1“Šitie yra įsakymai, nuostatai ir paliepimai, kurių Viešpats, jūsų Dievas, įsakė jus mokyti, kad juos vykdytumėte žemėje, kurią užimsite;
1[Ny amin'ny fitiavana an'Andriamanitra] Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain'i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin'ny tany izay alehanareo holovana,
2kad jūs, jūsų vaikai ir vaikaičiai per visas savo dienas bijotumėte Viešpaties, savo Dievo, ir laikytumėtės visų Jo paliepimų bei įsakymų, kuriuos jums skelbiu, ir ilgai gyventumėte.
2mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
3Klausyk, Izraeli, ir rūpestingai vykdyk, ką Viešpats įsako; tuomet tau gerai seksis ir tu labai išsiplėsi, kaip Viešpats, tavo tėvų Dievas, pažadėjo tau, pienu ir medumi plūstančioje šalyje.
3Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely.
4Klausyk, Izraeli! Viešpats, mūsų Dievas, yra vienintelis Dievas!
4Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.
5Mylėk Viešpatį, savo Dievą, visa širdimi, visa siela ir visomis jėgomis.
5Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
6Šitie žodžiai, kuriuos tau šiandien skelbiu, tepasilieka tavo širdyje;
6Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.
7mokyk jų savo vaikus ir apie juos kalbėk, sėdėdamas savo namuose, būdamas kelionėje, guldamas ir atsikeldamas.
7Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha;
8Prisitvirtink juos kaip ženklą prie savo rankos ir prie kaktos;
8ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao,
9užrašyk juos ant durų staktų ir savo kiemo vartų.
9ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao.
10Kai Viešpats, tavo Dievas, įves tave į žemę, kurią pažadėjo tavo tėvams, Abraomui, Izaokui ir Jokūbui, tu gausi didelius ir gerus miestus, kurių nestatei,
10Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao,
11namus pilnus visokių gėrybių, kurių nekaupei, šulinius, kurių nekasei, vynuogynus ir alyvmedžių sodus, kurių nesodinai. Kai tu valgysi ir pasisotinsi,
11sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin'ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary mihinana ianao ka voky,
12saugokis, kad nepamirštum Viešpaties, kuris tave išvedė iš Egipto žemės, iš vergijos namų.
12dia mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
13Bijok Viešpaties, savo Dievo, Jam vienam tarnauk ir Jo vardu prisiek.
13Matahora an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.
14Negarbink dievų svetimų tautų, kurios gyvena aplink jus,
14Aza manaraka izay andriamani-kafa amin'ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo,
15nes Viešpats, tavo Dievas, kuris yra tarp jūsų, yra pavydus Dievas; kad Viešpaties, tavo Dievo, pyktis neužsidegtų prieš tave ir Jis neišnaikintų tavęs nuo žemės paviršiaus.
15fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao.
16Negundykite Viešpaties, savo Dievo, kaip gundėte Jį Masoje.
16Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa.
17Uoliai vykdykite Viešpaties, savo Dievo, įsakymus, paliepimus ir įstatymus, kuriuos Jis tau davė.
17Tandremo tsara ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao.
18Daryk tai, kas gera ir teisinga Viešpaties akivaizdoje, kad tau gerai sektųsi ir užėmęs paveldėtum gerąją žemę, apie kurią Viešpats prisiekė tavo tėvams,
18Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason'i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena azy,
19kad išvarys visus tavo priešus iš tavo akivaizdos, kaip Viešpats kalbėjo.
19ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain'i Jehovah.
20Kai tavo sūnus ateityje klaus: ‘Ką reiškia Viešpaties, mūsų Dievo, duoti paliepimai, įstatymai ir įsakymai?’,
20Ary raha manontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika anareo?
21jam atsakyk: ‘Buvome Egipte faraono vergai; Viešpats mus išvedė iš Egipto galinga ranka.
21Dia holazainao aminy hoe: Andevon'i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
22Jis darė Egipte mūsų akyse didelius ir baisius ženklus bei stebuklus prieš faraoną ir visus jo namus.
22Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin'ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika.
23Jis mus iš ten išvedė, kad nuvestų į kraštą, kurį pažadėjo mūsų tėvams.
23Ary nitondra antsika nivoaka avy tany Izy hampidirany antsika mba homeny antsika ny tany izay nianianany tamin'ny razantsika homena azy.
24Viešpats mums įsakė vykdyti šituos įstatymus ir bijoti Viešpaties, mūsų Dievo, kad mums visuomet gerai sektųsi ir kad Jis saugotų mūsų gyvybę, kaip tai yra šiandien.
24Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao.Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.
25Tai bus mūsų teisumas, jei laikysime ir vykdysime visus šiuos įsakymus Viešpaties, savo Dievo, akivaizdoje, kaip Jis mums įsakė’ ”.
25Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.