1Po šių įvykių Dievas mėgi no Abraomą. Jis tarė jam: “Abraomai!” Tas atsiliepė: “Aš čia!”
1[Ny nizahan'Andriamanitra toetra an'i Abrahama] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan'Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho.
2Tada Jis tarė: “Imk Izaoką, savo vienintelį sūnų, kurį myli, ir eik į Morijos šalį, ten aukok jį kaip deginamąją auką ant kalno, kurį tau parodysiu!”
2Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.
3Abraomas atsikėlė anksti rytą, pasibalnojo asilą, pasiėmė jaunuolius ir Izaoką, savo sūnų, prisiskaldė malkų deginamajai aukai ir išėjo į vietą, kurią jam Dievas buvo nurodęs.
3Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy,
4Trečią dieną Abraomas iš tolo pamatė tą vietą.
4Nony tamin'ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany terỳ lavitra erỳ.
5Abraomas tarė savo jaunuoliams: “Pasilikite čia su asilu, o mes su sūnumi nueisime ten ir pagarbinę sugrįšime pas jus”.
5Ary hoy Abrahama tamin'ny zatovony: Mijanòna eto amin'ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankerỳ; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray.
6Abraomas, paėmęs malkas deginamajai aukai, uždėjo ant savo sūnaus Izaoko pečių, o pats pasiėmė ugnies ir peilį. Jiems beeinant,
6Dia nalain'i Abrahama ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka.
7Izaokas tarė savo tėvui: “Mano tėve!” O tas atsiliepė: “Aš čia, sūnau!” Jis klausė: “Štai ugnis ir malkos! Bet kur yra ėriukas deginamajai aukai?”
7Ary Isaka niteny tamin'i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana?
8Abraomas atsakė: “Dievas parūpins sau ėriuką deginamajai aukai, mano sūnau!” Taip juodu ėjo toliau.
8Fa hoy Abrahama: Anaka. Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka.
9Jiems atėjus į vietą, kurią Dievas buvo nurodęs, Abraomas pastatė aukurą, uždėjo ant jo malkas, surišo savo sūnų Izaoką ir jį uždėjo ant aukuro.
9Ary rehefa tonga teo amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay.
10Abraomas ištiesė savo ranką ir paėmė peilį, kad nužudytų sūnų.
10Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany.
11Viešpaties angelas pašaukė jį iš dangaus: “Abraomai! Abraomai!” Tas atsakė: “Aš čia!”
11Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho.
12“Nekelk savo rankos prieš vaiką ir nieko jam nedaryk! Dabar žinau, kad bijai Dievo ir nepagailėjai man savo vienintelio sūnaus”.
12Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.
13Abraomas, pakėlęs akis, pamatė netoliese aviną, įstrigusį ragais į tankų krūmokšnį. Jis paėmė jį ir aukojo deginamąją auką savo sūnaus vietoje.
13Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany.
14Abraomas pavadino tą vietą “Viešpats mato”. Ir šiandien dar sakoma: “Ant kalno, kur Viešpats mato”.
14Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan'i Jehovah.
15Viešpaties angelas antrą kartą pašaukė Abraomą iš dangaus
15Dia niantso an'i Abrahama fanindroany tany an-danitra Ilay Anjelin'i Jehovah
16ir tarė: “Savimi prisiekiu,sako Viešpats,kadangi tu tai padarei ir nepagailėjai savo vienintelio sūnaus,
16ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany ianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao,
17Aš laiminte tave palaiminsiu ir dauginte padauginsiu tavo palikuonis, kad jų bus kaip žvaigždžių danguje ir kaip smilčių jūros pakrantėje. Tavo palikuonys užims savo priešų vartus,
17dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin'ny fahavalony;
18ir tavo palikuonyse bus palaimintos visos žemės tautos dėl to, kad paklausei mano balso”.
18ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.
19Abraomas sugrįžo pas jaunuolius, ir jie nuėjo į Beer Šebą; ir Abraomas gyveno Beer Šeboje.
19Ary Abrahama dia niverina nankeny amin'ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany Beri-sheba; ary Abrahama dia nonina tany Beri-sheba.
20Po šių įvykių Abraomui buvo pranešta: “Milka pagimdė sūnų tavo broliui Nahorui:
20[Ny taranak'i Nahora] Ary rehefa afaka izany, dia nisy nanambara tamin'i Abrahama hoe: Indro, efa niteraka zazalahy koa Milka tamin'i Nahora rahalahinao,
21pirmagimį Ucą ir Būzą, jo brolį, ir Kemuelį, Aramo tėvą,
21dia Oza lahimatoany sy Boza lahiaivo ary Kemoela, rain'i Arama,
22Kesedą, Hazoją, Pildašą, Idlafą ir Betuelį”.
22ary Kaseda sy Hazo sy Pildasy sy Jidiafa ary Betoela.
23Betuelio duktė buvo Rebeka. Šituos aštuonis Milka pagimdė Abraomo broliui Nahorui.
23Ary Betoela niteraka an-dRebeka. Ireo valo ireo no naterak'i Milka tamin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama.Ary ny vaditsindranony, izay atao hoe Reoma, izy koa dia niteraka an'i Teba sy Gahama sy Tahasy ary Meaka.
24Be to, jo sugulovė Reuma pagimdė Tebachą, Gahamą, Tahašą ir Maaką.
24Ary ny vaditsindranony, izay atao hoe Reoma, izy koa dia niteraka an'i Teba sy Gahama sy Tahasy ary Meaka.