Lithuanian

Malagasy

2 Kings

5

1Sirijos karaliaus kariuomenės vadas Naamanas buvo didis žmogus pas savo valdovą ir gerbiamas, nes Viešpats per jį suteikė išlaisvinimą Sirijai. Jis buvo narsus karys, tačiau sirgo raupsais.
1[Ny nanasitranana an'i Namàna, sy ny nampijaliana an'i Gehazy noho ny ratsy nataony] Ary Namàna, komandin'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan'ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen'i Jehovah an'i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.
2Sirai, kartą išėję būriais, parsivedė iš Izraelio į nelaisvę jauną mergaitę; ji tarnavo Naamano žmonai.
2Ary ny Syriana nivoaka nanao an-tokony ka nitondra ny zazavavy kely anankiray babo avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely; ary nanompo ny vadin'i Namana io.
3Kartą ji tarė savo šeimininkei: “Jei mano valdovas būtų Samarijoje, tai pranašas pagydytų jį nuo raupsų”.
3Ary hoy io tamin'ny tompovaviny: Enga anie ka mba ao amin'ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin'ny habokany izy.
4Atėjęs pas savo valdovą, Naamanas pasakė, ką mergaitė iš Izraelio kalbėjo jo žmonai.
4Ary niditra Namana ka nilaza tamin'ny tompony hoe: Izany ka izany no nolazain'ilay zazavavy izay avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely.
5Sirijos karalius jam tarė: “Gerai, eik! O aš pasiųsiu Izraelio karaliui laišką”. Jis pasiėmė dešimtį talentų sidabro, šešis tūkstančius šekelių aukso, dešimt išeiginių drabužių ir išėjo.
5Dia hoy ny mpanjakan'i Syria: Andeha ary mandeha, fa hampitondra taratasy ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely aho. Dia lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy volamena enina arivo sekely ary akanjo im-polo miova teny an-tànany.
6Jis nunešė Izraelio karaliui laišką, kuriame buvo parašyta: “Kartu su šituo laišku siunčiu pas tave savo tarną Naamaną, kad jį pagydytum nuo raupsų”.
6Ary izy nitondra ny taratasy ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Ary raha tonga atỳ aminao ity taratasy ity, dia ho fantatrao fa efa nampandeha an'i Namàna mpanompoko aho hankatỳ aminao, koa sitrano amin'ny habokany izy.
7Izraelio karalius, perskaitęs laišką, perplėšė savo drabužius ir tarė: “Argi aš Dievas, kad gyvybė ir mirtis būtų mano rankose? Jis siunčia pas mane, kad pagydyčiau vyrą nuo raupsų! Pagalvokite ir matykite, kaip jis ieško priekabių prie manęs”.
7Ary nony efa novakin'ny mpanjakan'ny Isiraely ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nanao hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no anirahan'ilehiny atỳ amiko mba hahasitrana olona amin'ny habokany? Koa masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko mihitsy izy.
8Dievo vyras Eliziejus, išgirdęs, kad Izraelio karalius perplėšė savo drabužius, siuntė pas karalių, sakydamas: “Kodėl perplėšei savo drabužius? Tegul jis ateina pas mane ir jis sužinos, kad Izraelyje yra pranašas”.
8Ary rehefa ren'i Elisa, lehilahin'Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan'ny Isiraely, dia naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankatỳ amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa ao amin'ny Isiraely.
9Naamanas atvyko su žirgais bei vežimais ir sustojo prie Eliziejaus namų durų.
9Ary dia nandeha Namàna nitondra ny soavaliny sy ny kalesiny ka nijanona teo am-baravaran'ny tranon'i Elisa.
10Eliziejus siuntė pas Naamaną savo tarną, sakydamas: “Eik ir apsiplauk septynis kartus Jordane, tavo kūnas atsinaujins ir bus švarus”.
10Ary Elisa naniraka olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.
11Naamanas supyko ir nuėjo, sakydamas: “Aš galvojau, kad jis išeis, atsistos, šauksis Viešpaties, savo Dievo, vardo, uždės ranką ant raupsuotų vietų ir taip pagydys nuo raupsų.
11Fa tezitra Namàna, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankatỳ amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran'i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tànany eo ambonin'ny aretina ka hahasitrana ny boka.
12Argi Damasko upių Abanos ir Parparo vanduo ne geresnis už visus Izraelio vandenis? Argi negalėčiau juose apsiplauti ir tapti švarus?” Jis apsigręžė ir nuėjo labai supykęs.
12Tsy tsara noho ny ranon'ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin'i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin'ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.
13Bet jo tarnai priartėję jam kalbėjo: “Jei pranašas tau būtų įsakęs atlikti kokį didelį dalyką, argi nebūtum daręs? Tuo labiau, kai jis sakė: ‘Apsiplauk ir būsi švarus’ ”.
13Dia nanatona ny mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky ô, na dia zavatra lehibe aza no nasain'ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio ianao?
14Jis nuėjo prie Jordano ir pasinėrė jame septynis kartus, kaip Dievo vyras buvo liepęs. Jo kūnas pasidarė kaip mažo vaiko, ir jis tapo švarus.
14Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra: ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy.
15Jis ir visi jo palydovai sugrįžo pas Dievo vyrą. Atsistojęs prieš pranašą, jis tarė: “Dabar tikrai žinau, kad niekur kitur žemėje nėra Dievo, tik Izraelyje. Prašau, priimk dovaną iš savo tarno”.
15Ary niverina nankao amin'ny lehilahin'Andriamanitra izy mbamin'izay rehetra nanaraka azy, dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin'ny tany rehetra, afa-tsy ato amin'ny Isiraely ihany koa masìna ianao, raiso ny saotra aterin'ny mpanomponao.
16Eliziejus atsakė: “Kaip gyvas Viešpats, kuriam aš tarnauju, nieko neimsiu”. Nors Naamanas jį įkalbinėjo paimti, tačiau jis atsisakė.
16Fa hoy izy: Raha velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy aho. Ary nanery azy handray izy; fa tsy nety Elisa.
17Tuomet Naamanas prašė: “Jeigu ne, tai, prašau, duok savo tarnui tiek žemės, kiek gali panešti pora mulų, nes tavo tarnas daugiau nebeaukos deginamųjų ir kitų aukų jokiam dievui, tik Viešpačiui.
17Ary hoy Namana: Masìna ianao, moa tsy homena tany zakan'ny ampondra roa va izaho mpanomponao? fa ny mpanomponao tsy mba hanatitra fanatitra dorana na fanatitra hafa intsony ho an'ny andriamani-kafa, fa ho an'i Jehovah ihany.
18Tik norėčiau, kad Viešpats man atleistų nusikaltimą, kai aš vesiu savo valdovą į Rimono namus pagarbinti ir kartu su juo nusilenksiu Rimonui”.
18Nefa ny amin'izao zavatra izao dia aoka havelan'i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin'ny tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin'izany zavatra izany.
19Eliziejus jam tarė: “Eik ramybėje”. Jam paėjus nuo jo gerą kelio galą,
19Ary hoy izy taminy: Mandehana soa aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa lavidavitra.[Heb. kiba iray anaram-pandrefesana tokony ho maily iray]
20Dievo vyro Eliziejaus tarnas Gehazis pagalvojo: “Mano viešpats pasigailėjo siro Naamano ir nepriėmė iš jo to, ką jis atnešė. Kaip gyvas Viešpats, aš bėgsiu paskui jį ir paimsiu iš jo ką nors”.
20Fa hoy Gehazy, zatovon'i Elisa, lehilahin'Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana ity ka tsy nandray tamin'ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy.[Heb. Aramiana]
21Gehazis nusivijo Naamaną. Naamanas, pamatęs atbėgantį vyrą jam iš paskos, nušoko nuo vežimo ir klausė: “Ar viskas gerai?”
21Ka dia lasa Gehazy nanaraka an'i Namàna Ary nony tazan'i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin'ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va?
22Tas atsakė: “Viskas gerai! Mano viešpats pasiuntė mane, sakydamas: ‘Ką tik atėjo du pranašų sūnūs iš Efraimo kalnų. Prašau, duok jiems talentą sidabro ir du išeiginius drabužius’ ”.
22Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin'ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin'ny tany havoan'i Efraima; koa masìna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.
23Naamanas atsakė: “Paimk du talentus”. Jis įkalbinėjo, įrišo du talentus sidabro į du maišus, taip pat du išeiginius drabužius ir padavė dviem tarnams, kurie nunešė pirma jo.
23Ary hoy Namàna: Aoka handray talenta roa ianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin'ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo.
24Atėjęs prie kalvos, Gehazis paėmė iš jų maišus ir padėjo juos savo namuose. Po to jis paleido vyrus, ir jie grįžo.
24Fa nony tonga tao amin'ny havoana izy, dia nalainy teny an-tànany izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny ireo, ka dia lasa izy.
25Gehazis atėjo pas Eliziejų, kuris paklausė: “Iš kur ateini, Gehazi?” Tas atsakė: “Tavo tarnas niekur nebuvo išėjęs”.
25Fa Gehazy kosa niditra ka nitsangana teo anatrehan'ny tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao.
26Bet jis jam atsakė: “Argi mano širdis nebuvo su tavimi, kai vyras iššoko iš vežimo tavęs pasitikti? Ar dabar metas paimti pinigus ir drabužius, alyvų sodus ir vynuogynus, avis ir galvijus, tarnus ir tarnaites?
26Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin'ilay nihodina niala tamin'ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin'oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman'osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao?Koa ny habokan'i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala.
27Todėl ir Naamano raupsai prilips tau ir tavo palikuonims per amžius”. Jis išėjo nuo jo raupsuotas kaip sniegas.
27Koa ny habokan'i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala.