Lithuanian

Malagasy

Exodus

17

1Visi izraelitai keliavo toliau iš Sino dykumos sustodami, kai Viešpats įsakydavo. Jie pasistatė stovyklą Refidime. Čia jie nerado geriamo vandens
1[Ny nimonomononan'ny Zanak'Isiraely noho ny tsi-fisian-drano, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy rano avy tamin'ny vatolampy] Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron'i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin'ny olona.
2ir priekaištavo Mozei, sakydami: “Duok mums vandens atsigerti!” Mozė jiems atsakė: “Ko burnojate prieš mane? Kodėl gundote Viešpatį?”
2Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an'i Jehovah ianareo?
3Žmonės, ištroškę vandens, murmėjo prieš Mozę: “Kodėl mus išvedei iš Egipto, kad mus, mūsų vaikus ir gyvulius numarintum troškuliu?”
3Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?
4Tada Mozė šaukėsi Viešpaties: “Ką man daryti su šita tauta? Nedaug trūksta, kad jie užmuštų mane akmenimis”.
4Ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin'ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy.
5Viešpats atsakė Mozei: “Išeik prieš tautą kartu su Izraelio vyresniaisiais; laikyk rankoje lazdą, kuria sudavei į upę, ir eik.
5Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandrosoa eo alohan'ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon'ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an'i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.
6Aš stovėsiu prieš tave ant uolos Horebe. Tu suduosi lazda į uolą, iš jos ištekės vanduo ir žmonės galės atsigerti”. Mozė taip ir padarė Izraelio vyresniųjų akyse.
6Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin'ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin'ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason'ny loholon'ny Isiraely.
7Jis praminė tą vietą Masa ir Meriba dėl to, kad izraelitai priekaištavo ir gundė Viešpatį, sakydami: “Ar yra Viešpats tarp mūsų?”
7Ary ny anaran'izany tany izany dia natao­ny hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon'ny Zanak'Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an'i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia?
8Tada atėjo amalekiečiai ir kariavo su Izraeliu Refidime.
8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin'ny Isiraely tao Refidima.
9Mozė įsakė Jozuei: “Pasirink vyrų ir eik kariauti prieš amalekiečius! Rytoj aš atsistosiu ant kalvos viršūnės ir laikysiu Dievo lazdą rankoje”.
9Dia hoy Mosesy tamin'i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin'ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana aho ka hitana ny tehin'Andriamanitra etỳ an-tanako.
10Jozuė padarė, kaip jam Mozė buvo įsakęs, ir kovojo prieš amalekiečius. Mozė, Aaronas ir Hūras užlipo ant kalvos viršūnės.
10Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy, ka niady tamin'ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon'ny havoana.
11Kol Mozė laikydavo pakėlęs savo rankas, laimėdavo izraelitai; kai tik jas nuleisdavo, laimėdavo amalekiečiai.
11Ary raha nasandratr'i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.
12Mozės rankos pavargo; jie tad paėmė akmenį, ir jis atsisėdo ant jo. Aaronas ir Hūras laikė jo rankas, vienas iš vienos, kitas iš kitos pusės; taip jo rankos buvo pakeltos iki saulės nusileidimo.
12Fa efa vizana ny tanan'i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin'i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin'ny anila, ary ny iray kosa tamin'ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin'ny masoandro.
13Tuo būdu Jozuė nugalėjo Amaleką ir jo tautą savo kardu.
13Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin'ny lelan-tsabatra.
14Viešpats liepė Mozei: “Įrašyk tai į knygą atminimui ir perskaityk Jozuei girdint, kad Aš išnaikinsiu atminimą apie amalekiečius iš po dangaus”.
14Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty eo amin'ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin'i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin'ny lanitra.
15Mozė pastatė aukurą ir jį pavadino “Viešpats yra mano vėliava”.
15Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin'i Jehovah amin'ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin'izay taranany fara mandimby.
16Nes jis sakė: “Viešpats prisiekė ir Jis kariaus prieš amalekiečius per kartų kartas”.
16Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin'i Jehovah amin'ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin'izay taranany fara mandimby.