Lithuanian

Malagasy

Genesis

41

1Dvejiems metams praėjus, faraonas sapnavo: jis stovėjo prie upės,
1[Ny nilazan'i Josefa ny nofin'i Farao, sy ny nanandratana azy ho mpanapaka any Egypta] Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron'i Neily izy.
2ir iš jos išlipo septynios karvės, gražios ir riebios, ir jos ganėsi lankoje.
2Koa, indreo, nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy teo Neily ka nihinana teny amin'ny bararata.
3O po jų išlipo iš upės kitos septynios karvės, bjaurios ir liesos, ir atėjo prie tų karvių upės pakrantėje.
3Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily nanaraka azy, ka dia nijanona teo anilan'ireo ombivavy teo amoron'i Neily.
4Liesosios karvės surijo anas septynias gražiąsias ir riebiąsias karves. Ir faraonas pabudo.
4Ary ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia nahatsiaro Farao.
5Vėl užmigęs sapnavo antrą kartą: septynios varpos išaugo iš vieno stiebo, pilnos ir gražios.
5Ary natory indray izy ka nanonofy fanindroany; ary, indro, nisy salohim-bary fito niseho tamin'ny tahony iray, sady vokatra no tsara.
6O po jų išdygo septynios tuščios ir rytų vėjo išdžiovintos varpos.
6Ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito maivam-boa sady main'ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny.
7Tuščiosios varpos prarijo septynias pilnąsias ir gražiąsias varpas. Faraonas pabudo ir suprato, kad tai sapnas.
7Ary ny salohim-bary maivam-boa nitelina ny salohim-vary fito vokatra sy be voa. Dia nahatsiaro Farao, koa indro fa nofy ihany izany.
8Tą rytą faraonas buvo neramus. Jis pasikvietė visus Egipto žynius ir išminčius ir papasakojo jiems savo sapnus, bet nebuvo nė vieno, kuris galėtų juos išaiškinti.
8Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran'i Farao tamin'ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin'i Farao.
9Tada vyno pilstytojų viršininkas kalbėjo faraonui: “Aš šiandien prisimenu savo nusikaltimus.
9Dia niteny tamin'i Farao ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny fahadisoako:
10Faraonas buvo užsirūstinęs ant savo tarnų ir atidavė mane ir vyriausiąjį duonkepį uždaryti į sargybos viršininko kalėjimą.
10Farao dia tezitra tamin'ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin'ny tranon'ny mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo.
11Ir mudu sapnavome sapną tą pačią naktį, ir kiekvieno sapnas turėjo savo reikšmę.
11Ary nanonofy izahay indray alina, dia izaho sy izy; samy nanonofy araka ny hevitry ny nofinay avy izahay.
12Su mumis buvo jaunuolis hebrajas, sargybos viršininko vergas. Mes jam papasakojome savo sapnus, ir jis mums išaiškino mūsų sapnų reikšmę.
12Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon'ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.
13Kaip jis išaiškino, taip ir įvyko: mane sugrąžino į mano tarnybą, o aną pakorė”.
13Ary samy tonga araka izay efa nolazainy taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao amin'ilay nipetrahako, fa izy kosa nahantony.
14Tada faraonas pasiuntė pakviesti Juozapą, ir jie skubiai jį išleido iš kalėjimo. Jis, nusiskutęs ir pakeitęs drabužius, atėjo pas faraoną.
14Dia naniraka Farao ka nampaka an'i Josefa, dia nalaina faingana niala tao an­davaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin'i Farao.
15Faraonas tarė Juozapui: “Sapnavau sapną, ir nėra nė vieno, kuris galėtų jį išaiškinti. Aš girdėjau, kad tu gerai aiškini sapnus”.
15Ary hoy Farao tamin'i Josefa : Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho nahare fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny.
16Juozapas atsakė faraonui: “Ne aš, o Dievas duos faraonui palankų aiškinimą”.
16Ary Josefa dia namaly an'i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan'i Farao.
17Faraonas pasakojo Juozapui: “Sapnavau stovįs ant upės kranto.
17Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Nofiko fa indro, hono, nitsangana teo amoron'i Neily aho;
18Iš upės išlipo septynios karvės, riebios ir gražios, ir jos ganėsi lankoje.
18koa, indreo, nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy teo Neily; ary nihinana teny amin'ny bararata ireny.
19Po jų išlipo kitos septynios karvės, menkos, labai bjaurios ir liesos. Aš nesu matęs tokių bjaurių karvių visoje Egipto šalyje.
19Ary, indreo, nisy ombivavy fito hafa koa niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy tarehy indrindra no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin'ny tany Egypta rehetra.
20Liesosios ir bjauriosios karvės surijo anas septynias riebiąsias karves.
20Ary ireo ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy dia nihinana ireo ombivavy fito matavy izay nialoha azy.
21Tačiau nebuvo žymu, kad jos būtų ką prarijusios; jos tebebuvo liesos kaip pradžioje. Po to aš pabudau.
21Ary rehefa nihinana azy izy, dia tsy fantatra akory fa efa mby ao an-kibony ireny; fa mbola ratsy tarehy tahaka ny tamin'ny fahiny ihany izy. Dia nahatsiaro aho.
22Sapne aš dar regėjau: septynios varpos išaugo iš vieno stiebo, pilnos ir gražios.
22Ary hitako tamin'ny nofiko indray, ka, indreo nisy salohim-bary fito niseho tamin'ny tahony iray, sady vokatra no tsara;
23Po jų išdygo septynios tuščios, plonos ir rytų vėjo išdžiovintos varpos.
23ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito sady malazo no maivam-boa, main'ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny;
24Plonosios varpos prarijo septynias gražiąsias varpas. Aš tai papasakojau žyniams, bet nė vienas negalėjo išaiškinti”.
24ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito vokatra. Ary nolazaiko tamin'ny ombiasy izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko.
25Juozapas atsakė faraonui: “Faraono sapnai reiškia vieną ir tą patį. Dievas parodė faraonui, ką Jis ketina daryti.
25Ary hoy Josefa tamin'i Farao: Ny nofin'i Farao dia iray ihany; izay efa hataon'Andriamanitra no nambarany tamin'i Farao.
26Septynios gražiosios karvės yra septyneri metai ir septynios gražiosios varpos yra septyneri metai. Sapnas reiškia vieną ir tą patį.
26Ny ombivavy fito tsara tarehy dia fito taona; ary ny salohim-bary fito vokatra koa dia fito taona; iray ihany ny nofy.
27O septynios plonosios ir bjauriosios karvės ir septynios tuščiosios, rytų vėjo išdžiovintos varpos yra septyneri ateinančio bado metai.
27Ary ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady main'ny rivotra avy any atsinanana, dia ho fito taona mosarena.
28Todėl aš sakiau faraonui, kad Dievas parodė jam, ką Jis ketina daryti.
28Izany dia ilay efa nolazaiko tamin'i Farao teo hoe: Izay efa hataon'Andriamanitra no asehony amin'i Farao.
29Ateina septyneri didelio pertekliaus metai visoje Egipto šalyje.
29Indro, hisy fito taona zina indrindra eran'ny tany Egypta rehetra;
30Bet po jų seks septyneri bado metai, per kuriuos pasimirš buvusi gausa; badas sunaikins šalį.
30ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin'ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany;
31Buvęs perteklius bus užmirštas šalyje dėl bado, nes jis bus labai baisus.
31ary ny fahavokarana eo amin'ny tany tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy izany; fa ho mafy indrindra izany.
32Du kartus pasikartojęs faraono sapnas reiškia, jog tai yra tikrai Dievo nustatyta ir greitai įvyks.
32Ary naverina indroa ny nofin'i Farao, satria efa voatendrin'Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin'Andriamanitra faingana.
33Dabar faraonas tegul parenka protingą ir sumanų vyrą ir paskiria jį Egipto šalies valdytoju.
33Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta.
34Tegul įsako faraonas paskirti prievaizdus visoje šalyje, kurie surinks penktąją Egipto šalies derliaus dalį per septynerius derlingus metus.
34Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin'ny vokatry ny tany Egypta amin'ny taon-jina fito.
35Visą šitą būsimųjų gerų metų derlių tegul supila į aruodus, esančius faraono valdomuose miestuose, ir tegul saugoja jį maistui.
35Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin'ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin'ny anaran'i Farao ho fihinana any amin'ny tanana maro, ka aoka hitahiry izany izy
36Tas maistas bus atsarga septyneriems bado metams, kurie vargins Egipto šalį, kad kraštas nepražūtų bado metu”.
36Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao amin'ny tany ho amin'ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin'ny tany Egypta, mba tsy ho simban'ny mosary ny tany.
37Tas patarimas patiko faraonui ir visiems jo tarnams,
37Ary sitrak'i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany.
38ir jis tarė: “Ar rasime tokį vyrą kaip šis, kuriame būtų Dievo Dvasia?”
38Dia hoy Farao tamin'ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin'Andriamanitra ao anatiny, va isika?
39Faraonas kalbėjo Juozapui: “Kadangi Dievas tau visa tai apreiškė, tai nėra nė vieno, kuris būtų toks protingas ir sumanus kaip tu.
39Ary hoy koa Farao tamin'i Josefa: Satria efa nampahafantarin'Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao;
40Tu būsi mano namų valdytoju, ir tavo žodžio klausys visi žmonės. Tik sostu aš būsiu aukščiau tavęs”.
40koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.
41Toliau faraonas tarė Juozapui: “Aš tave skiriu visos Egipto šalies valdytoju”.
41Ary hoy indray Farao tamin'i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho.
42Faraonas numovė nuo savo piršto žiedą ir jį užmovė Juozapui; ir aprengė jį ploniausios drobės drabužiais, ir užkabino jam ant kaklo auksinę grandinę.
42Dia nesorin'i Farao ny peratra tamin'ny tanany ka nataony tamin'ny tànan'i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony;
43Ir liepė jį vežti savo antruoju vežimu, ir priešakyje jo šaukti: “Klaupkitės!” Tuo būdu jis tapo visos Egipto šalies valdytoju.
43dia nampitaingeniny teo anatin'ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy.
44Be to, faraonas tarė Juozapui: “Aš faraonas, ir be tavo žinios niekas nepakels nei rankos, nei kojos visoje Egipto šalyje!”
44Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin'ny tany Egypta rehetra.
45Faraonas pavadino Juozapą Cafnat Paneachu ir jam davė žmoną Asenatą, Ono kunigo Potiferos dukterį. Ir Juozapas keliavo po visą Egipto šalį.
45Ary nataon'i Farao hoe Zafenata-panea no anaran'i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta.
46Juozapas buvo trisdešimties metų amžiaus, kai jis stovėjo faraono, Egipto karaliaus, akivaizdoje ir išėjęs iš faraono apkeliavo visą Egipto žemę.
46Ary efa telo-polo taona Josefa, raha niseho teo anatrehan'i Farao, mpanjakan'i Egypta. Dia niala teo anatrehan'i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra.
47Per septynerius pertekliaus metus šalyje viskas gausiai užderėjo.
47Ary ny tany dia nahavokatra tsy omby fàmpana tamin'ny taon-jina fito.
48Jis surinko visą septynerių metų maistą ir sukrovė jį miestų sandėliuose. Aplink kiekvieną miestą esančių laukų derlių jis sukrovė tame mieste.
48Dia namory ny hanina rehetra tamin'izany fito taona izany teo amin'ny tany Egypta izy ka nitahiry izany tao amin'ny tanàna rehetra: ny vokatry ny saha manodidina ny isan-tanàna dia notehiriziny tao anatin'ny tanàna.
49Juozapas pripildė aruodus javų kaip jūros smilčių, tiek daug, kad jų nebuvo įmanoma suskaičiuoti.
49Ary Josefa namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy nanisa intsony izy, satria efa tsy hita isa.
50Prieš užeinant bado metams, Juozapui gimė du sūnūs iš Asenatos, Ono kunigo Potiferos dukters.
50Ary nisy zazalahy roa naterak'i Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, tamin'i Josefa, raha tsy mbola tonga ny taona mosarena.
51Juozapas pirmąjį pavadino Manasu: “Dievas leido man pamiršti visą mano vargą ir mano tėvo namus”.
51Ary ny anaran'ny lahimatoa dia nataon'i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon'ny raiko.
52Antrąjį jis pavadino Efraimu: “Dievas padarė mane vaisingą mano vargo šalyje”.
52Ary ny anaran'ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin'ny tanin'ny fahoriako.
53Pasibaigė septyneri pertekliaus metai Egipto šalyje.
53Ary tapitra ny taon-jina fito teo amin'ny tany Egypta;
54Prasidėjo septyneri bado metai, kaip Juozapas buvo sakęs. Badas siautė visose šalyse, tačiau Egipte buvo duonos.
54dia niandoha kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain'i Josefa; ary nisy mosary tany amin'ny tany rehetra; nefa eran'ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina ihany.
55Badui prasidėjus visoje Egipto šalyje, žmonės kreipėsi į faraoną, prašydami duonos. Faraonas sakė: “Eikite pas Juozapą! Ką jis jums sakys, darykite”.
55Ary rehefa mosarena ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin'i Farao ny olona; ary hoy Farao tamin'ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin'i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy.
56Badas išsiplėtė visoje žemėje. Juozapas atidarė javų sandėlius ir pardavinėjo javus egiptiečiams, nes kilo baisus badas Egipto šalyje.
56Ary ny mosary dia tany amin'ny tany rehetra. Ary Josefa namoha ny trano fitehirizam-bary ka nivaro-bary tamin'ny Egyptiana.Ary ny tany rehetra nankany Egypta ho any amin'i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny mosary tany amin'ny tany rehetra.
57Iš įvairių kraštų žmonės ėjo į Egiptą pas Juozapą pirkti javų, nes buvo baisus badas visose šalyse.
57Ary ny tany rehetra nankany Egypta ho any amin'i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny mosary tany amin'ny tany rehetra.