Lithuanian

Malagasy

Exodus

19

1Trečią mėnesį po to, kai išėjo iš Egipto, Izraelio vaikai tą pačią dieną atvyko į Sinajaus dykumą.
1[Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely teo an-efitr'i Sinay, sy ny fanekena nataon'Andriamanitra taminy] TAMIN'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr'i Sinay.
2Nes jie buvo išėję iš Refidimo ir, atėję į Sinajaus dykumą, apsistojo. Jie pasistatė stovyklą ties kalnu,
2Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin'ny efitr'i Sinay, dia nitoby teo amin'ny efitra; dia tandrifin'ny tendrombohitra no nitobian'ny Isiraely teo.
3ir Mozė užkopė ant kalno pas Dievą. Viešpats pašaukė jį nuo kalno, sakydamas: “Taip sakysi Jokūbo namams ir Izraelio vaikams:
3Ary Mosesy niakatra ho ao amin'Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin'ny taranak'i Jakoba sy hambaranao amin'ny Zanak'Isiraely:
4‘Jūs matėte, ką padariau egiptiečiams, kaip nešiau jus lyg ant erelio sparnų ir atgabenau jus prie savęs.
4Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.
5Taigi dabar, jei paklusite mano balsui ir laikysitės mano sandoros, būsite ypatinga mano nuosavybė tarp visų tautų. Man priklauso visa žemė.
5Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
6Jūs būsite man kunigų karalystė ir šventa tauta’. Šiuos žodžius kalbėk izraelitams”.
6Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.
7Sugrįžęs Mozė sušaukė tautos vyresniuosius ir jiems pranešė viską, ką Viešpats įsakė.
7Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon'ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian'i Jehovah azy.
8Tada visa tauta atsakė: “Visa, ką Viešpats kalbėjo, darysime”. Mozė perdavė tautos atsakymą Viešpačiui.
8Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin'i Mosesy tao amin'i Jehovah kosa ny tenin'ny olona.
9Viešpats sakė Mozei: “Aš ateisiu pas tave tirštame debesyje, kad, man kalbant su tavimi, tauta girdėtų ir tavimi tikėtų per amžius”. Mozė pranešė tautos žodžius Viešpačiui,
9[Ny fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona.
10o Jis tarė Mozei: “Eik pas žmones ir pašventink juos šiandien ir rytoj. Teišsiskalbia jie drabužius
10Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ma­ndehana ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy:
11ir tepasirengia trečiajai dienai. Trečią dieną Aš nužengsiu ant Sinajaus kalno visai tautai matant.
11ary aoka samy hiomana ho amin'ny andro fahatelo izy; fa amin'ny andro fahatelo no hidinan'i Jehovah ho eo imason'ny olona rehetra eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay.
12Nužymėk ribas aplink kalną ir įsakyk žmonėms, kad nedrįstų lipti į kalną ar paliesti jo kraštą, nes kiekvienas, kuris palies kalną, numirs.
12Dia hanisy fefy manodidina ho an'ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin'ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa;
13Kas palies, tas bus užmuštas akmenimis arba pervertas strėle; nei žmogus, nei gyvulys neišliks gyvas. Išgirdę ilgą trimito garsą, jie tepriartėja prie kalno”.
13tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin'ny tendrombohitra izy.
14Mozė, grįžęs nuo kalno, pašventino žmones. Ir jie išsiplovė drabužius.
14Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
15Jis jiems tarė: “Būkite pasiruošę trečiajai dienai; nė vienas tenesiartina prie savo žmonos!”
15Ary hoy izy tamin'ny olona: Miomàna ianareo ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.
16Trečiąją dieną, rytui išaušus griaudėjo perkūnija ir žaibavo, tamsūs debesys apdengė kalną ir pasigirdo labai stiprus trimito garsas. Visi žmonės stovykloje pradėjo drebėti.
16Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
17Mozė išvedė tautą iš stovyklos susitikti su Dievu. Jie sustojo kalno papėdėje.
17Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin'Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin'ny tendrombohitra izy.
18Visas Sinajaus kalnas buvo apgaubtas dūmų, nes Viešpats nužengė ugnyje ant jo. Dūmai kilo tarsi iš krosnies, visas kalnas smarkiai drebėjo.
18Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.
19Trimito garsas vis stiprėjo. Mozė kalbėjo, o Dievas jam atsakinėjo balsu.
19Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.
20Viešpats nužengė ant Sinajaus kalno viršūnės ir, pasišaukęs Mozę ant kalno,
20Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an'i Mosesy hankeo an-tampon'ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy.
21jam tarė: “Nulipk žemyn, įspėk žmones, kad nesiveržtų, norėdami išvysti Viešpatį, ir daugelis jų nežūtų.
21Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin'i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro.
22Taip pat ir kunigai, kurie artinasi prie Viešpaties, tegul pasišventina, kad Viešpats jų neištiktų”.
22Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an'i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah.
23Mozė sakė Viešpačiui: “Žmonės negali užlipti į Sinajaus kalną. Tu mus įspėjai nužymėti ribą aplink kalną ir pašventinti jį”.
23Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin'ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy.
24Viešpats jam atsakė: “Nusileisk ir grįžk su Aaronu. Tačiau kunigai ir tauta tegul nesiveržia prie Viešpaties, kad Jis jų nesunaikintų”.
24Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midina, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin'i Jehovah, fandrao haringana izy.Ary Mosesy dia nidina nankeny amin'ny olona ka niteny taminy.
25Mozė grįžo pas tautą ir kalbėjo jiems.
25Ary Mosesy dia nidina nankeny amin'ny olona ka niteny taminy.