Lithuanian

Malagasy

Exodus

9

1Viešpats sakė Mozei: “Eik pas faraoną ir jam sakyk: ‘Taip sako Viešpats, hebrajų Dievas: ‘Išleisk mano žmones, kad jie man tarnautų!
1[Fahadimy: ny aretina tamin'ny biby] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
2Jei jų neišleisi ir nepaliausi jų laikęs,
2Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, fa mbola mihazona azy ihany,
3Viešpaties ranka bus ant tavo lauke besiganančių gyvulių: arklių, asilų, kupranugarių, avių ir galvijų­bus labai sunkus maras.
3dia, indro, ny tànan'i Jehovah ho amin'ny bibinao izay any an-tsaha, dia amin'ny soavaly sy amin'ny boriky sy amin'ny rameva sy amin'ny omby ary amin'ny ondry aman'osy, ka hisy areti-mandringana mafy indrindra.
4Viešpats atskirs izraelitų ir egiptiečių gyvulius; niekas nežus, kas priklauso izraelitams’ ”.
4Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin'ny Isiraely amin'ny bibin'ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an'ny Zanak'Isiraely na dia iray aza.
5Ir Viešpats paskyrė laiką, sakydamas: “Rytoj Viešpats įvykdys šitą dalyką krašte!”
5Dia nanendry fotoan'andro Jehovah ka nanao hoe: Rahampitso no hanaovan'i Jehovah izany zavatra izany eto amin'ny tany.
6Kitą rytą Viešpats įvykdė tai: visi egiptiečių gyvuliai nugaišo, bet iš izraelitų gyvulių nepražuvo nė vienas.
6Ary nony ampitso dia nataon'i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin'ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin'ny Zanak'Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza.
7Faraonas pasiuntė pasižiūrėti. Pasirodė, kad izraelitų gyvulių nė vienas nebuvo nugaišęs. Tačiau faraono širdis liko kieta ir jis neišleido tautos.
7Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin'ny Zanak'Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.
8Tada Viešpats tarė Mozei ir Aaronui: “Imkite pilnas saujas pelenų iš krosnies ir Mozė teberia juos į orą faraono akivaizdoje.
8[Fahenina: ny vay] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin'ny tananao ao amin'ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin'i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason'i Farao izany.
9Jie taps dulkėmis visoje Egipto šalyje, ir ant žmonių bei gyvulių iškils votys su pūslėmis”.
9Dia hitora-jofo eran'ny tany Egypta rehetra izany ka ho tonga vay mipoipoitra amin'ny olona sy amin'ny biby fiompy eran'ny tany Egypta rehetra.
10Jie pasiėmė pelenų iš krosnies ir, atsistoję prieš faraoną, išbėrė juos į orą. Ir atsirado votys ant žmonių ir gyvulių.
10Dia naka lavenona tamin'ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan'i Farao; dia natopin'i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin'ny olona sy tamin'ny biby fiompy.
11Žyniai negalėjo pasirodyti Mozei, nes votys buvo ant jų ir visų egiptiečių.
11Ary ny ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan'i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin'ny Egyptiana rehetra.
12Tačiau Viešpats užkietino faraono širdį, ir jis neklausė jų, kaip Viešpats ir buvo sakęs Mozei.
12Nefa Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy.
13Tada Viešpats tarė Mozei: “Atsikelk anksti rytą, nueik pas faraoną ir sakyk: ‘Taip sako Viešpats, hebrajų Dievas: ‘Išleisk mano tautą man tarnauti.
13[Fahafito: ny havandra] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy
14Nes šį kartą Aš siųsiu įvairias negalias ir vargus tau, tavo tarnams ir tavo žmonėms, kad žinotum, jog nėra man lygaus visoje žemėje.
14Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin'ny tany rehetra.
15Aš galėjau ištiesti savo ranką ir ištikti tave ir tavo tautą maru, kad būtumėte visi pranykę nuo žemės paviršiaus.
15Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao amin'ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin'ny tany ianao.
16Bet Aš tam išaukštinau tave, kad parodyčiau savo galią ir mano vardas būtų skelbiamas visoje žemėje.
16Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin'ny tany rehetra ny anarako.
17Tu vis dar didžiuojiesi prieš mano tautą ir neišleidi jos.
17Mbola mirehareha amin'ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy?
18Rytoj apie šitą laiką kris labai smarki kruša, kokios nėra buvę Egipte nuo jo įsikūrimo dienos.
18Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin'ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny.
19Taigi dabar siųsk žmones surinkti iš lauko gyvulius ir visa, kas tau priklauso. Visi žmonės ir gyvuliai, kurie bus lauke ir nebus parvesti namo, krušai krintant, pražus’ ”.
19Koa ankehitriny, maniraha mba hanangona faingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia hilatsahan'ny havandra ka ho faty avokoa.
20Faraono tarnai, kurie bijojo Viešpaties, sugabeno į namus savo tarnus ir gyvulius.
20Ary izay natahotra ny tenin'i Jehovah teo amin'ny mpanompon'i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano;
21O kas nekreipė dėmesio į Viešpaties žodį, paliko savo tarnus ir gyvulius lauke.
21fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin'i Jehovah kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany.
22Viešpats tarė Mozei: “Ištiesk savo ranką, kad kristų kruša visoje Egipto šalyje: ant žmonių, gyvulių ir visos laukų augmenijos”.
22Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, dia hisy havandra hilatsaka amin'ny tany Egypta rehetra, dia amin'ny olona sy amin'ny biby fiompy ary amin'ny anana rehetra any an-tsaha eran'ny tany Egypta.
23Mozė ištiesė lazdą, ir Viešpats pasiuntė perkūniją, krušą ir žaibus. Viešpats siuntė krušą į visą Egipto žemę.
23Dia nahinjitr'i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary Jehovah nanisy kotrokorana sy havandra, ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin'ny tany; ary Jehovah nandatsaka havandra tamin'ny tany Egypta.
24Kruša susimaišė su žaibais ir buvo tokia smarki, kokios Egipto šalis nebuvo mačiusi.
24Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan'ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin'ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena azy.
25Kruša išmušė Egipto šalyje visa, kas buvo lauke: žmones, gyvulius, augalus ir medžius.
25Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran'ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian'ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny.
26Tik Gošeno krašte, kur gyveno izraelitai, nebuvo krušos.
26Fa tao amin'ny tany Gosena izay nitoeran'ny Zanak'Isiraely ihany no tsy mba nisy havandra.
27Faraonas, pasišaukęs Mozę ir Aaroną, jiems kalbėjo: “Aš nusidėjau! Viešpats yra teisus, o aš ir mano tauta esame nusikaltę.
27Dia naniraka Farao nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin'izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
28Melskite Viešpatį, kad liautųsi stipri perkūnija ir kruša! Aš jus išleisiu ir daugiau nebesulaikysiu”.
28Mangataha amin'i Jehovah, fa aoka izay ny kotrokorana sy ny havandra, dia halefako tsy hitoetra eto intsony ianareo.
29Mozė jam atsakė: “Kai tik išeisiu iš miesto, pakelsiu rankas į Viešpatį. Tada perkūnija ir kruša liausis, kad žinotum, jog Viešpačiui priklauso visa žemė.
29Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin'ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako amin'i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an'i Jehovah ny tany.
30Bet aš žinau, kad nei tu, nei tavo tarnai dar nesibijote Viešpaties Dievo”.
30Kanefa fantatro fa ianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola hatahotra an'i Jehovah Andriamanitra ihany.
31Linus ir miežius kruša išmušė, nes miežiai buvo išplaukę ir linai jau žydėjo.
31Ary efa naripaka ny rongony sy ny vary hordea; fa efa niteraka ny vary hordea, ary efa namony ny rongony.
32Bet kviečių ir rugių neišmušė, nes jie vėliau pribręsta.
32Fa ny vary tritika sy ny ampemby no tsy mba naripaka, satria mbola fohy ireny.
33Mozė išėjo nuo faraono iš miesto ir iškėlė rankas į Viešpatį: perkūnija ir kruša liovėsi, lietus nustojo lijęs.
33Ary Mosesy niala teo amin'i Farao ka nankeo ivelan'ny tanàna, dia namelatra ny tànany tamin'i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin'ny tany intsony.
34Bet faraonas, matydamas, kad liovėsi lietus, kruša ir perkūnija, vėl nusidėjo ir užkietino savo širdį kartu su savo tarnais.
34Ary nony hitan'i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana, dia mbola nanota ihany indray izy; ary samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.Dia nihamafy ny fon'i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak'Isiraely izy, araka izay efa nampilazain'i Jehovah an'i Mosesy.
35Faraono širdis pasiliko užkietėjusi, ir jis neišleido Izraelio vaikų, kaip Viešpats ir buvo sakęs Mozei.
35Dia nihamafy ny fon'i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak'Isiraely izy, araka izay efa nampilazain'i Jehovah an'i Mosesy.