Lithuanian

Malagasy

Exodus

1

1Šitie yra vardai Izraelio sūnų, kurie atėjo į Egiptą kartu su Jokūbu, kiekvienas su savo šeimomis:
1[Ny nitomboan'ny Zanak'Isiraely, sy ny fahoriana nanjo azy tany Egypta] Ary izao no anaran'ny zanak'Isiraely izay niaraka tamin'i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin'ny ankohonany avy izy rehetra:
2Rubenas, Simeonas, Levis, Judas,
2Robena sy Simeona sy Levy ary Joda;
3Isacharas, Zabulonas, Benjaminas,
3Isakara sy Zebolona ary Benjamina;
4Danas, Neftalis, Gadas ir Ašeras.
4Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera.
5Iš Jokūbo kilusių buvo septyniasdešimt sielų. Juozapas jau buvo Egipte.
5Ary ny isan'ny olona rehetra naterak'i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo.
6Ir numirė Juozapas, visi jo broliai ir visa ta karta.
6Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin'izany taranaka rehetra izany.
7Izraelitai buvo vaisingi, labai pagausėjo, išsiplėtė ir tapo galingi; jie pripildė visą kraštą.
7Ary ny Zanak'Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany.
8Egiptą pradėjo valdyti naujas karalius, kuris nieko nežinojo apie Juozapą.
8Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.
9Jis kalbėjo savo tautai: “Žiūrėkite, izraelitų tauta yra gausesnė ir galingesnė už mus.
9Ary izy niteny tamin'ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen'ny Zanak'Isiraely efa maro sy mahery noho isika;
10Pasielkime išmintingai su jais, kad jie nebesiplėstų. Jei kiltų karas, kad jie neprisijungtų prie mūsų priešų, nekariautų prieš mus ir nepasitrauktų iš šalies”.
10andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin'ny tany.
11Egiptiečiai paskyrė jiems prižiūrėtojus, kad juos prislėgtų sunkiais darbais. Jie pastatė faraonui sandėlių miestus Pitomą ir Ramzį.
11Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin'ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an'i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
12Bet kuo labiau egiptiečiai spaudė juos, tuo labiau jie gausėjo ir plito taip, kad egiptiečiai pradėjo bijoti izraelitų.
12Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak'Isiraely indrindra ny Egyptiana.
13Egiptiečiai vertė izraelitus tarnauti be gailesčio,
13Dia nampanompoin'ny Egyptiana fatratra ny Zanak'Isiraely,
14apkartino jų gyvenimą sunkia vergyste prie molio, plytų bei visokių ūkio darbų ir juos negailestingai spaudė.
14ka nataony mangidy ny fiainany tamin'ny fanompoana mafy, dia tamin'ny feta sy ny biriky mbamin'ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.
15Egipto karalius įsakė hebrajų pribuvėjoms, kurių viena vadinosi Šifra ir kita­Pūva:
15Ary ny mpanjakan'i Egypta niteny tamin'ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran'ny anankiray, ary Poa no anaran'ny anankiray)
16“Pašauktos prie hebrajų moterų gimdymo, žiūrėkite, kas gims: jei sūnus, nužudykite jį, bet jei duktė­tegyvena!”
16ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin'ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.
17Tačiau pribuvėjos bijojo Dievo ir nevykdė Egipto karaliaus įsakymo, bet palikdavo berniukus gyvus.
17Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.
18Egipto karalius, tai sužinojęs, pasišaukė pribuvėjas ir joms tarė: “Kodėl jūs nevykdote įsakymo ir paliekate berniukus gyvus?”
18Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan'i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy?
19Pribuvėjos atsakė faraonui: “Hebrajų moterys ne tokios kaip egiptietės, jos stiprios ir pagimdo prieš pribuvėjai ateinant”.
19Fa hoy ny mpampivelona tamin'i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.
20Todėl Dievas darė gera pribuvėjoms. Tauta gausėjo ir pasidarė labai galinga.
20Dia nasian'Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.
21Kadangi pribuvėjos bijojo Dievo, Jis suteikė joms palikuonių.
21Ary tamin'izany, satria natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen'Andriamanitra zanaka izy.Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an'i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.
22Faraonas įsakė visai tautai: “Kiekvieną berniuką, gimusį hebrajams, meskite į upę, o mergaites palikite gyvas!”
22Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an'i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.