Lithuanian

Malagasy

Genesis

50

1Juozapas puolė prie savo mirusio tėvo, verkė ir jį bučiavo.
1Ary Josefa nihohoka tamin'ny tavan'ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.
2Jis paliepė savo tarnams gydytojams išbalzamuoti tėvą. Ir gydytojai išbalzamavo Izraelį.
2Ary nasain'i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an'Isiraely ny mpanao fanafody.
3Praėjo keturiasdešimt dienų, nes tiek laiko užtrunka balzamavimas. Egiptiečiai jį apraudojo septyniasdešimt dienų.
3Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan'ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.
4Pasibaigus apraudojimo laikui, Juozapas kalbėjo faraono namiškiams: “Jeigu radau jūsų akyse malonę, pasakykite faraonui,
4Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin'ny tao an-tranon'i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo, lazao amin'i Farao, ka ataovy hoe:
5kad mano tėvas mane prisaikdino palaidoti jį jo kape, kurį jis išsikasė Kanaano žemėje. Teišleidžia mane eiti ir palaidoti savo tėvą, o po to sugrįšiu”.
5Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin'ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin'ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina atỳ indray.
6Faraonas atsakė: “Eik ir palaidok savo tėvą, kaip esi prisaikdintas”.
6Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao.
7Juozapas išėjo laidoti savo tėvo; su juo keliavo visi faraono tarnai, jo namų prievaizdai, visi Egipto šalies vyresnieji,
7Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon'i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin'ny tany Egypta,
8visi Juozapo namiškiai, jo broliai ir visi jo tėvo namiškiai. Tik jų vaikai, avys ir galvijai liko Gošeno krašte.
8ary ny ankohonan'i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman'osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin'ny tany Gosena.
9Be to, su juo traukė vežimai ir raiteliai; taip susidarė labai didelis būrys.
9Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny.
10Atėję prie Goren Haatado klojimo anapus Jordano, jie garsiai ir graudžiai raudojo; jie raudojo dėl tėvo septynias dienas.
10Ary rehefa tonga teo Goren'atada izy, izay ao an-dafin'i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.
11Tos šalies gyventojai kanaaniečiai, matydami tokias raudas prie Goren Haatado klojimo, sakė: “Tai yra didelis gedulas egiptiečiams”. Todėl tą vietą jie praminė Abelmizraimu, kuris yra anapus Jordano.
11Ary rehefa hitan'ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin'ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin'i Jordana.
12Jo sūnūs padarė taip, kaip tėvas jiems buvo įsakęs.
12Ary ny zanakalahin'i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy,
13Jie jį nugabeno į Kanaano šalį ir palaidojo Machpelos lauko oloje.Tą lauką, esantį ties Mamre, Abraomas nupirko iš hetito Efrono kapinėms.
13dia nitondra azy tany amin'ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin'ny zohy amin'ny saha Makpela, tandrifin'i Mamre, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
14Palaidojęs tėvą, Juozapas sugrįžo į Egiptą su broliais ir visais, kurie buvo nukeliavę su juo tėvo laidoti.
14Ary rehefa voalevin'i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin'izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy.
15Jokūbui mirus, Juozapo broliai bijojo ir kalbėjosi: “Galbūt Juozapas pradės neapkęsti mūsų ir atkeršys mums už visas piktadarystes, kurias jam padarėme”.
15Ary rehefa hitan'ny rahalahin'i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy.
16Jie nusiuntė jam tokią žinią: “Tavo tėvas prieš mirdamas liepė mums,
16Dia naniraka nankany amin'i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola maty,
17kad sakytume tau: ‘Atleisk savo broliams jų nusikaltimą ir nuodėmę, nes jie piktai su tavimi pasielgė!’ Taigi dabar prašome: atleisk tavo tėvo Dievo tarnų nusikaltimą”. Juozapas verkė girdėdamas šiuos žodžius.
17ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Josefa: Mamela re ny fahadisoan'ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan'ny mpanompon'ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo.
18Po to jie nuėjo pas jį ir, parpuolę prieš jį, sakė: “Mes esame tavo vergai!”
18Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia nianko­hoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
19Juozapas jiems atsakė: “Nebijokite! Argi aš užimu Dievo vietą?
19Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon'Andriamanitra va aho?
20Nors jūs man norėjote blogo, Dievas tai pavertė į gera, norėdamas įvykdyti, ką šiandien matome­išgelbėti daugybę žmonių.
20Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin'izao anio izao, hamelona olona betsaka.
21Todėl dabar nebijokite! Aš maitinsiu jus ir jūsų vaikus”. Taip jis guodė ir ramino juos.
21Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.
22Juozapas ir jo tėvo namiškiai liko gyventi Egipte. Juozapas gyveno šimtą dešimt metų.
22Ary Josefa sy ny ankohonan'ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan'i Josefa dia folo amby zato taona.
23Jis matė Efraimo vaikus iki trečios kartos. Taip pat ir Manaso sūnaus Machyro sūnūs buvo padėti Juozapui ant kelių.
23Ary hitan'i Josefa ny zafiafin'i Efraima; ny zanak'i Makira koa, zanakalahin'i Manase, dia noraisin'i Josefa ho eo am-pofoany.
24Juozapas sakė savo broliams: “Aš mirštu. Dievas tikrai aplankys jus ir išves iš šitos žemės į kraštą, kurį Jis prisiekdamas pažadėjo Abraomui, Izaokui ir Jokūbui”.
24Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.
25Po to Juozapas prisaikdino Izraelio vaikus: “Tikrai Dievas aplankys jus ir jūs išnešite iš čia mano kaulus”.
25Ary Josefa dia nampianiana ny zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo.Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin'ny vata tany Egypta.
26Juozapas mirė, sulaukęs šimto dešimties metų. Jie išbalzamavo jį ir paguldė į karstą Egipte.
26Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin'ny vata tany Egypta.