Lithuanian

Malagasy

Genesis

35

1Dievas tarė Jokūbui: “Kelkis ir eik į Betelį, ir apsistok ten; pastatyk aukurą Dievui, kuris tau pasirodė, kai bėgai nuo savo brolio Ezavo”.
1[Ny nankanesan'i Jakoba tany Betela, sy ny nisehoan'Andriamanitra taminy indray] Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba : Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an'Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan'i Esao rahalahinao.
2Jokūbas įsakė saviesiems ir visiems, buvusiems su juo: “Pašalinkite svetimus dievus, kurie yra tarp jūsų, apsivalykite ir pakeiskite drabužius!
2Dia hoy Jakoba tamin'izay tao an-tranony mbamin'izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo;
3Eikime į Betelį, ten pastatysiu aukurą Dievui, kuris mane išklausė pavojuje ir buvo su manimi kelyje, kuriuo aš ėjau!”
3ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an'Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin'ny andron'ny fahoriako ary nomba ahy tamin'ny lalana izay nalehako.
4Jie atidavė Jokūbui visus svetimus dievus, kuriuos jie turėjo, ir auskarus, o Jokūbas juos užkasė po ąžuolu prie Sichemo.
4Dia natolony teo amin'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin'i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin'i Sekema ireo.
5Jie iškeliavo, ir siaubas nuo Dievo apėmė aplinkinius miestus, kad niekas nedrįso vytis Jokūbo sūnų.
5Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin'Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak'i Jakoba izy.
6Taip Jokūbas ir visi su juo esantys žmonės atėjo į Lūzą, dar vadinamą Beteliu, kuri yra Kanaano šalyje.
6Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin'ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy.
7Ten jis pastatė aukurą ir tą vietą pavadino El Betelis, nes ten jam pasirodė Dievas, kai jis bėgo nuo savo brolio veido.
7Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran'izany tany izany; fa teo no nisehoan'Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan'ny rahalahiny.
8Ten mirė Debora, Rebekos auklė, ir buvo palaidota prie Betelio po ąžuolu, kurį pavadino Raudos ąžuolu.
8Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr'i Betela, teo ambanin'ny hazo ôka; ary ny anaran'io dia nataony hoe Alona-bakota.
9Dievas vėl pasirodė Jokūbui, kai jis atvyko iš Mesopotamijos, ir jį palaimino.
9Ary Andriamanitra niseho indray tamin'i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy.
10Ir Dievas tarė jam: “Tavo vardas Jokūbas, bet tu nebesivadinsi Jokūbu. Tavo vardas bus Izraelis!
10Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.
11Aš esu Dievas Visagalis. Būk vaisingas ir dauginkis! Tauta ir daugelis tautų atsiras iš tavęs, ir karaliai išeis iš tavo strėnų!
11Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin'ny haterakao;
12Tą žemę, kurią daviau Abraomui ir Izaokui, atiduosiu tau ir po tavęs duosiu tavo palikuonims”.
12ary ny tany izay nomeko an'i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany.
13Tada Dievas pasitraukė nuo jo iš tos vietos, kur su juo kalbėjo.
13Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin'ilay niresahany taminy.
14Jokūbas pastatė akmeninį paminklą toje vietoje, kur Dievas kalbėjo su juo, išliejo ant jo geriamąją auką ir aliejaus.
14Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin'ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa.
15Jokūbas pavadino tą vietą, kur Dievas su juo kalbėjo, Beteliu.
15Ary ny anaran'ny tany izay niresahan'Andriamanitra taminy dia nataon'i Jakoba hoe Betela.
16Iš Betelio jie keliavo toliau. Nepasiekus Efratos, Rachelė gimdė, ir jos gimdymas buvo sunkus.
16[Ny nialan'i Jakoba tany Betela, sy ny nahafatesan-dRahely tany an-dalana, ary ny anaran'ny zanakalahin'i Jakoba roa ambin'ny folo] Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny.
17Jai esant gimdymo kančiose, pribuvėja jai tarė: “Nebijok! Ir šį kartą turėsi sūnų”.
17Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa izato koa no zazalahy ho anao.
18Kai jos siela buvo beatsiskirianti, nes ji buvo prie mirties, ji pavadino jį Ben Oniu, bet tėvas jį pavadino Benjaminu.
18Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.
19Ir Rachelė mirė ir buvo palaidota prie kelio, einančio į Efratą, tai yra Betliejų.
19Dia maty Rahely ka nalevina teo amin'ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
20Jokūbas pastatė ant jos kapo paminklą; tas Rachelės kapo paminklas tebestovi iki šios dienos.
20Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin'ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin'ny fasan-dRahely mandraka androany.
21Izraelis keliavo toliau ir apsistojęs pasistatė palapines anapus Edero bokšto.
21Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr'i Migdaledera.
22Izraeliui gyvenant anoje šalyje, Rubenas miegojo su savo tėvo sugulove Bilha. Izraelis tai sužinojo. Jokūbo sūnų buvo dvylika.
22Ary raha nonina teo amin'izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin'i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.
23Lėjos sūnūs: Jokūbo pirmagimis Rubenas, Simeonas, Levis, Judas, Isacharas ir Zabulonas.
23Ary ny zanakalahin'i Jakoba dia roa ambin'ny folo mirahalahy: ny zanak'i Lea dia Robena, lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;
24Rachelės sūnūs: Juozapas ir Benjaminas.
24ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina;
25Rachelės tarnaitės Bilhos sūnūs: Danas ir Neftalis.
25ary ny zanak'i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly;
26Lėjos tarnaitės Zilpos sūnūs: Gadas ir Ašeras. Šitie yra Jokūbo sūnūs, gimę jam Mesopotamijoje.
26ary ny zanak'i Zilpa, ankizivavin'i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin'i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia.
27Jokūbas atėjo pas savo tėvą Izaoką į Mamrę, į Kirjat Arbos miestą, tai yra Hebroną, kur Abraomas ir Izaokas buvo ateiviai.
27Ary Jakoba nankany amin'Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian'i Abrahama sy Isaka.
28Izaokas sulaukė šimto aštuoniasdešimties metų.
28Ary ny andro niainan'Isaka dia valo-polo amby zato taona.Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin'ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy.
29Ir Izaokas atidavė savo dvasią, ir mirė, ir susijungė su savo tauta, būdamas senas ir pasisotinęs gyvenimu. Jį palaidojo jo sūnūs Ezavas ir Jokūbas.
29Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin'ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy.