1“Kai Viešpats, tavo Dievas, nuves tave į žemę, kurią paveldėsi, ir išvys septynias tautas: hetitų, girgašų, amoritų, kanaaniečių, perizų, hivų ir jebusiečių, gausingesnes ir stipresnes už tave,
1[Ny amin'ny handringanana ny Kananita] Rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao.
2kai Viešpats, tavo Dievas, atiduos jas tau, išnaikink jas. Nedaryk su jomis sutarčių ir jų nesigailėk.
2ary rehefa voatolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy;
3Nesigiminiuok su jomis vedybomis. Savo dukters neduok jų sūnui nei jų dukters neimk savo sūnui,
3ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin'ny zananilahy, ary ny zananivavy tsy halainao ho vadin'ny zanakao-lahy.
4nes jos nukreips tavo sūnų nuo manęs tarnauti svetimiems dievams. Viešpaties rūstybė tada užsidegs prieš jus, ir Jis sunaikins tave.
4Fa hampiala ny zanakao-lahy amin'ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ka handrifigana anao vetivety Izy.
5Taigi štai ką jiems darykite: jų aukurus sugriaukite, sudaužykite stabus, iškirskite giraites ir sudeginkite drožinius.
5Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra hodoranao amin'ny afo.
6Tu esi Viešpačiui, tavo Dievui, pašvęsta tauta. Viešpats, tavo Dievas, tave išsirinko, kad būtum Jam ypatinga tauta virš visų tautų, esančių žemėje.
6Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin'i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
7Viešpats jus pamilo ir pasirinko ne dėl to, kad buvote gausesnė tauta už kitas tautas, nes jūsų tauta mažesnė už kitas tautas,
7Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza;
8bet dėl to, kad Viešpats jus pamilo ir kad ištesėtų jūsų tėvams duotą priesaiką, Jis išvedė jus galinga ranka iš faraono, Egipto karaliaus, vergijos.
8fa ny nitiavan'i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin'ny razanareo no nitondran'i Jehovah anareo tamin'ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin'ny trano nahandevozana dia tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta.
9Žinok, kad Viešpats, tavo Dievas, yra ištikimas Dievas, kuris laikosi sandoros ir yra gailestingas Jį mylintiems bei Jo įsakymus vykdantiems per tūkstančius kartų.
9Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby,
10Ir Jis atlygina tiems, kurie Jo nekenčia, juos sunaikindamas. Jis nedels, kad atlygintų tam, kuris Jo nekenčia.
10ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin'ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin'izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary.
11Laikykis Jo įsakymų, įstatymų ir paliepimų, kuriuos tau šiandien įsakau vykdyti,
11Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy.
12tuomet ir Viešpats, tavo Dievas, laikysis sandoros, kurią padarė su tavo tėvais, ir bus tau gailestingas.
12Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin'i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindram-po, izay nianianany tamin'ny razanao;
13Jis mylės tave, laimins tave ir padaugins tave; Jis palaimins tavo įsčios vaisių, ir tavo žemės vaisius: javus, vynuoges, aliejų, galvijus ir avis toje žemėje, kurią pažadėjo tavo tėvams.
13dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao any amin'ny tany izay nianianany tamin'ny razanao homena anao.
14Jūs būsite labiausiai palaiminti iš visų tautų, ir nebus nevaisingų tarp jūsų ir tarp jūsų galvijų.
14Hotahina ianao mihoatra noho ny firenena rehetra; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na ianareo na ny biby fiompinareo.
15Viešpats pašalins visas tavo negalias ir neužleis baisių Egipto ligų, kurias matei; jas siųs tiems, kurie tavęs nekenčia.
15Ary harovan'i Jehovah tsy ho azon'aretina ianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin'i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin'izay rehetra mankahala anao kosa ireny.
16Išnaikink visas tautas, kurias Viešpats, tavo Dievas, tau atiduos. Nesigailėk jų, netarnauk jų dievams, kad jie netaptų tau spąstais.
16Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.
17Nesakyk savo širdyje: ‘Šitos tautos gausesnės už mus, kaip mes jas nugalėsime?’
17Raha ianao hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, ka hataoko ahoana no fahay mandroaka azy?
18Nebijok jų, bet atsimink, ką Viešpats, tavo Dievas, padarė faraonui ir visiems egiptiečiams;
18dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao tamin'i Farao sy ny Egyptiana rehetra,
19tuos didžius išbandymus, kuriuos tavo akys matė, ženklus, stebuklus ir ištiestą galingą ranką, kuria Viešpats, tavo Dievas, tave išvedė. Taip Viešpats, tavo Dievas, padarys visiems, kurių tu bijai.
19dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny firenena rehetra izay atahoranao.
20Jis siųs jiems širšių, kol išnaikins visus tuos, kurie nuo tavęs pabėgs ir pasislėps.
20Ary ny fanenitra koa dia hampandehanin'i Jehovah Andriamanitrao ho eo aminy mandra-paharingan'izay sisa sy izay efa niery ka tsy hitanao.
21Nebijokite jų, nes Viešpats, jūsų Dievas, yra tarp jūsųDievas, didis ir baisus.
21Aza matahotra azy ianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.
22Jis išvys šitas tautas iš tavo akivaizdos vieną po kitos. Tu negalėsi jų sunaikinti iš karto, kad neatsirastų daug laukinių žvėrių prieš tave.
22Ary horoahin'i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy faingana ianao, fandrao hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao.
23Viešpats, tavo Dievas, atiduos jas tau, naikindamas jas, kol jų nebeliks.
23Fa hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-pahalany ritrany.
24Į tavo rankas Jis atiduos jų karalius, ir tu išnaikinsi jų vardus. Nė vienas tau negalės pasipriešinti, kol juos sunaikinsi.
24Dia hatolony eo an-tananao koa ny mpanjakany, ka ho foananao tsy ho re intsony atỳ ambanin'ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny.
25Jų dievų drožinius sudegink, neimk iš jų sidabro ir aukso, kad nepatektum į spąstus. Tai yra pasibjaurėjimas Viešpačiui, tavo Dievui.
25Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin'ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izany.Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.
26Neįsinešk į savo namus jokio pasibjaurėjimo, kad nebūtum prakeiktas, kaip jis. Bjaurėkis juo ir šalinkis nuo jo, nes tai prakeikta”.
26Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.