1Praėjus metams, tuo laiku, kai karaliai eina į karą, Dovydas pasiuntė Joabą su savo tarnais ir visą Izraelio kariuomenę, kurie nugalėjo amonitus ir apgulė Rabą. Bet Dovydas pasiliko Jeruzalėje.
1[Ny nanaovana fahirano an'i Raba, sy ny nakan'i Davida ny vadin'i Oria] Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin'ny andro fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia naniraka an'i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak'i Amona ireo sady nanao fahirano an'i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
2Kartą vakare Dovydas atsikėlė nuo savo lovos ir vaikščiojo ant karaliaus namų stogo. Nuo stogo jis pamatė besimaudančią moterį; moteris buvo labai graži.
2Ary nony harivariva, dia niala tao ampandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon'ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.
3Dovydas pasiuntė sužinoti, kas ji. Jam buvo pranešta, kad tai Eliamo duktė Batšeba, hetito Ūrijos žmona.
3Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin'i Eliama, sady vadin'i Oria Hetita?
4Dovydas pasiuntė savo tarnus ją atvesti. Ji atėjo pas jį, ir jis sugulė su ja, nes ji buvo apsivaliusi nuo savo nešvarumo. Ir ji sugrįžo į savo namus.
4Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin'ny halotoany, dia nody tany an-tranony.
5Moteris pastojo ir pasiuntė pas Dovydą pranešti: “Aš esu nėščia”.
5Ary nanan'anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin'i Davida hoe: Manan'anaka aho.
6Dovydas pasiuntė pasakyti Joabui, kad atsiųstų jam hetitą Ūriją. Joabas pasiuntė Ūriją pas Dovydą.
6Ary Davida naniraka tany amin'i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia nasain'i Joaba nankany amin'i Davida Oria.
7Kai Ūrija atėjo pas Dovydą, jis teiravosi, kaip sekasi Joabui, kariams ir kaip vyksta karas.
7Ary nony tonga teo amin'i Davida izy, dia nanontaniany ny toetr'i Joaba sy ny olona ary ny toetry ny ady.
8Po to Dovydas tarė Ūrijai: “Eik į savo namus ir nusiplauk kojas”. Ūrijai išėjus iš karaliaus namų, jam iš paskos nunešė karališkų valgių.
8Ary hoy Davida tamin'i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon'ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin'ny mpanjaka izy.
9Bet Ūrija nėjo namo ir atsigulė karaliaus namų prieangyje su visais savo valdovo tarnais.
9Nefa Oria nandry teo am-baravarana ny tranon'ny mpanjaka, teo amin'ny mpanompon'ny tompony rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony izy tsy akory.
10Kai Dovydui pranešė, kad Ūrija nėjo namo, Dovydas paklausė Ūrijos: “Tu atėjai iš kelionės. Kodėl neini į savo namus?”
10Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida tamin'i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midina mody any an-tranonao?
11Ūrija atsakė Dovydui: “Skrynia, Izraelis ir Judas gyvena palapinėse, o mano valdovas Joabas ir mano valdovo tarnai apsistoję atvirame lauke. Kaip aš galiu eiti į savo namus valgyti, gerti ir miegoti su savo žmona? Kaip tu gyvas ir gyva tavo siela, aš to nedarysiu!”
11Fa hoy Oria tamin'i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin'ny trano rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon'ny tompoko mitoby any an-tsaha, ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin'ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho.
12Dovydas tarė: “Pasilik dar šiandien čia, o rytoj aš tave išleisiu”. Ūrija pasiliko Jeruzalėje dar vieną dieną iki rytojaus.
12Ary hoy Davida tamin'i Oria: Mitoera ihany ary atỳ anio, fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nitoetra tany Jerosalema androtrizay sy ny ampitson'iny Oria.
13Dovydas pasikvietė jį, jis valgė ir gėrė su Dovydu, ir Dovydas jį nugirdė. Vakare Ūrija išėjo miegoti kartu su savo valdovo tarnais, tačiau į savo namus nėjo.
13Ary nasain'i Davida izy, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany, ka nomamoiny, ary nony hariva dia nivoaka izy ka nandry teo amin'ilay nandriany teo amin'ny mpanompon'ny tompony ihany, fa tsy nidina nody tany an-tranony.
14Rytą Dovydas parašė Joabui laišką ir jį pasiuntė per Ūriją.
14Ary nony maraina, Davida dia nanoratra taratasy ho any amin'i Joaba, ka nampitondrainy an'i Oria izany.
15Laiške jis rašė: “Pastatyk Ūriją į smarkiausios kovos priekį ir atsitraukite, kad jis žūtų”.
15Ary izao no soratra nataony tao amin'ny taratasy: Arosoinareo amin'ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty.
16Joabas, apgulęs miestą, pastatė Ūriją į tokią vietą, apie kurią žinojo, kad ten stovi drąsūs žmonės.
16Ary raha mbola nanao fahirano ny tanàna Joaba, dia nanendry an'i Oria ho eo amin'izay hitany misy lehilahy mahery.
17Miesto žmonės išėjo ir kovėsi su Joabu. Ir krito keletas iš tautos, iš Dovydo tarnų, ir hetitas Ūrija žuvo taip pat.
17Ary ny mponina tao an-tanàna nivoaka hiady amin'i Joaba, ka nahafatesana ny mpanompon'i Davida, ary maty koa Oria Hetita.
18Joabas pasiuntė Dovydui pranešimą apie mūšio eigą.
18Ary Joaba naniraka hilaza tsara any amin'i Davida ny toetry ny ady;
19Pasiuntiniui įsakė: “Kai pabaigsi pasakoti karaliui apie mūšį,
19ary nandidy ilay iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin'ny mpanjaka ny toetry ny ady,
20jei karalius supyks ir sakys tau: ‘Kodėl taip priartėjote prie miesto kovodami? Argi nežinojote, kad jie šaudys nuo sienų?
20ka tezitra ny mpanjaka ary manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra eo amin'ny manda izy?
21Kas užmušė Jerubešeto sūnų Abimelechą? Argi ne moteris, numetusi ant jo girnų akmenį nuo sienos taip, kad jis mirė Tebece? Kodėl priartėjote prie sienų?’ Atsakyk jam: ‘Tavo tarnas hetitas Ūrija taip pat miręs’ ”.
21Fa iza no namely an'i Abimeleka, zanak'i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin'ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.[vato amboniny]
22Pasiuntinys nuėjo ir pranešė Dovydui visa, ką Joabas buvo jam įsakęs.
22Ary nandeha ilay iraka, dia tonga tamin'i Davida ka nanambara taminy izay rehetra nanirahan'i Joaba azy.
23Ir pasiuntinys sakė Dovydui: “Vyrai įveikė mus ir išėjo prieš mus į atvirą lauką, bet mes juos nustūmėme ligi miesto vartų.
23Ary hoy ny iraka tamin'i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nivoahany tany an-tsaha izahay, ka dia nenjehinay hatreo anoloan'ny vavahady kosa izy.
24Šauliai šaudė į tavo tarnus nuo sienų, ir keletas tavo tarnų žuvo. Ir tavo tarnas hetitas Ūrija taip pat miręs”.
24Ary ny mpitifitra teo amin'ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny mpanompon'ny mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
25Tuomet Dovydas tarė pasiuntiniui: “Pasakyk Joabui dėl to nenusiminti, nes kardas ryja tai vieną, tai kitą. Tegul sustiprina miesto puolimą ir jį sugriauna. Taip jį padrąsink”.
25Dia hoy Davida tamin'ny iraka: Izao no holazainao amin'i Joaba: Aza malahelo amin'izany ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin'ny tanàna, ka ravao izy. Ary omeo toky Joaba.
26Ūrijos žmona, išgirdusi, kad jos vyras žuvo, gedėjo dėl savo vyro.
26Ary nony ren'ny vadin'i Oria fa maty ny lahy, dia nisaona azy izy.Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain'i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak'i Jehovah izany nataon'i Davida izany.
27Gedului pasibaigus, Dovydas parsivedė ją į savo namus. Ji tapo jo žmona ir pagimdė jam sūnų. Bet šis dalykas, kurį padarė Dovydas, nepatiko Viešpačiui.
27Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain'i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak'i Jehovah izany nataon'i Davida izany.