Lithuanian

Malagasy

Genesis

38

1Judas pasitraukė nuo savo brolių ir apsigyveno pas vieną adulamietį, vardu Hyras.
1[Ny fanambadian'i Joda, sy ny zanany naterany, ary ny nijangajangany tamin'i Tamara] Ary tamin'izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin'ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
2Ten Judas pamatė kanaaniečio Šūvos dukterį ir paėmė ją, ir įėjo pas ją.
2Ary teo no nahitan'i Joda ny zanakavavin'i Soa, lehilahy Kana­nita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.
3Ji pastojo ir pagimdė sūnų, kurį pavadino Eru.
3Dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era.
4Ji pastojo dar kartą ir pagimdė sūnų, kurį pavadino Onanu.
4Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.
5Ir dar kartą ji pastojo, ir pagimdė sūnų, kurį pavadino Šela. Judas tada gyveno Kezibe.
5Dia nanan'anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany natao­ny hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin'ny niterahan'ny vadiny an'i Sela.
6Judas paėmė savo pirmagimiui Erui žmoną, vardu Tamara.
6Ary Joda naka vady ho an'i Era lahimatoany, Tamara no anarany.
7Eras, Judo pirmagimis, buvo nedoras Viešpaties akyse, ir Viešpats jį numarino.
7Fa ratsy fanahy teo imason'1 Jehovah Era, lahimatoan'i Joda; dia novonoin'i Jehovah izy.
8Tada Judas tarė sūnui Onanui: “Įeik pas savo brolio žmoną ir vesk ją, ir atgaivink savo brolio palikuonis”.
8Ary hoy Joda tamin'i Onana: Vadio ny vadin'ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao.
9Onanas žinojo, kad palikuonys nepriklausys jam. Todėl įeidamas pas savo brolio žmoną išliejo sėklą žemėn, kad neduotų broliui palikuonių.
9Ary fantatr'i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin'ny vadin'ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin'ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an'ny rahalahiny.
10Viešpačiui nepatiko jo elgesys, todėl ir jį numarino.
10Ary ratsy teo imason'i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.
11Judas tarė savo marčiai Tamarai: “Gyvenk kaip našlė savo tėvo namuose, kol užaugs mano sūnus Šela”. Nes jis bijojo, kad ir tas nemirtų kaip jo broliai. Tamara nuėjo gyventi į savo tėvo namus.
11Ary hoy Joda tamin'i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben'i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy.
12Po kurio laiko mirė Judo žmona, Šūvos duktė. Gedulo laikui praėjus, Judas su savo draugu adulamiečiu Hyru ėjo į Timną pas savo avių kirpėjus.
12Ary rehefa ela, dia maty ny vadin'i Joda, dia ilay zanakavavin'i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon'i Joda, dia niakatra tany amin'ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany.
13Tamarai buvo pranešta: “Štai tavo uošvis eina į Timną avių kirpti”.
13Dia nisy nanambara tamin'i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny.
14Ji nusivilko savo našlės drabužius, apsidengė šydu ir atsisėdo prie Enaimo vartų, kurie yra pakelėje į Timną. Ji žinojo, kad Šela buvo užaugęs, tačiau ji nebuvo jam duota į žmonas.
14Ary nanaisotra ny akanjony fanaon'ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay eo amin'ny lalana mankany Timna; satria efa hitan'i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen'i Joda ho vadin'i Sela izy.
15Judas ją palaikė paleistuve, nes ji buvo uždengusi savo veidą.
15Ary hitan'i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy.
16Jis pasuko prie jos ir tarė: “Leisk man įeiti pas tave”. Jis nežinojo, kad tai buvo jo marti, o ji klausė: “Ką man duosi?”
16Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao?
17Jis atsakė: “Aš tau atsiųsiu ožiuką iš savo bandos”. Ji paklausė: “Ar duosi man užstatą, kol jį atsiųsi?”
17Dia hoy izy: Hampanatitra zanak'osy avy amin'ny ondry aman'osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy?
18Jis paklausė: “Ko nori užstatu?” Ji atsakė: “Tavo antspaudo, virvės ir lazdos, kuri yra tavo rankoje”. Jis davė jai tai, įėjo pas ją, ir ji pastojo.
18Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy rave­hivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan'anaka taminy ravehivavy.
19Jam išėjus, ji nusiėmė šydą, persirengė našlės drabužiais ir grįžo namo.
19Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon'ny mpitondratena indray.
20Kai Judo draugas adulamietis nuvedė ožiuką, kad atsiimtų užstatą iš moteriškės, jos nerado.
20Dia nampitondrain'i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak'osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy.
21Jis klausinėjo vietos žmonių: “Kur yra paleistuvė, kuri buvo Enaime prie kelio?” Jie atsakė: “Čia nebuvo jokios paleistuvės”.
21Dia nanontany ny olona teo amin'ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima ? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.
22Jis tada sugrįžo pas Judą ir pasakė: “Aš jos neradau, ir tos vietos žmonės sakėsi nieko nežiną apie jokią paleistuvę”.
22Dia niverina tany amin'i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain'ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo.
23Judas tarė: “Tegul pasilaiko mano užstatą, kad neapsijuoktume. Aš jai siunčiau ožiuką, bet tu negalėjai jos surasti”.
23Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak'osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.
24Po trijų mėnesių Judui buvo pranešta: “Tavo marti Tamara paleistuvavo ir pastojo”. Judas liepė: “Atveskite ją, kad ji būtų sudeginta”.
24Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin'i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan'anaka tamin'ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana.
25Kai ją išvedė, ji pasiuntė žinią savo uošviui: “Aš pastojau nuo vyro, kuriam priklauso šitie daiktai. Ištirk, kam priklauso šitas antspaudas, virvė ir lazda”.
25Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin'ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon'ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon'ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.
26Judas atpažinęs tarė: “Ji yra teisesnė už mane, nes aš jos nedaviau savo sūnui Šelai”. Ir daugiau jis jos nepažino.
26Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin'i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.
27Gimdymo metu paaiškėjo, kad dvyniai yra jos įsčiose.
27Ary tamin'ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony.
28Jai begimdant, vienas iškišo ranką. Pribuvėja paėmė ir užrišo ant jo rankos raudoną siūlą, sakydama: “Šitas pirmas išėjo”.
28Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan'ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin'ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
29Bet jis įtraukė ranką atgal, ir štai išėjo jo brolis. Ji tarė: “Štai kaip tu prasiveržei”. Jį tad pavadino Perecu.
29Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin'ny tànany; dia natao­ny hoe Zera no anarany.
30Paskui gimė jo brolis, ant kurio rankos buvo raudonas siūlas; jį pavadino Zerachu.
30Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin'ny tànany; dia natao­ny hoe Zera no anarany.