1Dovydo dienomis buvo badas trejus metus iš eilės. Dovydas klausė Viešpaties, ir Viešpats atsakė: “Tai dėl Sauliaus ir jo kraugeriškų namų, nes jis išžudė gibeoniečius”.
1[Ny amin'ny mosary naharitra telo taona] Ary nisy mosary telo taona misesy tamin'ny andron'i Davida, ary Davida nanontany tamin'i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin'ny taranak'i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.[Heb. nitady ny tavan']
2Gibeoniečiai buvo ne izraelitų kilmės, bet iš amoritų likučio. Izraelitai buvo jiems prisiekę jų neišnaikinti, tačiau Saulius iš savo uolumo dėl Izraelio ir Judo siekė juos išžudyti.
2Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan'ny Zanak'Isiraely, fa sisa tamin'ny Amorita, ary ny Zanak'Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin'ny firehetan'ny fitiavany ny Zanak'Isiraely sy ny Joda),
3Dovydas klausė gibeoniečių: “Ką aš galėčiau jums padaryti ir kaip sutaikinti jus, kad jūs palaimintumėte Viešpaties paveldėjimą?”
3ary hoy Davida tamin'ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin'inona no hanaovako fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan'i Jehovah?
4Gibeoniečiai jam atsakė: “Mes nereikalaujame nei sidabro, nei aukso iš Sauliaus ir jo namų ir dėl mūsų nieko nežudyk Izraelyje”. Dovydas sakė: “Kaip jūs pasakysite, taip padarysiu dėl jūsų”.
4Dia hoy ny Gibeonita taminy: Izahay tsy mahazo mandray volafotsy na volamena amin'i Saoly na amin'ny taranany sady tsy mahazo mamono olona amin'ny Isiraely Ary hoy izy: Koa ahoana ary no tianareo hataoko ho anareo?
5Jie atsakė karaliui: “Tas žmogus, kuris mus žudė ir siekė visus išnaikinti Izraelio krašte,
5Dia hoy izy ireo tamin'ny mpanjaka: Ny lehilahy izay nandringana anay sy nikasa hamely anay ho ringana tsy hitoetra amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra
6tegul duoda mums septynis vyrus iš jo sūnų, kuriuos mes pakarsime Sauliaus Gibėjoje, Viešpaties akivaizdoje”. Karalius atsakė: “Aš duosiu juos”.
6no avelao hisy fito lahy amin'ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an'i Jehovah ao Gibean'i Saoly, ilay voafidin'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy.
7Tačiau karalius gailėjo Mefi Bošeto, sūnaus Jehonatano, sūnaus Sauliaus, dėl Viešpaties priesaikos, kuri saistė Dovydą su Jehonatanu.
7Fa ny mpanjaka niaro an'i Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, noho ny fianianana tamin'i Jehovah nataon'i Davida sy Jonatana, zanak'i Saoly.
8Karalius ėmė abu Ajos dukters Ricpos ir Sauliaus sūnus Armonį ir Mefi Bošetą ir penkis Sauliaus dukters Mikalės ir meholiečio Barzilajaus sūnaus Adrielio sūnus
8Ary ny mpanjaka naka azy roa lahy, zanak'i Rizpa, zanakavavin'i Aia, izay naterany tamin'i Saoly, dia Armony sy Mefiboseta, ary ny dimy lahy zanak'i Mikala, zanakavavin'i Saoly, izay naterany tamin'i Adriela, zanak'i Barzilay Meholatita,[Na: (Meraba); izahao 1 Sam.xviii.19]
9ir juos atidavė gibeoniečiams. Jie juos pakorė ant kalvos Viešpaties akivaizdoje. Taip tie septyni mirė kartu. Jie buvo nužudyti pirmosiomis pjūties dienomis, pradėjus pjauti miežius.
9dia natolony teo an-tànan'ny Gibeonita ireo ka nahanton'ireo teo amin'ny havoana teo anatrehan'i Jehovah; ary niara-maty izy fitolahy, samy novonoiny tamin'ny niandohan'ny fararano tamin'ny voalohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea izy.
10Ajos duktė Ricpa pasitiesė ašutinę ant uolos pjūties pradžioje ir buvo, kol pradėjo lyti. Ji sėdėjo ir neleido padangių paukščiams nutūpti ant jų dieną nė laukiniams žvėrims prieiti naktį.
10Ary Rizpa, zanakavavin'i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin'ny vatolampy iny hitoerany hatramin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin'ny faty, ka tsy navelany hipetrahan'ny voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina.
11Kai Dovydui pranešė, ką padarė Ajos duktė Ricpa, Sauliaus sugulovė,
11Ary nambara tamin'i Davida izay nataon'i Rizpa, zanakavavin'i Aia, vaditsindranon'i Saoly.
12Dovydas nuėjęs paėmė iš Jabeš Gileado gyventojų Sauliaus ir jo sūnaus Jehonatano kaulus. Jie jų kūnus buvo pavogę iš Bet Šano, kur filistinai juos buvo pakorę tą dieną, kai jie nukovė Saulių Gilbojoje.
12Dia lasa Davida naka ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany tany amin'ny mponina tao Jabesi-gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana any Beti-sana, ilay nanantonan'ny Filistina azy tamin'ny andro namonoan'ny Filistina an'i Saoly tao Gilboa.
13Iš ten Dovydas atgabeno Sauliaus ir jo sūnaus Jehonatano kaulus; be to, jie surinko ir pakartųjų kaulus.
13Ary dia nentiny niakatra avy tany ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany, ary nangoniny koa ny taolan'ireo voahantona ireo.
14Ir jie palaidojo Sauliaus ir jo sūnaus Jehonatano kaulus Celoje, Benjamino krašte, jo tėvo Kišo kape. Jie įvykdė visa, ką karalius įsakė. Po to Dievas išklausė maldą dėl krašto.
14Ary ny taolan'i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin'ny olona tao amin'ny tanin'ny Benjamina tao Zela, tao amin'ny fasan'i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian'ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken'Andriamanitra ny fifonana natao ho an'ny tany.
15Kilo karas tarp filistinų ir Izraelio. Dovydas ir jo vyrai išėjo kariauti su filistinais. Ir Dovydas pavargo.
15[Ny herim-pon'ny mpiadin'i Davida raha niady tamin'ny Filistina] Ary niady indray ny Filistina sy ny Isiraely; ary Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy dia nidina ka niady tamin'ny Filistina, ary reraka Davida.
16Išbi Benobas, milžinų palikuonis, kurio ietis svėrė tris šimtus šekelių vario, dėvėjo naujus šarvus ir norėjo nukauti Dovydą.
16Ary Jisbibenoba, izay isan'ny taranaky ny Refaita (ny lanjan'ny lefony dia varahina telon-jato sekely), dia nitondra fiadiana vaovao ka nikasa hahafaty an'i Davida.
17Bet į pagalbą atėjo Cerujos sūnus Abišajas ir nukovė filistiną. Tuomet Dovydo vyrai prisiekė: “Tu nebeisi su mumis į karą, kad neužgestų Izraelio žiburys”.
17Fa Abisay, zanak'i Zeroia, nanampy azy, dia namely ilay Filistina ka nahafaty azy. Ary tamin'izay ny olon'i Davida dia nianiana taminy ka nanao hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay intsony ho amin'ny ady ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan'ny Isiraely.
18Po to vėl kilo karas su filistinais. Prie Gobo hušatitas Sibechajas nukovė milžinų palikuonį Safą.
18Ary nony afaka izany, dia nisy ady indray amin'ny Filistina teo Goba, ary Sibeka Hosatita nahafaty an'i Safa, izay isan'ny taranaky ny Refaita.
19Vėl kilus karui su filistinais prie Gobo, Jaare Oregimo sūnus Elhananas iš Betliejaus nukovė gatietį, Galijoto brolį, kurio ieties kotas buvo kaip audėjo staklių riestuvas.
19Ary nisy ady indray koa tamin'ny Filistina teo Goba, ary Elanana, zanak'i Jare-oregima Betlehemita, namono an'i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.[Na: ny rahalahin'i Goliata; izahao 1 Tan. xx.5]
20Kartą mūšyje prie Gato dalyvavo aukšto ūgio vyras, kurio rankos ir kojos turėjo po šešis pirštus, iš viso dvidešimt keturis; jis irgi buvo kilęs iš milžinų.
20Ary nisy ady koa tao Gata, ary nisy lehilahy vaventy, izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, ary izy koa dia mba teraky ny Refaita.
21Jam keikiant Izraelį, jį nukovė Jehonatanas, Dovydo brolio Šimos sūnus.
21Ary izy nihaika ny Isiraely, ka matin'i Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida.Ireo efatra ireo no teraky ny Refaita teo Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony avokoa ireo.
22Šitie keturi buvo Gato milžinų palikuonys; juos nukovė Dovydas ir jo tarnai.
22Ireo efatra ireo no teraky ny Refaita teo Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony avokoa ireo.