1Tuo laiku ten buvo Belialo žmogus, vardu Šeba, Bichrio sūnus, benjaminas. Sutrimitavęs jis šaukė: “Mes neturime dalies Dovyde nė Jesės sūnaus paveldėjime. Izraelitai, kiekvienas į savo palapines!”
1Ary sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, Seba no anarany, zanak'i Bikry Benjamita; ary nitsoka ny anjomara izy sady niantso hoe: Isika tsy manana anjara amin'i Davida na lova amin'ny zanak'i Jese; samia mody any amin'ny lainy avy, ry Isiraely ô.
2Visi izraelitai, atsiskyrę nuo Dovydo, sekė Bichrio sūnų Šebą, o Judo vyrai liko ištikimi Dovydui nuo Jordano iki Jeruzalės.
2Ka dia samy niara-nandao an'i Davida ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nanaraka an'i Seba, zanak'i Bikry; fa ny lehilahy amin'ny Joda no nifikitra tamin'ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema.
3Dovydas sugrįžo į Jeruzalę. Karalius dešimt savo sugulovių, kurias buvo palikęs namų saugoti, apgyvendino atskiruose namuose; jis jas išlaikė, tačiau neįėjo pas jas. Taip jos buvo uždarytos iki savo mirties ir gyveno kaip našlės.
3Ary nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema Davida mpanjaka, dia nalainy ny vaditsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao, ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Ka dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanam-bady intsony.
4Karalius įsakė Amasai per tris dienas sušaukti visus Judo vyrus ir pačiam atvykti.
4Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Amasa: Vorio ny lehilahy amin'ny Joda ho eto amiko amin'ny hateloana, ary aoka mba ho eto koa ny tenanao.
5Amasa išėjo surinkti Judo vyrų, tačiau užtruko ilgiau, negu buvo nustatyta.
5Ary dia lasa Arnasa namory ny Joda, fa nandiso ny fotoan'andro nomeny azy izy.
6Tuomet Dovydas tarė Abišajui: “Bichrio sūnus Šeba padarys mums daugiau žalos negu Abšalomas. Imk savo valdovo tarnus ir vykis jį. Kitaip jis susiras sustiprintų miestų ir paspruks nuo mūsų”.
6Ary hoy Davida tamin'i Abisay: Ankehitriny izao dia Seba, zanak'i Bikry no ahitantsika loza mihoatra noho Absaloma; koa ento ny mpanomponao ny tomponao, ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika.
7Joabo kariai, keretai, peletai ir visi karžygiai iš Jeruzalės vijosi Bichrio sūnų Šebą.
7Ary dia nivoaka hanenjika azy ny olon'i Joaba sy ny miaramila mpiambina andriana ary ny lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.[Heb. Keretita sy Peletita]
8Kai jie atėjo į Gibeoną prie didžiojo akmens, juos pasitiko Amasa. Joabas vilkėjo kario rūbais, susijuosęs diržu, ant kurio buvo pritvirtintas kardas makštyje; kardas buvo lengvai ištraukiamas.
8Fa nony tonga tao amin'ilay vato lehibe tao Gibeona izy, dia avy Amasa nitsena azy; ary ny akanjo fiadian'i Joaba, ilay niakanjoany, dia nofehezina taminy, ary teo amboniny teo am-balahany no nisy ny fehin-tsabany ambamin'ny tranony; ary nony nandeha izy, dia latsaka ny sabatra.
9Joabas klausė Amasos: “Ar tu esi sveikas, broli?” ir paėmė dešine ranka jam už barzdos, lyg norėdamas jį pabučiuoti.
9Ary hoy Joaba tamin'i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin'i Joaba tamin'ny tànany ankavanana ny somotr'i Amasa horohany.
10Amasa nepastebėjo kardo Joabo rankoje; tuo metu Joabas dūrė jam į pilvą, ir visi jo viduriai išvirto ant žemės. Antro smūgio nereikėjo, ir Amasa mirė. Joabas ir jo brolis Abišajas vijosi Bichrio sūnų Šebą.
10Fa Amasa tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tànan'i Joaba, kanjo nasiany tamin'ny kibony izy, ka dia nivaroraka tamin'ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony, fa matiny tamin'izay. Ary Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
11Vienas Joabo vyrų, pasilikęs prie Amasos, sakė: “Kas su Joabu ir už Dovydą, sekite Joabą”.
11Ary ny zatovon'i Joaba anankiray nijanona teo anilan'ny faty ka nanao hoe: Izay miandany amin'i Joaba sy Davida dia aoka hanaraka an'i Joaba.
12Amasa gulėjo kruvinas vieškelio viduryje. Tas vyras, matydamas žmones sustojant, patraukė Amasos kūną nuo vieškelio ir užmetė ant jo drabužį.
12Ary Amasa nihosin-drà teo anaty lalambe. Ary raha hitan-dralehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin'ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin'i Amasa ka nosaronany lamba, nony hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy.
13Kai jis buvo patrauktas nuo vieškelio, visi žmonės kartu su Joabu vijosi Bichrio sūnų Šebą.
13Ary nony nafindrany niala teo amin'ny lalambe izy, dia nizotra nanaraka an'i Joaba ny olona rehetra hanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
14Šeba perėjo visą Izraelį iki Abel Bet Maakos, ir visi beritai susirinkę sekė jį.
14Ary izy nandeha namaky ny firenen'Isiraely rehetra hatrany Abela sy Beti-maka sy ny an'ny Berita rehetra; ary nivory ireo, ka dia mba lasa nanaraka azy.
15Joabas su savo žmonėmis atėjo ir apgulė Abel Bet Maaką, supylė pylimą aplink ir ruošėsi griauti miesto sienas.
15Ary dia tonga izy ka nanao fahirano azy teo Abela sy Beti-maka, ary nanandratra tovon-tany tandrifin'ny tanàna izy, ka teo ivelany manolotra ny manda no nitoerany; ary ny olona izay nomba an'i Joaba dia namely nandrava ny manda.
16Viena išmintinga moteris iš miesto šaukė: “Klausykite! Klausykite! Pasakykite Joabui, kad jis prieitų ir aš galėčiau jam kai ką pasakyti”.
16Ary nisy vehivavy hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e; masìna ianareo, lazao amin'i Joaba hoe: Mankanesa erỳ aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao.
17Jam atėjus, moteris klausė: “Ar tu Joabas?” Jis atsakė: “Taip”. Ji sakė: “Paklausyk savo tarnaitės žodžių”. Jis tarė: “Klausau”.
17Ary nony efa mby tao akaiky izy, dia hoy ravehivavy: Hianao va no Joaba? Dia hoy izy: Eny, izaho no izy. Ary hoy ravehivavy taminy: Mihainoa ny teniko mpanompovavinao. Dia hoy izy: Mihaino aho izao.
18Ji kalbėjo: “Seniau sakydavo: ‘Tepasiklausia Abelyje’. Ir taip išspręsdavo bylą.
18Ary hoy ravehivavy: Izao no fitenin'ny olona taloha: Aoka hanadina ao Abela izy; koa araka izany ny nahavitany raharaha.
19Mes esame taikingi ir ištikimi Izraeliui. Tu sieki sunaikinti miestą, kuris yra motina Izraeliui. Kodėl nori praryti Viešpaties paveldėjimą?”
19Izaho dia isan'ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin'ny Isiraely; fa ianao kosa mitady handrava renivohitra eto amin'ny. Isiraely, koa ahoana no hamongoranao ny lovan'i Jehovah?
20Joabas atsakė: “Tebūna tai toli nuo manęs, kad aš praryčiau ar sugriaučiau.
20Ary Joaba namaly hoe: Sanatria dia sanatria amiko izay handripaka sy handringana.
21Čia ne toks reikalas! Vienas vyras iš Efraimo kalnų, vardu Šeba, Bichrio sūnus, pakėlė ranką prieš karalių Dovydą. Atiduokite jį, ir aš atsitrauksiu nuo miesto”. Moteris atsakė Joabui: “Jo galvą tau numes per sieną”.
21Tsy izany tsy akory; fa misy lehilahy avy amin'ny tany havoan'i Efraima, Seba no anarany, zanak'i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin'i Davida mpanjaka; koa izy ihany no atolory ahy, dia hiala amin'ny tanàna aho. Ary hoy ravehivavy tamin'i Joaba: Indro, ny lohany atsipy eny aminao eny ankoatry ny manda.
22Ta moteris ėjo pas žmones ir kalbėjo jiems išmintingai. Jie nukirto Bichrio sūnui Šebai galvą ir ją numetė Joabui. Tuomet Joabas trimitavo, jie atsitraukė nuo miesto, ir kiekvienas nuėjo į savo palapines. O Joabas sugrįžo į Jeruzalę pas karalių.
22Dia lasa nanatona ny olona rehetra tamin'ny fahendreny ravehivavy. Dia notapahin'ireo ny lohan'i Seba, zanak'i Bikry, ka natsipiny teny amin'i Joaba. Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niala tamin'ny tanàna ny olona samy ho any amin'ny lainy avy. Ary Joaba niverina nankany Jerosalema ho any amin'ny mpanjaka.
23Joabas buvo visos Izraelio kariuomenės vadas, Jehojados sūnus Benajas buvo keretų bei peletų viršininkas,
23[Ny mpanao raharaham-panjakan'i Davida] Ary Joaba no komandin'ny miaramila rehetra tamin'ny Isiraely; ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; [Heb. Keretita sy Peletita]
24Adoramas buvo mokesčių rinkėjas, Ahiludo sūnus Juozapatas buvo metraštininkas,
24ary Adorama no komandin'ny mpanao fanompoana; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
25Ševa buvo raštininkas, Cadokas bei Abjataraskunigai,
25ary Seva no mpanoratra; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;ary Ira Jairita kosa no mpanolo-tsaina an'i Davida.[Na: mpisorona]
26o Ira, jajiritas, buvo vyriausiasis Dovydo valdytojas.
26ary Ira Jairita kosa no mpanolo-tsaina an'i Davida.[Na: mpisorona]