Lithuanian

Malagasy

Exodus

18

1Jetras, Midjano kunigas, Mozės uošvis, išgirdo visa, ką Dievas padarė Mozei ir savo tautai Izraeliui, ir kad Viešpats išvedė Izraelį iš Egipto.
1[Ny namangian'i Jetro an'i Mosesy, sy ny hevitra natorony azy] Ary efa ren'i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan'i Mosesy, izay rehetra nataon'Andriamanitra ho an'i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran'i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta.
2Tai sužinojęs, Jetras, Mozės uošvis, paėmė Ciporą, Mozės žmoną, kurią Mozė buvo parsiuntęs atgal,
2Dia nentin'i Jetro, rafozan'i Mosesy, Zipora, vadin'i Mosesy, rehefa nampivereniny izy,
3ir jos abu sūnus, kurių vieno vardas buvo Geršomas, nes jis sakė: “Buvau ateivis svetimoje šalyje”,
3ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran'ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin'ny tanin'ny firenena hafa aho;
4o kito Eliezeras, nes sakė: “Mano tėvo Dievas buvo mano pagalba ir mane išgelbėjo nuo faraono kardo”.
4ary Eliezera kosa no anaran'ny anankiray, fa hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy ka nahafaka ahy tsy ho voan'ny sabatr'i Farao.
5Ir Jetras, Mozės uošvis, atėjo su jo sūnumis ir žmona pas Mozę į dykumą, kur jis stovyklavo prie Dievo kalno.
5Dia tonga Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra ny vady aman-janak'i Mosesy hankany aminy tany an-efitra, izay nitobiany teo anilan'ny tendrombohitr'Andriamanitra:
6Jetras pranešė Mozei: “Štai aš, tavo uošvis Jetras, su tavo žmona ir abiem sūnumis einame pas tave!”
6dia nampilaza tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny vadinao mbamin'ny zanany roa lahy koa.
7Tada Mozė, išėjęs pasitikti uošvio, nusilenkė jam ir jį pabučiavo. Paklausę vienas kito, kaip sekasi, įėjo į palapinę.
7Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.
8Mozė papasakojo savo uošviui visa, ką Viešpats padarė faraonui ir egiptiečiams dėl Izraelio, ir visą vargą kelyje, ir kaip Viešpats juos išgelbėjo.
8Ary nambaran'i Mosesy tamin'ny rafozany izay rehetra efa nataon'i Jehovah tamin'i Farao sy tamin'ny Egyptiana noho ny amin'ny Isiraely, mbamin'ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen'i Jehovah azy.
9Jetras džiaugėsi visu tuo, ką Viešpats padarė Izraeliui išgelbėdamas jį iš egiptiečių,
9Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon'i Jehovah tamin'ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin'ny tanan'ny Egyptiana.
10ir tarė: “Tebūna palaimintas Viešpats, kuris jus išgelbėjo iš egiptiečių ir faraono, kuris išgelbėjo tautą iš Egipto vergovės.
10Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tànan'i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin'ny Egyptiana.
11Dabar žinau, kad Viešpats yra aukščiau visų kitų dievų, nes pranoko juos tuo, kuo jie didžiavosi”.
11Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin'izay zavatra nentin'ny Egyptiana nirehareha tamin'ireny.
12Po to Jetras, Mozės uošvis, aukojo Dievui deginamąją auką ir atnašas. Tada Aaronas ir visi Izraelio vyresnieji drauge su Mozės uošviu valgė Dievo akivaizdoje.
12Ary Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon'ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin'ny rafozan'i Mosesy teo anatrehan'Andriamanitra.
13Kitą dieną Mozė atsisėdo žmonių teisti, ir žmonės stovėjo prie jo nuo ryto iki vakaro.
13Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan'i Mosesy ny olona hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva.
14Mozės uošvis, pamatęs visa, ką jis darė žmonėms, klausė: “Ką tu čia darai? Kodėl tu sėdi vienas, o visi žmonės stovi nuo ryto iki vakaro?”
14Ary rehefa hitan'ny rafozan'i Mosesy izay rehetra nataony tamin'ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin'ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva?
15Mozė atsakė: “Žmonės ateina pas mane pasiklausti Dievo patarimų.
15Ary hoy Mosesy tamin'ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin'Andriamanitra.
16Kai jie nesutaria, ateina pas mane, kad būčiau jų teisėju ir paskelbčiau Dievo nuostatus ir įstatymus”.
16Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin'Andriamanitra sy ny lalàny.
17Mozės uošvis atsakė: “Negerai darai!
17Ary hoy ny rafozan'i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao.
18Tu pats ir šitie žmonės, kurie yra su tavimi, visiškai nuvargsite, nes tau tai per sunku; tu negali vienas atlikti to darbo.
18Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao.
19Dabar paklausyk mano balso. Aš tau patarsiu, ir Dievas bus su tavimi! Būk tarpininkas tarp tautos ir Dievo ir pranešk jų reikalus Dievui.
19Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho alalan'ny olona amin'Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin'Andriamanitra;
20Mokyk juos įstatymų bei nuostatų, parodyk jiems kelią, kuriuo jie turi eiti, ir darbus, kuriuos turi daryti.
20ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony.
21Be to, išsirink iš tautos sumanius, Dievo bijančius, patikimus, negodžius vyrus, paskirk juos tūkstantininkais, šimtininkais, penkiasdešimtininkais ir dešimtininkais,
21Ary mizaha eo amin'ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an'Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.
22ir tegu jie teisia žmones. Kiekvieną didelę bylą jie perduos tau, o mažas bylas spręs patys. Tau bus lengviau, ir jie pasidalins naštą su tavimi.
22Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo.
23Jeigu taip darysi ir Dievas įsakys tau, pats ištversi ir visi žmonės grįš į savo namus ramybėje”.
23Raha hanao araka izany zavatra izany ianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra ianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin'ny taniny.
24Mozė paklausė savo uošvio patarimo.
24Dia neken'i Mosesy ny tenin'ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy.
25Jis išsirinko sumanius vyrus iš viso Izraelio ir paskyrė juos vyresniaisiais: tūkstantininkais, šimtininkais, penkiasdešimtininkais ir dešimtininkais.
25Dia nofidin'i Mosesy izay lehilahy mahay tamin'ny Isiraely rehetra ka nataony lohan'ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.
26Ir jie teisė žmones visą laiką. Sunkias bylas jie perduodavo Mozei, bet mažas sprendė patys.
26Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin'i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany.Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin'ny taniny izy.
27Po to Mozės uošvis iškeliavo į savo šalį.
27Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin'ny taniny izy.