Lithuanian

Malagasy

Genesis

23

1Sara gyveno šimtą dvidešimt septynerius metus.
1[Ny nahafatesan'i Saraha sy ny nandevenana azy] Ary ny andro niainan'i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan'i Saraha.
2Ji mirė Kirjat Arboje, tai yra Hebrone, Kanaano krašte. Ir Abraomas atėjo Saros apraudoti ir apverkti.
2Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin'ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an'i Saraha sy hitomany azy.
3Abraomas paliko mirusiąją ir kalbėjo Heto vaikams:
3Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan'ny fatin'ny vadiny, dia niteny tamin'ny taranak'i Heta ka nanao hoe:
4“Aš esu ateivis ir svečias tarp jūsų. Duokite man nuosavybėn žemės kapui palaidoti mirusiąją”.
4Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto anatrehako.
5Heto vaikai atsakė Abraomui:
5Dia namaly an'i Abrahama ny taranak'i Heta ka nanao taminy hoe:
6“Paklausyk mūsų, viešpatie! Tu esi Dievo kunigaikštis tarp mūsų. Laidok savo mirusiąją geriausiame mūsų kape! Nė vienas iš mūsų tau neatsakys kapo, kad galėtum palaidoti mirusiąją”.
6Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin'ny fasanay no andeveno ny fatin'ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin'ny vadinao.
7Abraomas atsistojęs nusilenkė hetitams, to krašto žmonėms,
7Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan'ny taranak'i Heta tompon-tany,
8ir toliau kalbėjo: “Jei sutinkate, kad palaidočiau savo mirusiąją, tai paklausykite manęs ir prašykite už mane Efroną, Coharo sūnų,
8dia niteny taminy ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin'ny vadiko mba tsy ho eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin'i Efrona, zanak'i Zohara,
9kad jis man parduotų Machpelos olą, kuri jam priklauso ir yra jo lauko gale! Už tiek, kiek ji verta, jis man ją teparduoda nuosavybėn kapinėms”.
9mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin'ny sisin'ny sahany; amin'izay vola tokom-bidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana.
10Tuo metu Efronas sėdėjo tarp Heto vaikų. Hetitas Efronas, girdint hetitams, atėjusiems prie miesto vartų, kalbėjo:
10Ary Efrona nipetraka teo amin'ny taranak'i Heta; dia namaly an'i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin'ny tanànany, ka nanao hoe:
11“Ne, mano viešpatie, paklausyk manęs! Žemę aš tau dovanoju ir olą, kuri yra joje. Savo tautiečių akyse aš tau ją dovanoju. Laidok savo mirusiąją”.
11Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason'ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin'ny vadinao.
12Abraomas nusilenkė to krašto žmonėms
12Ary niankohoka teo anatrehan'ny olona tompon-tany Abrahama,
13ir, jiems girdint, kalbėjo Efronui: “Malonėk paklausyti manęs! Aš duosiu tau pinigus už lauką. Paimk juos iš manęs, kad galėčiau ten palaidoti savo mirusiąją”.
13dia niteny tamin'i Efrona teo anatrehan'ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin'ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin'ny vadiko.
14Efronas atsakė Abraomui:
14Ary Efrona dia namaly an'i Abrahama ka nanao taminy hoe:
15“Paklausyk manęs, viešpatie! Tas žemės sklypas vertas keturių šimtų šekelių sidabro. Ką tai reiškia man ar tau? Palaidok savo mirusiąją”.
15Tompokolahy, mihainoa ahy: tany tokony ho lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany amintsika roa lahy? fa aleveno ny fatin'ny vadinao.
16Abraomas sutiko su Efronu. Pirklių naudojamais pinigais jis atsvėrė Efronui keturis šimtus šekelių sidabro, kurį šis, hetitams girdint, minėjo.
16Dia neken'i Abrahama ny tenin'i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin'ny mpivarotra.
17Taip Efrono sklypas su ola, kuris buvo Machpeloje, ties Mamre, visi medžiai lauke, kurie augo aplinkui, tapo
17Ary ny sahan'i Efrona, ilay teo Makpela, izay tandrifin'i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay teo anatiny mbamin'ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin'ny sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty
18Abraomo nuosavybe, matant hetitams, kurie buvo ten.
18tamini'i Abrahama ho fananana, teo imason'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo am­bavahadin'ny tanànany.
19Abraomas palaidojo savo žmoną Sarą Machpelos lauko oloje, esančioje ties Mamre, Hebrone, Kanaano šalyje.
19Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an'i Saraha vadiny tao amin'ny zohy tao amin'ny saha Makpela tandrifin'i Mamre (Hebrona izany), ao amin'ny tany Kanana;ka ny saha mbamin'ny zohy izay ao anatiny dia nataon'ny taranak'i Heta varo-maty tamin'i Abrahama ho tany fandevenana.
20Taip sklypas ir ola, kuri buvo jame, iš hetitų perėjo Abraomo nuosavybėn kapinėms.
20ka ny saha mbamin'ny zohy izay ao anatiny dia nataon'ny taranak'i Heta varo-maty tamin'i Abrahama ho tany fandevenana.