Lithuanian

Malagasy

Genesis

37

1Jokūbas apsigyveno Kanaano šalyje, kur jo tėvas buvo ateivis.
1[Ny nankahalan'ny rahalahin'i Josefa azy, sy ny nivarotany azy ho andevo] Ary Jakoba nonina tany amin'ny tany fivahinian'ny rainy, dia tany amin'ny tany Kanana.
2Tokia yra Jokūbo istorija. Juozapas, būdamas septyniolikos metų, ganė su savo broliais avis; vaikinas gyveno su savo tėvo žmonų Bilhos ir Zilpos sūnumis. Juozapas pranešdavo tėvui, kai jie ką pikta kalbėdavo.
2Ary izao no tantaran'i Jakoba: Rehefa fito ambin'ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin'ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin'ny zanak'i Bila sy ny zanak'i Zilpa, vadin'i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.
3Izraelis mylėjo Juozapą labiau už kitus savo sūnus, nes jis gimė jam sulaukus žilos senatvės. Tėvas jam padarė margą apdarą.
3Ary tian'Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava.
4Jo broliai, pastebėję, kad jų tėvas Juozapą myli labiau už visus brolius, neapkentė jo ir nesugyveno su juo.
4Ary nony hitan'ny rahalahiny fa Josefa no tian'ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.
5Kartą Juozapas sapnavo sapną ir jį papasakojo savo broliams. Tada jie ėmė dar labiau jo nekęsti.
5Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin'ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany.
6Jis jiems tarė: “Pasiklausykite mano sapno:
6Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao:
7štai mes rišome pėdus laukuose; mano pėdas atsistojo ir stovėjo tiesus, o jūsų pėdai sustojo aplinkui ir nusilenkė prieš mano pėdą”.
7Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan'ny amboarako.
8Broliai jam atsakė: “Bene būsi mūsų karalius? O gal mus valdysi?” Ir jie dar labiau jo neapkentė dėl jo sapnų ir jo kalbų.
8Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.
9Jis sapnavo dar kitą sapną ir papasakojo savo broliams: “Sapnavau dar vieną sapną, kad saulė, mėnulis ir vienuolika žvaigždžių lenkėsi prieš mane”.
9Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin'ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo niankohoka teo anatrehako.
10Kai jis papasakojo tą sapną savo tėvui ir savo broliams, tėvas jį subarė: “Koks čia sapnas! Nejaugi aš, tavo motina ir broliai ateisime ir nusilenksime iki žemės prieš tave?”
10Ary nambarany tamin'ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao?
11Jo broliai pavydėjo jam, bet tėvas įsidėmėjo tuos žodžius.
11Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany.
12Kartą jo broliai ganė tėvo avis prie Sichemo.
12Ary lasa ny rahalahiny niandry ny ondrin'ny rainy tany Sekema.
13Tėvas tarė Juozapui: “Ar tavo broliai negano prie Sichemo? Eikš, aš tave pasiųsiu pas juos!” Jis atsiliepė: “Aš čia!”
13Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy : Inty Aho.
14“Eik, pažiūrėk, kaip tavo broliams ten sekasi, ir parėjęs pranešk man”. Taigi tėvas išsiuntė Juozapą iš Hebrono slėnio į Sichemą.
14Ary hoy ny rainy taminy: Masìna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman'osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin'ny lohasahan'i Hebrona izy, dia nankany Sekema.
15Vienas vyras sutiko Juozapą beklaidžiojantį lauke ir paklausė: “Ko ieškai?”
15Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao?
16Jis atsakė: “Ieškau savo brolių. Pasakyk man, kur jie gano?”
16Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna ianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry.
17Tas vyras atsakė: “Jie išėjo iš čia. Nugirdau juos kalbant: ‘Eikime į Dotaną’ ”. Juozapas ėjo paskui savo brolius ir rado juos Dotane.
17Ary hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana.
18Jie, iš tolo pamatę jį ateinant, slapta susimokė jį nužudyti.
18Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy.
19Jie sakė vienas kitam: “Štai ateina sapnuotojas!
19Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy.
20Dabar užmuškime jį, įmeskime į duobę ir sakykime: ‘Plėšrus žvėris jį suėdė’; tada pamatysime, kas bus iš jo sapnų!”
20Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin'ny anankiray amin'ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin'ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin'izany na hanao ahoana ny nofiny.
21Bet Rubenas, tai išgirdęs, išgelbėjo jį iš jų rankų, sakydamas: “Nežudykime jo.
21Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin'ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika.
22Nepraliekite kraujo! Įmeskite jį į šitą dykumoje esančią duobę, bet nesutepkite savo rankų!” Jis taip kalbėjo, norėdamas jį išgelbėti iš jų rankų ir sugrąžinti tėvui.
22Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin'io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin'ny tanan'ny rahalahiny hitondrany azy any amin'ny rainy indray.
23Juozapui atėjus pas brolius, jie nutraukė nuo jo margąjį apdarą, kuriuo jis vilkėjo,
23Ary rehefa tonga teo amin'ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy;
24ir, sugriebę jį, įmetė į duobę, kurioje nebuvo vandens.
24dia nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin'izay, fa tsy nisy rano tao.
25Tada jie susėdo valgyti. Staiga jie pamatė izmaelitų karavaną, ateinantį iš Gileado, ir jų kupranugarius, nešančius kvepalų, balzamo ir miros. Jie traukė į Egiptą.
25Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.
26Judas tarė savo broliams: “Ką laimėsime, užmušę savo brolį ir nuslėpę jo kraują?
26Ary hoy Joda tamin'ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny ràny isika?
27Parduokime jį izmaelitams ir nesutepkime savo rankų. Juk jis mūsų brolis, mūsų kūnas!” Broliai paklausė jo.
27Andeha hamidintsika amin'ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tanantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny.
28Einant pro šalį Midjano pirkliams, jie, ištraukę Juozapą iš duobės, pardavė izmaelitams už dvidešimt sidabrinių; tie nusivedė Juozapą į Egiptą.
28Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin'ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin'ny Isimaelita; ary dia nitondra an'i Josefa ho any Egypta ireo.
29Rubenas, sugrįžęs prie duobės ir pamatęs, kad Juozapo nebėra, perplėšė savo drabužius.
29Dia niverina nankeo amin'ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy.
30Sugrįžęs pas brolius, tarė: “Vaiko nebėra! Kur aš eisiu!”
30Dia niverina nankeo amin'ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako?
31Jie paėmė Juozapo apdarą ir, papjovę ožį, tą apdarą pamirkė jo kraujyje
31Ary nalain'ireo rahalahiny ilay akanjon'i Josefa, dia namono zanak'osy izy, ka natsobony tamin'ny rà ny akanjo.
32ir pasiuntė jį tėvui, sakydami: “Štai ką radome. Pažiūrėk, ar tai ne tavo sūnaus apdaras?”
32Dia nampanateriny ho any amin'ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay; koa fantaro na akanjon'ny zanakao ity, na tsia?
33Pažinęs jį, tėvas tarė: “Tai mano sūnaus apdaras! Plėšrus žvėris jį suėdė! Juozapas tikrai sudraskytas!”
33Dia fantany, ka hoy izy: Akanjon'ny zanako io: efa lanin'ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa.
34Jokūbas persiplėšė drabužius, užsivilko ašutinę ir daugelį dienų gedėjo savo sūnaus.
34Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin'ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro.
35Visi jo sūnūs ir dukterys guodė jį, tačiau jis nesidavė guodžiamas ir tarė: “Aš gedėdamas nueisiu į mirusiųjų buveinę pas savo sūnų”. Taip jį apraudojo jo tėvas.
35Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin'ny zanako any amin'ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.Ary ny Midianita nivarotra an'i Josefa tany Egypta tamin'i Potifara, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina.
36Tuo metu midjaniečiai Egipte pardavė jį Potifarui, faraono rūmų valdininkui, sargybos viršininkui.
36Ary ny Midianita nivarotra an'i Josefa tany Egypta tamin'i Potifara, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina.