1Juozapą nuvedė į Egiptą, ir egiptietis Potifaras, faraono rūmų valdininkas, sargybos viršininkas, jį nupirko iš izmaelitų.
1[Ny nanaovana an'i Josefa tao an-trano-maizina] Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.
2Ir Viešpats buvo su Juozapu, ir jam viskas sekėsi. Jis gyveno savo valdovo, egiptiečio, namuose.
2Ary Jehovah nomba an'i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon'ilay Egyptiana tompony izy.
3Jo valdovas pastebėjo, kad Viešpats buvo su juo ir kad visa, ką jis darė, Viešpats laimino.
3Ary hitan'ny tompony fa nomban'i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin'i Jehovah avokoa teo aminy.
4Juozapas rado Potifaro akyse malonę; jis tarnavo jam, ir tas paskyrė jį savo namų prievaizdu, ir visa pavedė jam tvarkyti.
4Ary Josefa nahita fitia teo imason'ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny.
5Nuo to laiko, kai jis paskyrė Juozapą prievaizdu savo namuose, Viešpats laimino egiptiečio namus dėl Juozapo; Viešpaties palaima buvo ant visko, ką jis turėjo namuose ir laukuose.
5Ary hatramin'izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin'izay rehetra nananany dia notahin'i Jehovah ny tranon'ilay Egyptiana noho ny amin'i Josefa; ary ny fitahian'i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha.
6Jis visa, ką turėjo, pavedė Juozapui; pats niekuo nesirūpino, tik maistu, kurį valgė. Juozapas buvo dailus ir gražaus veido.
6Dia navelany ho andraikitr'i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy.
7Po kurio laiko jo valdovo žmona atkreipė dėmesį į Juozapą ir tarė: “Sugulk su manimi”.
7Ary taorian'izany ny vadin'ny tompony nanopy ny masony hijery an'i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko.
8Bet jis jai atsakė: “Mano valdovas niekuo nesirūpina ir visa, ką jis turi, atidavė į mano rankas.
8Dia nandà izy ka nanao tamin'ny vadin'ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa.
9Šiuose namuose nėra didesnio už mane, ir jis nieko man nedraudžia išskyrus tave, nes tu esi jo žmona. Kaip tad galėčiau padaryti tokią piktadarystę ir nusidėti prieš Dievą?”
9Tsy misy lehibe noho izaho raha amin'ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin'Andriamanitra?
10Ji kiekvieną dieną kalbino Juozapą, tačiau jis nesutiko sugulti ir būti su ja.
10Ary na dia niteny tamin'i Josefa isan'andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy.
11Vieną dieną Juozapas atėjo į namus savo reikalais ir nieko daugiau tuo metu namuose nebuvo.
11Ary tamin'ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin'izay.
12Ji nutvėrė jį už jo drabužio ir sakė: “Sugulk su manimi”. Bet jis, išsinėręs iš drabužio, ištrūko ir išbėgo laukan.
12Dia nisambotra azy tamin'ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe : Avia handry amiko; fa navelan'i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano.
13Pamačiusi, kad jis paliko savo drabužį jos rankoje ir išbėgo laukan,
13Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy,
14ji pasišaukė namiškius ir jiems tarė: “Žiūrėkite! Jis atvedė mums vyrą, hebrają, kad tas tyčiotųsi iš mūsų. Jis atėjo pas mane, norėdamas sugulti su manimi, bet aš ėmiau garsiai šaukti.
14dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin'ny feo mahery aho;
15Kai jis išgirdo mane šaukiant, paliko drabužį pas mane ir išbėgo”.
15ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano.
16Ji pasilaikė jo drabužį, kol grįžo valdovas.
16Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon'i Josefa, mandra-pahatongan'ny tompony tao an-trano.
17Tada ji tais pačiais žodžiais kalbėjo jam: “Pas mane atėjo tas vergas, hebrajas, kurį mums atvedei, kad pasityčiotų iš manęs.
17Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy;
18Bet kai aš pradėjau garsiai šaukti, jis paliko savo drabužį pas mane ir išbėgo”.
18ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy.
19Valdovas, išgirdęs žmonos žodžius, kuriais ji kalbėjo: “Taip tavo vergas pasielgė su manimi”, užsidegė pykčiu.
19Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.
20Ir Juozapo valdovas paėmė jį, ir atidavė į kalėjimą, kur kalėjo karaliaus kaliniai.
20Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy.
21Bet Viešpats buvo su Juozapu ir parodė jam savo gailestingumą, ir davė jam rasti malonę kalėjimo viršininko akyse.
21Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina.
22Šis pavedė Juozapui rūpintis visais kaliniais ir visi darbai buvo jo priežiūroje.
22Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony.Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.
23Kalėjimo viršininkas niekuo nesidomėjo, kas buvo Juozapui pavesta, nes Viešpats buvo su juo ir visuose darbuose jam duodavo sėkmę.
23Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.