Lithuanian

Malagasy

Genesis

34

1Kartą Lėjos duktė Dina išėjo pasižiūrėti tos šalies dukterų.
1[Ny nakan'i Sekema an'i Dina sy ny namalian'i Simeona sy Levy izany] Dia nivoaka Dina, zanakavavin'i Lea, izay naterany tamin'i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany.
2Šalies kunigaikščio hivo Hamoro sūnus Sichemas, ją pamatęs, nutvėrė ir išprievartavo.
2Ary nahita azy Sekema, zanakalahin'i Hamora Hivita, andriana tamin'izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.
3Jo siela prisirišo prie Jokūbo dukters Dinos. Jis pamilo mergaitę ir meiliai kalbėjo su ja.
3Ary ny fony dia raiki-pitia tamin'i Dina, zanakavavin'i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy, ka dia nanao teny malefaka nahafinaritra azy.
4Sichemas prašė savo tėv o Hamoro: “Leisk man vesti šią mergaitę!”
4Ary Sekema dia niteny tamin'i Hamora rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko.
5Jokūbas sužinojo, kad Sichemas išprievartavo jo dukterį Diną; kadangi jo sūnūs buvo prie gyvulių laukuose, Jokūbas tylėjo, kol jie pareis.
5Ary ren'i Jakoba fa efa nandoto an'i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman'ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.
6Sichemo tėvas Hamoras atėjo pas Jokūbą, norėdamas su juo pasikalbėti.
6Dia nivoaka Hamora, rain'i Sekema, nankany amin'i Jakoba hidinika taminy.
7Jokūbo sūnūs, tai išgirdę, parėjo iš laukų. Jie įsižeidė ir labai supyko, nes Sichemas padarė gėdą Izraeliui, gulėdamas su Jokūbo dukterimi, nors nederėjo taip daryti.
7Ary ny zanak'i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely noho ny nandriany tamin'ny zanakavavin'i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany.
8Hamoras kalbėjosi su jais: “Mano sūnaus Sichemo siela ilgisi jūsų dukters. Prašau, leiskite mano sūnui ją vesti.
8Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon'i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin'ny zanakareo-vavy; koa masìna ianareo, mba omeo azy ho vadiny.
9Susigiminiuokime: duokite mums savo dukteris, o mūsų dukteris veskite!
9Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy,
10Gyvenkite pas mus. Kraštas jums yra atviras. Pasilikite ir laisvai jame gyvenkite ir įsigykite čia nuosavybę”.
10Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan'ny tompon-tany ianareo.
11Ir Sichemas kalbėjo Dinos tėvui ir broliams: “O kad rasčiau malonę jūsų akyse! Ko tik iš manęs paprašysite, duosiu.
11Ary hoy Sekema tamin'ny rain'i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko;
12Prašykite pačio didžiausio kraičio ir dovanos; aš viską duosiu, ko paprašysite, tik leiskite man vesti mergaitę!”
12na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.
13Jokūbo sūnūs klastingai kalbėjo su Sichemu ir jo tėvu Hamoru, nes Sichemas buvo išprievartavęs jų seserį Diną.
13Ary ny zanak'i Jakoba namaly an'i Sekema sy Hamora rainy tamin'ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an'i Dina anabaviny;
14Jie sakė jiems: “Mes negalime to padaryti­išleisti savo seserį už vyro, kuris yra neapipjaustytas, nes tai būtų mums negarbė ir gėda.
14ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an'izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany.
15Sutiksime su jumis tik su sąlyga, jei jūs tapsite kaip mes ir kiekvienas vyras tarp jūsų bus apipjaustytas.
15Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo,
16Tada mes leisime jums vesti savo dukteris ir vesime jūsų; liksime pas jus gyventi ir tapsime viena tauta.
16dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika.
17Bet jei mūsų nepaklausysite ir neapsipjaustysite, pasiimsime savo dukterį ir išeisime”.
17Fa raha tsy hanaraka ny teninay ianareo ka hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka handeha izahay.
18Jų žodžiai patiko Hamorui ir jo sūnui Sichemui.
18Dia sitrak'i Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany.
19Jaunuolis nedelsė įvykdyti pasiūlymo, nes jis buvo įsimylėjęs Jokūbo dukterį. O jis buvo žymiausias savo tėvo namuose.
19Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin'i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin'izay rehetra tao an-tranon'ny rainy.
20Hamoras ir jo sūnus Sichemas atėjo prie miesto vartų ir kalbėjo savo miesto vyrams:
20Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo amin'ny vavahadin'ny tanànany, dia niteny tamin'ny mponina tao an-tanànany ka nanao hoe:
21“Šitie žmonės yra taikingi mūsų atžvilgiu. Jie telieka gyventi ir laisvai verstis mūsų krašte. Kraštas juk platus! Jų dukteris vesime, o savo dukteris leisime tekėti už jų.
21Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin'ny tany izy ka hanao varotra eto; fa. indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy kosa.
22Tie žmonės sutinka gyventi pas mus ir tapti viena tauta tik su šita sąlyga, jei kiekvienas mūsų vyras apsipjaustys, kaip jie yra apipjaustyti.
22Nefa izao monja ihany no hanaovan'ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo.
23Jų galvijai, jų manta ir visi gyvuliai priklausys mums. Sutikime su jais, ir jie liks pas mus gyventi!”
23Tsy ho antsika va ny omby aman'ondriny sy ny fananany mbamin'ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy.
24Visi miesto vyrai paklausė Hamoro ir jo sūnaus Sichemo ir buvo apipjaustyti.
24Ary izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany dia nanaiky ny tenin'i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany.
25Trečią dieną, kai jiems labai skaudėjo, du Jokūbo sūnūs, Simeonas ir Levis, Dinos broliai, pasiėmė savo kardus ir, drąsiai atėję į miestą, išžudė visus vyrus.
25Ary nony tamin'ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak'i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin'i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.
26Jie taip pat nužudė Hamorą ir jo sūnų Sichemą, paėmė Diną iš Sichemo namų ir išėjo.
26Ary Hamora sy Sekema zananilahy dia novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra koa; dia naka an'i Dina tao an-tranon'i Sekema izy ka lasa nandeha.
27Jokūbo sūnūs atėjo prie nužudytųjų ir apiplėšė miestą, keršydami už sesers išniekinimą.
27Ary ny zanak'i Jakoba nankeny amin'ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.
28Pasiėmė jų avis, galvijus, asilus ir visa, kas buvo mieste ir laukuose.
28Ny ondry aman'osiny sy ny ombiny sy ny borikiny mbamin'izay rehetra tao an-tanàna sy izay rehetra tany an-tsaha dia nahorony avokoa;
29Pagrobė visą jų turtą, vaikus ir žmonas išsivedė į nelaisvę ir išplėšė viską, kas buvo namuose.
29ary ny fananany re­hetra sy ny zanany madinika rehetra ary ny vadiny dia nobaboiny ka nofaohiny avokoa mbamin'izay rehetra tao an-trano.
30Jokūbas tarė Simeonui ir Leviui: “Jūs pridarėte man bėdos, padarydami mane nekenčiamą tarp šios šalies gyventojų, tarp kanaaniečių ir perizų. Mūsų labai mažai; jie susirinks prieš mane ir nužudys mane. Taip aš ir mano namai bus sunaikinti”.
30Ary hoy Jakoba tamin'i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin'ny mponina amin'ny tany aho, dia amin'ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.Fa hoy kosa izy: Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?
31Sūnūs atsakė: “Argi jam buvo leista pasielgti su mūsų seserimi kaip su paleistuve?”
31Fa hoy kosa izy: Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?