Lithuanian

Malagasy

Genesis

21

1Viešpats aplankė Sarą ir įvykdė, ką jai buvo pažadėjęs.
1[Ny nahaterahan'Isaka, sy ny nandroahana an'i Hagara mianaka] Ary Jehovah namangy an'i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon'i Jehovah tamin'i Saraha araka ilay efa noteneniny.
2Sara pastojo ir sulaukusiam senatvės Abraomui pagimdė sūnų tuo metu, kurį Dievas buvo jam nurodęs.
2Dia nanan'anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy.
3Abraomas pavadino iš Saros gimusį sūnų Izaoku.
3Ary ny anaran'ny zanany izay teraka, ilay naterak'i Saraha taminy dia nataon'i Abrahama hoe Isaka.
4Izaokas pagal Dievo įsakymą aštuntą dieną buvo apipjaustytas.
4Dia noforan'i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian'Andriamanitra azy.
5Abraomas buvo šimto metų, kai jam gimė sūnus Izaokas.
5Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an'i Isaka zanany izy.
6Sara tarė: “Dievas man suteikė juoko, ir visi kiti, kas išgirs, juoksis su manimi.
6Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.
7Kas būtų pasakęs Abraomui, kad Sara maitins kūdikį? Aš pagimdžiau jam sūnų jo senatvėje”.
7Ary hoy koa izy: Nampoizin'iza akory moa no hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.
8Kai vaikas paaugo ir buvo nujunkytas, Abraomas tą dieną iškėlė didelį pokylį.
8Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin'ny andro nanotazana an'Isaka.
9Sara pamatė egiptietės Hagaros sūnų, kurį ta pagimdė Abraomui, besišaipantį iš Izaoko,
9Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak'i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin'i Abrahama.
10ir tarė Abraomui: “Išvaryk šitą vergę ir jos sūnų! Jis nebus paveldėtojas drauge su mano sūnumi Izaoku”.
10Dia hoy izy tamin'i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia amin'Isaka.
11Tai labai nepatiko Abraomui dėl jo sūnaus.
11Fa ratsy teo imason'i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin'ny zanany.
12Tačiau Dievas tarė Abraomui: “Nesisielok dėl berniuko ir dėl vergės! Visa, ką Sara tau sako, klausyk jos! Nes iš Izaoko tau bus pašaukti palikuonys.
12Ary hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain'i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
13Bet ir vergės sūnų padarysiu didele tauta, nes jis yra tavo palikuonis”.
13Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
14Abraomas, atsikėlęs anksti rytą, ėmė duonos bei odinę vandens ir davė Hagarai, uždėdamas jai ant pečių, atidavė vaiką ir išleido. Ji išėjusi klaidžiojo Beer Šebos dykumoje.
14Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an'i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr'i Beri-sheba.
15Išsibaigus vandeniui odinėje, ji paliko vaiką po vienu krūmokšniu.
15Ary rehefa lany ny rano tao amin'ny siny hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely anankiray ny zaza.
16Paėjusi atsisėdo priešais jį lanko šūvio atstumu. Ji sakė: “Negaliu matyti mirštančio vaiko”. Ir graudžiai verkė.
16Dia lasa izy ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan'ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.
17Dievas išgirdo berniuko balsą, ir Dievo angelas iš dangaus tarė Hagarai: “Kas tau, Hagara? Nebijok! Dievas išgirdo berniuko balsą.
17Ary ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia niantso an'i Hagara Ilay Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe : Inona izato manjo anao, ry Hagara ? Aza matahotra, fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza eo amin'ny itoerany.
18Kelkis, imk berniuką ir laikyk jį tvirtai savo rankose, nes Aš jį padarysiu didele tauta!”
18Mitsa­ngana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.
19Dievas atvėrė jai akis, ir ji pamatė šulinį. Nuėjusi pripildė odinę vandens ir pagirdė berniuką.
19Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
20Dievas buvo su juo. Jis užaugo, gyveno dykumoje ir tapo šauliu.
20Ary nomban'Andriamanitra ny zaza. dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.
21Jis gyveno Parano dykumoje, ir jo motina parinko jam žmoną iš Egipto šalies.
21Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan'ny reniny vady avy tany amin'ny tany Egypta izy.
22Anuo metu Abimelechas ir jo kariuomenės vadas Picholas kalbėjo Abraomui: “Dievas yra su tavimi visame, ką tu darai.
22[Ny fanekena nataon'i Abrahama sy Abimeleka] Ary tamin'izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niteny tamin'i Abrahama ka nanao hoe: Omban'Andriamanitra ianao amin'izay re­hetra ataonao;
23Dabar tad prisiek Dievu, kad nekenksi nei man, nei mano vaikams, nei jų palikuonims, bet kaip aš maloningai su tavimi elgiausi, taip ir tu elgsiesi su manimi ir mano kraštu, kuriame gyveni kaip ateivis!”
23koa ankehitriny ianiano amin'Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin'ny tany izay ivahinianao.
24Abraomas atsakė: “Prisiekiu”.
24Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho.
25Tačiau Abraomas priekaištavo Abimelechui dėl šulinio, kurį Abimelecho tarnai buvo pasigrobę.
25Ary Abrahama nananatra an'i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain'ny mpanompon'i Abimeleka an-keriny
26Abimelechas atsakė: “Aš nežinau, kas tai padarė. Tu man nieko nesakei, aš nieko apie tai negirdėjau iki šios dienos”.
26Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.
27Abraomas davė Abimelechui avių ir jaučių, ir juodu sudarė sandorą.
27Ary Abrahama naka ondry aman'osy sy omby. ka nomeny an'i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.
28Abraomas atskyrė septynis ėriukus.
28Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin'ny ondry.
29Abimelechas klausė Abraomo: “Ką gi reiškia šie septyni ėriukai, kuriuos tu atskyrei?”
29Ary hoy Abimeleka tamin'i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?
30Jis atsakė: “Tuos septynis ėriukus turi priimti iš manęs kaip įrodymą, kad aš iškasiau šitą šulinį”.
30Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin'ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.
31Ta vieta buvo pavadinta Beer Šeba, nes ten jie abu prisiekė.
31Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan'izy roa lahy.
32Taip juodu padarė sutartį Beer Šeboje. Abimelechas ir jo kariuomenės vadas Picholas sugrįžo į filistinų kraštą.
32Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, ka niverina ho any amin'ny tanin'ny Filistina.
33Abraomas pasodino giraitę Beer Šeboje ir ten šaukėsi Viešpaties, amžinojo Dievo, vardo.
33Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran'i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin'ny tanin'ny Filistina.
34Abraomas gyveno ilgą laiką kaip ateivis filistinų krašte.
34Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin'ny tanin'ny Filistina.