Lithuanian

Malagasy

Exodus

3

1Mozė ganė savo uošvio, midjaniečių kunigo Jetro, avis. Kartą jis buvo nusivaręs avis už dykumos, prie Dievo kalno Horebo.
1Ary Mosesy niandry ny ondry aman'osin'i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.
2Jam pasirodė Viešpaties angelas ugnies liepsnoje, kylančioje iš krūmo vidurio. Jis matė krūmą degantį, tačiau nesudegantį.
2Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin'ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.
3Mozė pasakė: “Eisiu ir pažiūrėsiu į šį didingą reginį. Kodėl nesudega tas krūmas?”
3Ary hoy Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy ahalevonan'ny roimemy.
4Viešpats pamatė jį artėjant ir pašaukė iš krūmo: “Moze! Moze!” Tas atsiliepė: “Aš čia!”
4Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan'ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho.
5Jis sakė: “Nesiartink prie šios vietos! Nusiauk nuo kojų apavą, nes vieta, ant kurios stovi, yra šventa žemė!
5Ary hoy Izy: Aza manakaiky etỳ; esory ny kapanao amin'ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io.
6Aš esu tavo tėvo Dievas, Abraomo, Izaoko ir Jokūbo Dievas”. Mozė užsidengė veidą, nes bijojo pažvelgti į Dievą.
6Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an'Andriamanitra izy.
7Viešpats tarė: “Aš pamačiau savo tautos vargą Egipte ir išgirdau jos šauksmą dėl jų prižiūrėtojų. Aš žinau jos sielvartą.
7Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;
8Aš nužengiau jos išvaduoti iš egiptiečių rankos ir išvesti jos iš tos šalies į gerą ir plačią šalį, plūstančią pienu ir medumi: į kanaaniečių, hetitų, amoritų, perizų, hivų ir jebusiečių žemę.
8dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin'ny tanan'ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin'izany tany izany ho any amin'izay tany soa sy malalaka, dia any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
9Izraelio vaikų šauksmas pasiekė mane. Aš mačiau jų priespaudą, kaip egiptiečiai juos engė.
9Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely dia efa mby atỳ amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian'ny Egyptiana azy.
10Taigi dabar eik. Aš siunčiu tave pas faraoną, kad išvestum iš Egipto mano tautą, Izraelio vaikus!”
10Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin'i Farao hitondra ny Zanak'Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta.
11Mozė atsakė Dievui: “Kas aš, kad eičiau pas faraoną ir išvesčiau iš Egipto izraelitus?”
11Fa hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin'i Farao sy hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any Egypta?
12Dievas atsakė: “Aš būsiu su tavimi! Štai ženklas, kad Aš tave siunčiu: kai išvesi tautą iš Egipto, jūs tarnausite Dievui ant šito kalno”.
12Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an'Andriamanitra eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo.
13Mozė klausė Dievo: “Kai aš ateisiu pas izraelitus ir jiems sakysiu: ‘Jūsų tėvų Dievas mane siuntė pas jus’, jie manęs klaus: ‘Koks yra Jo vardas?’ Ką turiu jiems atsakyti?”
13Ary hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin'ny Zanak'Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?
14Dievas tarė Mozei: “AŠ ESU, KURIS ESU. Sakyk izraelitams: ‘AŠ ESU mane siuntė pas jus’ ”.
14Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo.
15Dievas dar kalbėjo Mozei: “Šitaip sakyk izraelitams: ‘Viešpats, jūsų tėvų Dievas, Abraomo Dievas, Izaoko Dievas ir Jokūbo Dievas, mane siuntė pas jus’. Toks mano vardas per amžius ir taip mane vadinsite per kartų kartas.
15Ary hoy koa Andriamanitra tamin'i Mosesy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby.
16Eik, surink Izraelio vyresniuosius ir jiems sakyk: ‘Viešpats, jūsų tėvų Dievas, Abraomo Dievas, Izaoko Dievas ir Jokūbo Dievas, man pasirodė ir kalbėjo: ‘Aš aplankiau jus ir mačiau, kas jums buvo padaryta Egipte.
16Mandehana, dia angòny ny loholon'ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ Egypta;
17Aš išvesiu jus iš Egipto vargo į kanaaniečių, hetitų, amoritų, perizų, hivų ir jebusiečių žemę, plūstančią pienu ir medumi’.
17ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin'ny fahoriana atỳ Egypta ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely.
18Jie klausys tavo balso. Tu su Izraelio vyresniaisiais nueisite pas Egipto karalių ir jam sakysite: ‘Viešpats, hebrajų Dievas, mus pašaukė, ir dabar prašome: leisk mums tris dienas keliauti į dykumą, aukoti Viešpačiui, savo Dievui’.
18Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin'ny mpanjakan'i Egypta ianao sy ny loholon'ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray.
19Aš žinau, kad Egipto karalius neišleis jūsų, jei nebus priverstas galingos rankos.
19Kanefa Izaho mahalala fa tsy havelan'ny mpanjakan'i Egypta handeha ianareo, tsia, na dia amin'ny tanana mahery aza.
20Aš ištiesiu savo ranką ir ištiksiu Egiptą visais savo stebuklais, kuriuos darysiu jų tarpe. Po to jis išleis jus.
20Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an'i Egypta amin'ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy.
21Ir suteiksiu šiai tautai malonę egiptiečių akyse, kad jūs neišeisite tuščiomis rankomis.
21Ary hataoko mahita fitia eo imason'ny Egyptiana ity firenena ity, ka raha handeha ianareo, dia tsy mba handeha maina;fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ny miray monina aminy sy amin'izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.
22Kiekviena moteris paprašys savo kaimynės ir savo įnamės sidabrinių bei auksinių indų ir drabužių; juos uždėsite ant savo sūnų ir dukterų ir taip išsinešite egiptiečių turtus”.
22fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ny miray monina aminy sy amin'izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.