1Viešpats tarė Mozei: “Eik pas faraoną, nes Aš užkietinau jo ir jo tarnų širdis, kad padaryčiau šituos ženklus jų tarpe
1[Fahavalo: ny valala] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon'ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy;
2ir kad galėtum papasakoti savo vaikams ir vaikų vaikams, ką Aš padariau Egipte ir kokius ženklus parodžiau jų tarpe, kad žinotumėte, jog Aš esu Viešpats”.
2ary mba holazainao ho ren'ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
3Mozė ir Aaronas atėjo pas faraoną ir jam kalbėjo: “Taip sako Viešpats, hebrajų Dievas: ‘Ar ilgai dar tu nenusižeminsi prieš mane? Išleisk mano žmones, kad jie man tarnautų!
3Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
4Jei neišleisi mano tautos, rytoj užleisiu skėrius ant tavo krašto.
4Fa raha mandà ka tsy mandefa ny oloko ianao, indro, hahatonga valala amin'ny taninao rehetra Aho rahampitso;
5Jie taip apdengs šalį, kad nesimatys žemės; jie nuės išlikusį nuo krušos derlių, nugrauš kiekvieną žaliuojantį medį;
5dia handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan'ny havandra, izay navela ho anareo, ka hohaniny avokoa ny hazo rehetra izay maniry ho anareo any an-tsaha;
6jų bus pilni tavo namai, tavo tarnų namai ir visų egiptiečių namai, kaip to dar nėra matę tavo tėvai ir seneliai per visą savo amžių’ ”. Po to Mozė apsisuko ir išėjo iš faraono namų.
6dia hameno ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao rehetra ary ny tranon'ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan'ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr'izay andro niainany tetỳ ambonin'ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin'i Farao.
7Tada faraono tarnai kalbėjo savo valdovui: “Ar ilgai mes kentėsime? Išleisk tuos žmones, kad jie tarnautų Viešpačiui, savo Dievui! Ar dar nematai, kad Egiptas žūva?”
7Ary hoy ny mpanompon'i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an'i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?
8Mozė ir Aaronas buvo pašaukti pas faraoną. Jis tarė jiems: “Eikite, tarnaukite Viešpačiui, savo Dievui! Bet kas yra tie, kurie eis?”
8Dia nisy nampiverina an'i Mosesy sy Arona hankao amin'i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompo an'i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha?
9Mozė atsakė: “Eisime visi: jaunimas ir seneliai, sūnūs ir dukterys, avys ir galvijai. Mes švęsime šventę Viešpačiui”.
9Ary hoy Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman'osinay ary ny ombinay ho entinay handeha; fa hisy andro firavoravoanay ho an'i Jehovah.
10Jis atsakė jiems: “Tebūna Viešpats su jumis! Kaip galiu išleisti jus ir jūsų vaikus? Žiūrėkite, nes jūs sumanėte pikta!
10Fa hoy Farao taminy: Aoka homba anareo ihany anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin'ny zanakareo madinika aho; mitandrema, fa misy ratsy eo anoloanareo.
11Taip nebus. Eikite vieni vyrai ir aukokite Viešpačiui, nes to juk jūs ir prašėte!” Ir juos išvarė iš faraono akivaizdos.
11Tsy izany, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa an'i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan'i Farao.
12Tada Viešpats tarė Mozei: “Ištiesk savo ranką ant Egipto šalies, kad skėriai apniktų ir nugraužtų visus šalies augalus ir visa, kas dar liko nuo krušos!”
12Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ambonin'ny tany Egypta ny tananao hihavian'ny valala, dia hiakatra ho eto amin'ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin'ny tany, dia izay rehetra sisan'ny havandra.
13Mozė ištiesė lazdą. Viešpats leido rytų vėjui pūsti visą dieną ir naktį. Rytmečiui išaušus, rytų vėjas atnešė skėrius.
13Dia nahinjitr'i Mosesy tambonin'ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin'ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana.
14Skėriai nusileido visoje Egipto šalyje. Jų buvo tiek, kiek niekad nėra buvę ir jų tiek nebus ateityje.
14Ary ny valala niakatra ho amin'ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany.
15Jie taip užplūdo visą kraštą, kad apdengė visą žemę. Jie nugraužė visus augalus ir medžių vaisius, išlikusius nuo krušos, kad nieko žaliuojančio nebeliko visoje Egipto šalyje.
15Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin'ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan'ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran'ny tany Egypta rehetra, na tamin'ny hazo, na tamin'ny anana tany an-tsaha.
16Tada faraonas skubiai pasišaukė Mozę ir Aaroną ir tarė: “Nusidėjau Viešpačiui, jūsų Dievui, ir jums!
16Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.
17Prašau, atleiskite man dar kartą mano nusikaltimą ir melskite Viešpatį, savo Dievą, kad Jis pašalintų nuo manęs šitą mirtį”.
17Ary ankehitriny, masìna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja.
18Mozė išėjo iš faraono ir meldė Viešpatį.
18Dia niala teo amin'i Farao izy ka nangataka tamin'i Jehovah.
19Viešpats sukėlė labai smarkų vakarų vėją, kuris skėrius nupūtė į Raudonąją jūrą; nė vieno skėrio nebeliko visoje Egipto šalyje.
19Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin'ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran'ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
20Tačiau Viešpats užkietino faraono širdį, ir jis neišleido izraelitų.
20Nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely izy.
21Viešpats tarė Mozei: “Ištiesk savo ranką, kad tamsa apgaubtų visą Egipto šalį, tamsa, kurią galima būtų pajusti”.
21[Fahasivy: ny aizim-pito] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
22Mozė ištiesė savo ranką, ir tirščiausia tamsa tris dienas buvo visame Egipto krašte.
22Dia nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran'ny tany Egypta rehetra hateloana,
23Tris dienas žmonės negalėjo matyti vienas kito ir pajudėti iš vietos. Tačiau izraelitų namuose buvo šviesu.
23koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin'izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak'Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin'ny fonenany.
24Tada faraonas, pasišaukęs Mozę, tarė: “Eikite, tarnaukite Viešpačiui! Tik jūsų avys ir galvijai tepasilieka! O jūsų vaikai teeina su jumis!”
24Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an'i Jehovah; fa ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.
25Mozė atsakė: “Privalai mums duoti atnašas ir deginamąsias aukas, kad mes galėtume aukoti Viešpačiui, mūsų Dievui.
25Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà haterinay ho an'i Jehovah Andriamanitray;
26Mūsų visi gyvuliai eis su mumis; nepaliksime nė kanopos. Nes iš jų privalome imti auką Viešpačiui, savo Dievui. Mes net nežinome, ko mums reikės Viešpaties aukai, kol ten nenuėjome”.
26ary ny omby aman'ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an'i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an'i Jehovah mandra-pahatonganay any.
27Tačiau Viešpats užkietino faraono širdį, ir jis nesutiko jų išleisti.
27Ary Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy.
28Ir faraonas tarė: “Šalin nuo manęs! Saugokis! Nebepasirodyk daugiau mano akyse, nes tą dieną, kurią pasirodysi, mirsi!”
28Ary hoy Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony ianao; fa amin'izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao.Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho.
29Mozė atsakė: “Tebūna, kaip pasakei! Daugiau nebepasirodysiu”.
29Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho.