Lithuanian

Malagasy

Genesis

42

1Jokūbas, išgirdęs, kad javai parduodami Egipte, tarė savo sūnums: “Ko žiūrite vienas į kitą?
1[Ny nandehanan'ny zanak'i Jakoba hividy vary tany Egypta, sy ny nihaonany tamin'i Josefa]Ary fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin'ny zananilahy: Nahoana no mifampijery foana ianareo ?
2Girdėjau, kad javai parduodami Egipte. Vykite tenai ir nupirkite javų, kad gyventume ir nemirtume”.
2Dia hoy koa izy: Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha midina any ianareo, ka mividia ho antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty.
3Dešimt Juozapo brolių iškeliavo pirkti javų į Egiptą.
3Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin'i Josefa mba hividy vary tany Egypta.
4Tačiau Jokūbas neleido Juozapo brolio Benjamino eiti su broliais, nes bijojo, kad jam neatsitiktų nelaimė.
4Fa Benjamina, rahalahin'i Josefa, tsy mba nampandehanin'i Jakoba niaraka tamin'ny rahalahiny; fa hoy izy: Andrao hisy loza hanjo azy.
5Izraelio sūnūs kartu su kitais atėjo pirkti javų, nes badas siautė Kanaano šalyje.
5Dia tonga ny zanak'Isiraely mba hividy vary niaraka tamin'izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana.
6Juozapas buvo Egipto šalies valdytojas. Jis pardavinėjo javus visoms žemės tautoms. Atėję Juozapo broliai nusilenkė prieš jį iki žemės.
6Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin'ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin'i Josefa ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
7Juozapas, pamatęs savo brolius, atpažino juos, bet jis elgėsi su jais tarsi su svetimais. Šiurkščiai su jais kalbėdamas, klausė: “Iš kur atvykote?” Jie atsakė: “Iš Kanaano šalies maisto pirkti”.
7Ary hitan'i Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza ianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin'ny tany Kanana izahay mba hividy hanina.
8Juozapas atpažino savo brolius, tačiau jie neatpažino jo.
8Ary fantatr'i Josefa ny rahalahiny, nefa izy ireo kosa tsy mba nahafantatra azy.
9Juozapas atsiminė sapnus, kuriuos jis sapnavo apie juos, ir jiems tarė: “Jūs esate žvalgai! Atvykote išžvalgyti silpnesniųjų šalies vietų”.
9Ary Josefa nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo ianareo; hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo.
10Jie atsakė jam: “Ne, mūsų viešpatie! Tavo tarnai atėjo nusipirkti maisto.
10Fa hoy izy ireo taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao.
11Mes visi esame vieno vyro sūnūs, dori žmonės. Tavo tarnai nėra žvalgai”.
11Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao.
12Tačiau jis jiems tarė: “Ne! Jūs atėjote išžvalgyti silpnesniųjų šalies vietų!”
12Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo.
13Jie atsakė: “Tavo tarnų yra dvylika brolių, vieno tėvo sūnų, Kanaano šalyje. Jauniausias liko pas tėvą namuose, o vieno jau nebėra”.
13Fa hoy izy; Roa ambin'ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin'ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony.
14Bet Juozapas jiems atsakė: “Yra taip, kaip jums sakiau. Jūs esate žvalgai!
14Ary hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo ianareo no marina;
15Taip jūs būsite ištirti. Prisiekiu, kaip gyvas faraonas, jūs neišeisite iš čia, kol atvyks jūsų jaunesnysis brolis!
15dia izao àry no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala atỳ ianareo, raha tsy tonga atỳ izany zandrinareo faralahy izany.
16Pasiųskite vieną iš jūsų atvesti jūsų brolį! Jūs būsite suimti, kol bus ištirti jūsų žodžiai, ar tiesą sakote, ar meluojate. Jei ne, kaip gyvas faraonas, jūs esate žvalgai!”
16Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa ianareo.
17Tris dienas jis išlaikė juos suimtus.
17Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra.
18Trečią dieną Juozapas jiems tarė: “Išliksite gyvi su viena sąlyga, nes aš bijau Dievo.
18Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona ianareo; fa izaho matahotra an'Andriamanitra:
19Jei jūs esate dori, vienas iš jūsų telieka suimtas, o kiti keliaukite, pargabenkite javų savo šeimoms nuo bado apsiginti.
19Raha olo-marina ary ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo mirahalahy avy no hafatotra ao amin'ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo hitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo;
20Bet atveskite pas mane savo jauniausiąjį brolį, kad jūsų žodžiai pasirodytų tikri ir nemirtumėte!”
20ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina ianareo. Ary nataony izany.
21Jie kalbėjosi: “Iš tikrųjų esame nusikaltę savo broliui: mes matėme jo sielvartą, kai jis mus maldavo, bet neklausėme. Todėl šita bėda užklupo mus”.
21Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin'ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian'ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan'izao fahoriana izao amintsika.
22Rubenas sakė jiems: “Ar aš jums nesakiau: ‘Nenusikalskite prieš vaiką!’ Bet jūs neklausėte. Todėl štai išieškomas jo kraujas”.
22Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin'ny zaza? nefa tsy mba nihaino ianareo; koa indro fa adinina ny ràny izao.
23Jie nežinojo, kad Juozapas suprato jų kalbą, nes jis su jais kalbėjo per vertėją.
23Ary izy ireo tsy mba nahalala fa Josefa nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny niresahany taminy.
24Pasitraukęs nuo jų, jis verkė. Tada sugrįžęs pas juos, kalbėjo toliau. Jis paėmė iš jų Simeoną ir jį surišo jų akyse.
24Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an'i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.
25Juozapas įsakė pripildyti jų maišus javais, kiekvieno pinigus įdėti atgal į maišą ir jiems duoti davinį kelionei. Tarnai taip ir padarė.
25Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan'ny isan-dahy ho ao anatin'ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao izany taminy izy.
26Susikrovę savo javų maišus ant asilų, jie iškeliavo.
26Ary natainginy tamin'ny borikiny ny vary, dia lasa nandeha izy.
27Vienas atrišo savo maišą užeigoje, norėdamas pašerti asilą, ir pamatė pinigus. Jie buvo maišo viršuje.
27Ary raha nosokafan'ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin'izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan'ny lasakany izany.
28Jis sušuko broliams: “Mano pinigai grąžinti man. Štai jie maiše!” Jų širdys nusiminė, ir jie drebėdami žiūrėjo vienas į kitą ir kalbėjo: “Ką Dievas mums padarė?”
28Dia hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin'ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon'Andriamanitra amintsika izao ?
29Parėję pas savo tėvą Jokūbą į Kanaano šalį, jie papasakojo jam visa, kas jiems nutiko:
29Ary tonga tany amin'i Jakoba rainy, tany amin'ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy izay rehetra efa nanjo azy, ka hoy izy :
30“Vyras, tos šalies valdovas, šiurkščiai kalbėjo su mumis ir mus palaikė žvalgais.
30Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon'ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany izahay.
31Mes jam sakėme: ‘Esame dori žmonės, o ne žvalgai.
31Ary hoy izahay taminy: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory;
32Mes esame dvylika brolių, vieno tėvo sūnūs. Vieno nebėra, o jauniausias yra pas mūsų tėvą Kanaano šalyje’.
32roa ambin'ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny faralahy dia any amin'ny rainay any amin'ny tany Kanana ankehitriny.
33Tas vyras, šalies valdovas, mums atsakė: ‘Patikrinsiu, ar esate dori. Vieną jūsų brolį palikite pas mane, paimkite, ko reikia jūsų šeimoms nuo bado apsiginti, keliaukite
33Dia hoy ralehilahy, tompon'ny tany, taminay: Izao ary no hahafantarako fa olo-marina ianareo : ny anankiray aminareo mirahalahy avy dia avelao atỳ amiko, ka mitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo, dia mandehana;
34ir atsiveskite savo jauniausiąjį brolį, kad įsitikinčiau, jog nesate žvalgai. Tada aš jums atiduosiu jūsų brolį ir galėsite laisvai keliauti!’ ”
34ary ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy, dia ho fantatro fa tsy mba mpisafo ianareo, fa olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo, ka dia hanao varotra eto amin'ny tany ianareo.
35Išpylę maišus, kiekvienas rado įrištus savo pinigus. Jie ir jų tėvas, pamatę pinigus, nusigando.
35Ary raha nandraraka izay tao anatin'ny lasakany izy ireo, dia, indro, ny volany am-ponosana samy teo anatin'ny lasakany avy; ary rehefa nahita ny volany am-ponosana izy sy ny rainy, dia samy raiki-tahotra.
36Jų tėvas Jokūbas kalbėjo: “Jūs padarėte, kad netekau vaikų! Juozapo nebėra, Simeono nebėra, ir Benjaminą norite paimti. Viskas atsisuko prieš mane”.
36Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin'izany rehetra izany,
37Rubenas atsakė savo tėvui: “Nužudyk mano du sūnus, jei aš jo neparvesiu! Patikėk jį man ir aš tau jį sugrąžinsiu”.
37Ary Robena niteny tamin'ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray.Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin'ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny volo fotsiko.
38Tėvas tarė: “Mano sūnus nekeliaus su jumis, nes jo brolis yra miręs ir jis likęs man vienas. Jei kelyje atsitiks jam nelaimė, tai jūs nuvarysite mano žilus plaukus su sielvartu į kapus”.
38Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin'ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny volo fotsiko.