1Juozapas nebegalėjo susivaldyti ir sušuko esantiems su juo: “Išeikite iš čia!” Nieko nebuvo prie jo, kai Juozapas prisipažino savo broliams.
1Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao izay hahafantaran'ny rahalahiny azy izy.
2Jis taip garsiai verkė, kad išgirdo egiptiečiai ir faraono namai.
2Dia nitomany mafy izy, ka ren'ny Egyptiana, ary ren'ny tao an-tranon'i Farao koa.
3Juozapas tarė savo broliams: “Aš esu Juozapas. Ar mano tėvas dar gyvas?” Jo broliai išsigandę negalėjo nė žodžio ištarti.
3Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo.
4Juozapas tarė savo broliams: “Prieikite prie manęs!” Jiems priėjus, jis kalbėjo: “Aš esu Juozapas, jūsų brolis, kurį pardavėte į Egiptą.
4Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.
5Nesisielokite ir nebijokite, kad mane pardavėte. Jūsų gyvybei išlaikyti Dievas mane siuntė pirma jūsų!
5Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.
6Tik dveji metai, kai badas žemėje; jis dar tęsis penkerius metus, kuriais nebus nei ariama, nei pjaunama.
6Fa roa taona izao no efa nisian'ny mosary teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
7Dievas atsiuntė mane pirma jūsų, kad išsaugotų jūsų palikuonis ir išgelbėtų jūsų gyvybes dideliu išgelbėjimu.
7Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe.
8Taigi ne jūs mane čia atsiuntėte, bet Dievas. Jis mane padarė tėvu faraonui, visų jo namų tvarkytoju ir Egipto šalies valdytoju.
8Ary amin'izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain'i Farao, sy ho tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.
9Skubiai keliaukite pas mano tėvą ir jam sakykite: ‘Taip sako Juozapas: ‘Dievas mane padarė viso Egipto viešpačiu. Atvyk pas mane, negaišk!
9Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin'ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'i Josefa zanakao: Efa nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona;
10Gyvensi Gošeno krašte ir būsi arti manęs tu, tavo sūnūs ir vaikaičiai, tavo avys, galvijai ir visa, kas tau priklauso.
10dia honina eo amin'ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman'osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao.
11Aš tave viskuo aprūpinsiu dar penkerius bado metus, kad tu nenuskurstum su savo šeima’.
11Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.
12Jūs ir mano brolis Benjaminas mato, kad aš jums kalbu.
12Ary, indro, hitan'ny masonareo sy ny mason'i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo.
13Praneškite mano tėvui apie visą mano garbę Egipte ir apie visa, ką matote, ir skubiai atgabenkite čia mano tėvą!”
13Dia hambaranareo amin'ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento midina atỳ ikaky.
14Tada jis puolė savo broliui Benjaminui ant kaklo ir abu verkė.
14Dia namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin'ny vozony.
15Jis bučiavo visus savo brolius verkdamas. Po to jo broliai kalbėjosi su juo.
15Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny.
16Faraono namuose pasklido žinia: “Atvyko Juozapo broliai”. Tai patiko faraonui ir jo tarnams.
16Ary re tao an-tranon'i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin'i Josefa; dia sitrak'i Farao sy ny mpanompony izany.
17Faraonas tarė Juozapui: “Sakyk savo broliams: ‘Apkraukite savo gyvulius ir, sugrįžę į Kanaano šalį,
17Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Lazao amin'ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho entin'ny bibinareo, ka mankanesa any amin'ny tany Kanana;
18pasiimkite savo tėvą bei šeimas, ir ateikite pas mane. Aš jums duosiu Egipto geriausią dalį, kad maitintumėtės žemės gėrybėmis’.
18ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin'ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin'ny tany ianareo.
19Be to, jiems sakyk: ‘Pasiimkite iš Egipto šalies vežimų savo vaikams bei žmonoms ir, paėmę savo tėvą, ateikite.
19Ary ankehitriny efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin'ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atỳ.
20Negailėkite savo daiktų palikti, nes geriausia, ką Egipto šalis turi, priklausys jums’ ”.
20Aza malahelo ny amin'ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin'ny tany Egypta rehetra.
21Izraelio sūnūs taip ir padarė. Juozapas jiems davė vežimus, kaip faraonas įsakė, ir maisto kelionei.
21Ary nataon'ny zanak'Isiraely izany, ka dia nomen'i Josefa sariety izy, araka ny tenin'i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy.
22Jis davė kiekvienam jų po vieną naują drabužį, o Benjaminuitris šimtus sidabrinių ir penkis naujus drabužius.
22Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova.
23Savo tėvui jis pasiuntė dešimt asilų, nešančių Egipto gėrybes, ir dešimt asilių, apkrautų javais bei maistu kelionei.
23Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an'ny rainy ho entiny eny an-dalana.
24Jis išleido savo brolius ir, jiems išvykstant, tarė: “Nesibarkite kelionėje!”
24Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo.
25Ir jie išėjo iš Egipto, ir atėjo į Kanaano žemę pas savo tėvą Jokūbą.
25Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin'i Jakoba rainy tany amin'ny tany Kanana.
26Ir pranešė jam: “Juozapas gyvas ir yra visos Egipto šalies valdytojas”. Jokūbo širdis apmirė, nes jis netikėjo jais.
26Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon'i Jakoba, fa tsy nino azy izy.
27Ir jie persakė jam visus Juozapo žodžius, kuriuos jis jiems kalbėjo. Kai pamatė vežimus, kuriuos atsiuntė Juozapas, kad jį parvežtų, jų tėvo Jokūbo dvasia atgijo.
27Dia nolazain'izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain'i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain'i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin'i Jakoba rainyAry hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.
28Ir Izraelis pasakė: “Užtenka! Mano sūnus Juozapas dar gyvas. Eisiu ir pamatysiu jį prieš numirdamas”.
28Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.