1Mozė sakė: “O jeigu jie netikės manimi ir neklausys mano balso, sakydami: ‘Tau nepasirodė Viešpats’ ”.
1Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah.
2Tuomet Viešpats paklausė jį: “Ką laikai rankoje?” Jis atsakė: “Lazdą”.
2Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.
3“Mesk žemėn!”tarė Dievas. Jis numetė ją ir ji pavirto gyvate; Mozė ėmė bėgti nuo jos.
3Ary hoy Izy: Atsipazo amin'ny tany iny. Dia natsipiny tamin'ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy.
4Viešpats pasakė Mozei: “Ištiesk savo ranką ir nutverk ją už uodegos!” Jis ištiesė savo ranką, nutvėrė ją ir ji pavirto lazda.
4Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy
5“Tai daryk, kad jie tikėtų, jog tau pasirodė Viešpats, jų tėvų Dievas, Abraomo, Izaoko ir Jokūbo Dievas”.
5mba hinoan'ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba.
6Viešpats kalbėjo toliau ir liepė jam įkišti ranką į savo užantį. Jis įkišo, ir kai ištraukė ją, ranka buvo balta nuo raupsų kaip sniegas.
6Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala.
7“Vėl įkišk savo ranką į užantį!”tarė Dievas. Jis padarė, kaip buvo liepta. Kai jis ištraukė ją, ji buvo sveika.
7Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin'ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy).
8“Jeigu jie netikės tavimi ir nekreips dėmesio į pirmojo ženklo balsą, tai jie patikės kito ženklo balsu.
8Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny feon'ny famantarana voalohany, dia hino ny feon'ny famantarana aoriana izy.
9O jeigu jie netikės šiais dviem ženklais ir neklausys tavo balso, tai pasemk upės vandens ir išliek ant žemės! Tada vanduo, kurį pasemsi iš upės ir išliesi ant žemės, pavirs krauju”.
9Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin'ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin'ny tany maina.
10Mozė tarė Viešpačiui: “Viešpatie, aš nesu iškalbingas: nebuvau toks anksčiau nei dabar, kai Tu prabilai į savo tarną. Man sunku kalbėti ir mano liežuvis pinasi”.
10Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
11Viešpats jam atsakė: “Kas sutvėrė žmogaus burną? Kas padaro jį nebylų, kurčią, matantį ar aklą? Argi ne Aš, Viešpats?
11Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va
12Taigi dabar eik, o Aš būsiu su tavo lūpomis ir tave pamokysiu, ką kalbėti”.
12Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.
13Jis atsakė: “Prašau, Viešpatie, siųsk ką nors kitą!”
13Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina.
14Tada Viešpats supykęs tarė: “Žinau, kad tavo brolis Aaronas, levitas, yra iškalbus ir jis pasitiks tave. Tave pamatęs, jis džiaugsis savo širdyje.
14Dia nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
15Tu kalbėsi jam ir įdėsi žodžius į jo lūpas. Aš būsiu su tavo ir jo lūpomis ir jus pamokysiu, ką turite daryti.
15Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo.
16Jis kalbės už tave tautai. Jis bus tavo lūpomis, o tu būsi jam vietoje Dievo.
16Ary izy hiteny amin'ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon'Andriamanitra aminy.
17Pasiimk šitą lazdą, su kuria darysi ženklus”.
17Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
18Mozė sugrįžo pas savo uošvį Jetrą ir tarė jam: “Prašau, leisk man sugrįžti į Egiptą pas savo brolius ir pasižiūrėti, ar jie tebėra gyvi”. Jetras atsakė: “Eik ramybėje!”
18Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin'i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin'ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin'i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
19Viešpats tarė Mozei Midjane: “Sugrįžk į Egiptą! Nes visi, kurie ieškojo tavo gyvybės, yra mirę”.
19Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao.
20Mozė pasiėmė žmoną ir sūnus, užsodino juos ant asilo ir grįžo į Egiptą; ir Dievo lazdą jis pasiėmė į savo ranką.
20Dia nalain'i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin'ny tany Egypta izy; ary nentin'i Mosesy teny an-tànany ilay tehin'Andriamanitra.
21Viešpats pasakė Mozei: “Kai sugrįši į Egiptą, žiūrėk, kad padarytum faraono akivaizdoje visus stebuklus, kuriuos įdėjau į tavo ranką. Bet Aš užkietinsiu jo širdį, ir jis neišleis tautos.
21Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan'i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
22Sakyk faraonui: ‘Taip kalba Viešpats: ‘Izraelis yra mano pirmagimis sūnus.
22Ary lazao amin'i Farao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;
23Aš tau sakau: išleisk mano sūnų, kad jis man tarnautų; jei neišleisi jo, nužudysiu tavo pirmagimį sūnų’ ”.
23koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.
24Pakeliui, nakvynės namuose, sutiko jį Viešpats ir norėjo nužudyti.
24Ary nony tany an-dalana tao amin'ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy.
25Tada Cipora, paėmusi aštrų akmenį, apipjaustė sūnų, numetė odelę prie Mozės kojų ir tarė: “Tu esi mano kruvinas vyras!”
25Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan'ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin'ny fandatsahan-drà ianao.
26Ir Viešpats leido jam eiti. Tada ji pasakė: “Kruvinas vyras dėl apipjaustymo”.
26Dia niala taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin'ny fandatsahan-drà ianao, noho ny fora.
27Viešpats tarė Aaronui: “Eik į dykumą pasitikti Mozės”. Jis ėjo ir, sutikęs jį prie Dievo kalno, pabučiavo.
27Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Mandehana hitsena an'i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, dia nanoroka azy.
28Mozė papasakojo Aaronui visus Viešpaties, kuris jį siuntė, žodžius ir apie visus ženklus, kuriuos Jis jam įsakė daryti.
28Ary nambaran'i Mosesy tamin'i Arona izay teny rehetra efa nanirahan'i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy.
29Mozė ir Aaronas nuėję surinko visus izraelitų vyresniuosius.
29Dia lasa nandeha Mosesy sy Arona ka nanangona ny loholon'ny Zanak'Isiraely rehetra.
30Aaronas kalbėjo visus žodžius, kuriuos Viešpats buvo kalbėjęs Mozei, ir padarė ženklus tautos akyse.
30Dia nolazain'i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, sady nataony teo imason'ny olona ny famantarana.Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak'Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.
31Tauta patikėjo. Išgirdę, kad Viešpats aplankė izraelitus ir pamatė jų priespaudą, jie žemai nusilenkė ir pagarbino Jį.
31Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak'Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.