Lithuanian

Malagasy

2 Samuel

10

1Po kurio laiko mirė amonitų karalius ir jo vietą užėmė jo sūnus Hanūnas.
1[Ny nahatonga ny niadian'i Davida tamin'ny Amonita sy ny Syriana, ary ny nandreseny azy] Ary rehefa afaka izany, dia maty ny mpanjakan'ny taranak'i Amona, ka Hanona zanany no nanjaka nandimby azy.
2Dovydas sakė: “Aš būsiu geras Nahašo sūnui Hanūnui, kaip jo tėvas buvo man”. Ir Dovydas siuntė savo tarnus paguosti Hanūno dėl jo tėvo mirties. Dovydo tarnams atėjus į amonitų šalį,
2Ary hoy Davida: Hanisy soa an'i Hanona, zanak'i Nahasy, aho, toy ny soa nataon-drainy tamiko. Ary Davida naniraka ny mpanompony hitsapa alahelo azy ny amin-drainy. Ary tonga tany amin'ny tanin'ny taranak'i Amona ny mpanompon'i Davida.
3Amono kunigaikščiai tarė savo valdovui Hanūnui: “Ar manai, kad Dovydas siuntė guodėjus pas tave, norėdamas pagerbti tavo tėvą? Ar ne tam, kad miestą apžiūrėtų, viską išžvalgytų ir paskui jį sunaikintų?”
3Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak'i Amona tamin'i Hanona tompony: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan'i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha ny tanàna sy hisafo azy ary handrava azy va no nanirahan'i Davida ireo mpanompony ireo hankatỳ aminao?
4Hanūnas paėmė Dovydo tarnus, nuskuto jiems po pusę barzdos, nukirpo drabužius iki pusės, iki pat juostos, ir išsiuntė.
4Dia nosamborin'i Hanona ny mpanompon'i Davida, ka noharatany ny ila-somony, sady nofolonany hatreo amin'ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
5Kai apie tai buvo pranešta Dovydui, jis pasiuntė jų pasitikti, nes jie buvo labai sugėdinti, ir sakė jiems: “Pasilikite Jeriche, kol ataugs jūsų barzdos, o tada grįžkite”.
5Ary dia nisy lasa nanambara izany tamin'i Davida, ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ka dia hoy ny tenin'ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.[Na: menatra]
6Kai amonitai suprato, kad tapo Dovydo nekenčiami, pasisamdė iš Bet Rehobo bei Cobos dvidešimt tūkstančių sirų pėstininkų, iš Maako karaliaus­tūkstantį vyrų ir iš Tobo­dvylika tūkstančių vyrų.
6Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan'i Davida izy, dia naniraka nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary tamin'ny mpanjakan'i Maka, olona arivo lahy, ary tamin'ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina.
7Dovydas, tai išgirdęs, pasiuntė Joabą su visa stiprių vyrų kariuomene.
7Ary nony ren'i Davida izany, dia naniraka an'i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
8Amonitai išsirikiavo kautynėms prie vartų, o sirai iš Cobos ir Rehobo bei Tobo ir Maako vyrai sustojo atskirai atvirame lauke.
8Ary ny taranak'i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan'ny vavahady; ary ny Syriana avy any Zoba sy Rehoba sy ny olona avy tany Toba ary Maka nitokana teny an-tsaha kosa.
9Joabas, pamatęs, kad priešai išsirikiavę prieš jį iš priekio ir iš užpakalio, išrinko geriausius karius iš viso Izraelio ir išrikiavo juos prieš sirus,
9Ary rehefa hitan'i Joaba fa teo anoloany sady teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin'ireo voafantina tamin'ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin'ny Syriana.
10likusius žmones jis pavedė savo broliui Abišajui, kuris išrikiavo juos prieš amonitus.
10Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin'i Abisay rahalahiny halahany hiady amin'ny taranak'i Amona.
11Tada Joabas tarė broliui: “Jei sirai bus man per stiprūs, tu ateisi man į pagalbą, o jei amonitai bus per stiprūs tau, tai aš tau padėsiu.
11Ary hoy izy: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak'i Amona, dia hovonjeko ianao.
12Būk drąsus ir kovokime už savo tautą ir Dievo miestus! Viešpats tedaro, kaip Jam atrodo tinkama”.
12Mahereza ary, ka aoka hitombandahy isika ho an'ny firenentsika sy ny tanànan'Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
13Joabas ir su juo buvusieji žmonės pradėjo kovą prieš sirus, ir tie pabėgo nuo jo.
13Ary Joaba sy ny olona nanaraka azy nandroso hiady amin'ny Syriana; ary dia nandositra niala teo anoloany ireo.
14Amonitai, pamatę, kad sirai pabėgo, bėgo nuo Abišajo ir užsidarė mieste. Joabas pasitraukė nuo amonitų ir sugrįžo į Jeruzalę.
14Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra koa izy niala teo anoloan'i Abisay ka niditra tao an-tanàna. Ary Joaba niverina avy namely ny taranak'i Amona ka tonga tany Jerosalema.
15Sirai, pamatę, kad pralaimėjo Izraeliui, susirinko į vieną vietą.
15Ary nony hitan'ny Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nivory izy.
16Hadadezeras pasiuntė ir pasikvietė sirus, kurie gyveno anapus upės. Jie ėjo į Helamą, vedami Hadadezero kariuomenės vado Šobacho.
16Ary Hadadezera naniraka naka ny Syriana izay tany an-dafin'ny Ony; ary dia tonga tany Helama izy; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadadezera, no nitarika azy.[Eofrata]
17Kai tai buvo pranešta Dovydui, jis, surinkęs visą Izraelį, persikėlė per Jordaną ir ėjo į Helamą. Ir sirai išsirikiavo prieš Dovydą, kad susikautų su juo.
17Ary nony nambara tamin'i Davida izany, dia nampamory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i Jordana, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra ny Syriana hiady amin'i Davida, ka dia rafitra ny ady.
18Ir sirai bėgo nuo Izraelio. Dovydas sunaikino septynis šimtus sirų kovos vežimų bei keturiasdešimt tūkstančių raitelių ir ištiko kariuomenės vadą Šobachą, kuris ten mirė.
18Ary vaky nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny tao an-kalesy fiton-jato sy ny an-tsoavaly efatra alina tamin'ny Syriana Davida sady namely an'i Sobaka koa, ilay komandin'ny miaramila, ka nahafaty azy teo.Ary nony hitan'ny mpanjaka rehetra izay nanoa an'i Hadadezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'ny Isiraely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Syriana, ka tsy nety namonjy ny taranak'i Amona intsony.
19Visi karaliai, Hadadezero pavaldiniai, matydami, kad Izraelis juos nugalėjo, sudarė taiką su juo ir tarnavo jam. Nuo to laiko sirai bijodavo padėti amonitams.
19Ary nony hitan'ny mpanjaka rehetra izay nanoa an'i Hadadezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'ny Isiraely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Syriana, ka tsy nety namonjy ny taranak'i Amona intsony.