vyre!” Jie negalėjo valgyti.
40Ka dia noloarany hohanin'ny olona izany. Ary raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, misy mahafaty ao am-bilany. Ary tsy azony nohanina.[Heb. fahafatesana]
41Eliziejus liepė atnešti miltų. Supylęs juos į puodą, jis tarė: “Pilkite žmonėms, kad jie valgytų”. Puode nebuvo nieko kenksmingo.
41Fa hoy Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary amin'izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao am-bilany.
42Vienas vyras atėjo iš Baal Šališos ir atnešė Dievo vyrui pirmavaisių: dvidešimt miežinių kepalų ir šviežių varpų maiše. Eliziejus liepė savo tarnui duoti žmonėms valgyti,
42Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin'ny voaloham-bokatra ho an'ny lehilahin'Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny.
43bet jis atsakė: “Ar tuo maistu galiu pamaitinti šimtą vyrų?” Eliziejus pakartojo: “Duok žmonėms valgyti, nes Viešpats sako: ‘Jie valgys ir dar paliks’ ”.
43Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan'ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain'i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin'i Jehovah.
44Jis padavė jiems maistą; jie valgė ir dar liko pagal Viešpaties žodį.
44Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin'i Jehovah.