Lithuanian

Malagasy

Genesis

46

1Izraelis išsirengė su viskuo, ką turėjo, ir, atėjęs į Beer Šebą, aukojo aukas savo tėvo Izaoko Dievui.
1[Ny nifindran'Isiraely sy ny ankohonany ho any amin'ny tany Egypta] Ary niainga Isiraely nitondra izay rehetra nananany ka nankany Beri-sheba, dia namono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitr'Isaka rainy izy.
2Dievas kalbėjo Izraeliui nakties regėjime: “Jokūbai, Jokūbai!” Tas atsiliepė: “Aš čia”.
2Ary Andriamanitra niteny tamin'Isiraely tao amin'ny fahitana nony alina ka nanao ho : Ry Jakoba, ry Jakoba ô! Ary hoy kosa izy: Inty aho.
3Jis kalbėjo: “Aš esu tavo tėvo Dievas, nebijok eiti į Egiptą; ten padarysiu iš tavęs didelę tautą!
3Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao.
4Aš lydėsiu tave į Egiptą ir parvesiu atgal, o Juozapas savo ranka užspaus tavo akis”.
4Izaho hiara-midina aminao ho any Egypta; ary Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa ary ny tànan'i Josefa no hanirina ny masonao.
5Tada Jokūbas išėjo iš Beer Šebos. Izraelio sūnūs vežė tėvą Jokūbą, savo vaikus ir žmonas vežimuose, kuriuos faraonas atsiuntė jiems.
5Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak'Isiraely nitondra an'i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin'ny sariety, izay efa nampitondrain'i Farao hitondrana azy.
6Jie pasiėmė gyvulius ir visą savo turtą, kurį buvo įsigiję Kanaano šalyje, ir atėjo į Egiptą; Jokūbas ir su juo visi jo palikuonys:
6Ary nentin'izy ireo ny omby aman'ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:
7sūnūs, vaikaičiai, dukterys bei jo sūnų dukterys. Visus savo palikuonis jis atsivedė į Egiptą.
7ny zananilahy sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra.
8Šitie yra vardai Izraelio vaikų, atėjusių į Egiptą. Jokūbas, jo pirmagimis­Rubenas.
8Ary izao no anaran'ny zanak'Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy :
9Rubeno sūnūs: Henochas, Paluvas, Hecronas ir Karmis.
9Robena, lahimatoan'i Jakoba. Ary ny zanakalahin-dRobena dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy
10Simeono sūnūs: Jemuelis, Jaminas, Ohadas, Jachinas, Coharas ir kanaanietės sūnus Saulius.
10Ary ny zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy Jamina sy Ohada sy Jakina sy Zohara ary Saoly, zanakalahin'ny vehivavy Kananita.
11Levio sūnūs: Geršonas, Kehatas ir Meraris.
11Ary ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata atỳ Merary.
12Judo sūnūs: Eras, Onanas, Šela, Perecas ir Zerachas. Tačiau Eras ir Onanas mirė Kanaano šalyje. Faro sūnūs: Esromas ir Hamulas.
12Ary ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin'i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
13Isacharo sūnūs: Tola, Pūva, Jobas ir Šimronas.
13Ary ny zanakalahin'Isakara dia Tola sy Pova sy Joba ary Simrona.
14Zabulono sūnūs: Seredas, Elonas ir Jachleelis.
14Ary ny zanakalahin'i Zebolona dia Sereda sy Elona ary Jahalela.
15Šitie yra Lėjos sūnūs, kuriuos ji pagimdė Jokūbui Mesopotamijoje, ir duktė Dina; iš viso sūnų bei dukterų buvo trisdešimt trys asmenys.
15lreo no zanakalahin'i Lea izay naterany tamin'i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zananivavy; ny isan'ny zananilahy rehetra mbamin'ny zananivavy dia telo amby telo-polo.
16Gado sūnūs: Cifjonas, Hagis, Šūnis, Ecbonas, Eris, Arodis ir Arelis.
16Ary ny zanakalahin'i Gada dia Zifiona sy Hagy sy Sony sy Ezbona sy Erỳ sy Aroda ary Arely.
17Ašero vaikai: Imna, Išva, Išvis, Berija ir jų sesuo Seracha. Berijos sūnūs: Heberas ir Malkielis.
17Ary ny zanak'i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria ary Sera, anabavin'ireo; ary ny zanakalahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela.
18Šitie yra vaikai Zilpos, kurią Labanas davė savo dukteriai Lėjai; jų buvo šešiolika asmenų.
18Ireo no zanak'i Zilpa, izay nomen'i Labana an'i Lea zananivavy, ary ireo no naterany tamin'i Jakoba, dia enina ambin'ny folo izy.
19Jokūbo žmonos Rachelės sūnūs: Juozapas ir Benjaminas.
19Ny zanakalahin-dRahely, vadin'i Jakoba dia Josefa sy Benjamina.
20Juozapas susilaukė Egipto šalyje dviejų sūnų­Manaso ir Efraimo, kuriuos jam pagimdė Ono kunigo Potiferos duktė Asenata.
20Ary ny zanakalahin'i Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak'i Josefa tany amin'ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima.
21Benjamino sūnūs: Bela, Becheras, Ašbelis, Gera, Naamanas, Ehis, Rošas, Mupimas, Hupimas ir Ardas.
21Ary ny zanakalahin'i Benjamina dia Bela sy Bakera sy Asbela sy Gera sy Namana sy Ehy sy Rosy sy Mopima sy Hopima ary Arda.
22Šitie yra Rachelės ir Jokūbo vaikai­keturiolika asmenų.
22Ireo no zanakalahin-dRahely, izay naterany tamin'i Jakoba; efatra ambin'ny folo ny isan'izy rehetra.
23Dano sūnus­Hušimas.
23Ary ny zanakalahin'i Dana dia Hosima.
24Neftalio sūnūs: Jachceelis, Gūnis, Jeceras ir Šilemas.
24Ary ny zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera ary Silema.
25Šitie yra sūnūs Bilhos, kurią Labanas davė savo dukteriai Rachelei, iš viso septyni asmenys.
25Ireo no zanakalahin'i Bila, izay nomen'i Labana an-dRahely zananivavy, ary ireo no naterak'i Jakoba; fito no isan'izy rehetra.
26Asmenų, kurie atvyko su Jokūbu į Egiptą, kilusių iš jo, neskaičiuojant Jokūbo sūnų žmonų, iš viso buvo šešiasdešimt šeši asmenys.
26Ny isan'izay rehetra nankany Egypta niaraka tamin'i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin'ny zanakalahin'i Jakoba dia enina amby enim-polo.
27Juozapo sūnūs, gimę Egipte, buvo du. Iš viso Jokūbo namams priklausančių asmenų, atvykusių į Egiptą, buvo septyniasdešimt.
27Ary ny zanakalahin'i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan'ny terak'i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo.
28Jokūbas pasiuntė pas Juozapą pirma savęs Judą, kad nuvestų jį į Gošeną. Jie atėjo į Gošeno kraštą.
28Ary Joda nirahiny nialoha azy hankany amin'i Josefa mba hanoro lalana azy ho any Gosena; dia tonga tany amin'ny tany Gosena izy.
29Juozapas savo vežimu važiavo į Gošeną pasitikti savo tėvo Izraelio. Jį pamatęs, puolė jam ant kaklo ir apsikabinęs ilgai verkė.
29Ary Josefa nampanamboatra ny kalesiny, dia niakatra hitsena an'Isiraely rainy tany Gosena izy; ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin'ny vozony.
30Izraelis tarė Juozapui: “Dabar galiu mirti, nes pamačiau tavo veidą, kad tu esi gyvas”.
30Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Aoka ho faty amin'izao aho, satria efa hitako ny tavanao, fa mbola velona ihany ianao.
31Juozapas sakė savo broliams ir visiems atvykusiems: “Eisiu pas faraoną ir pranešiu jam: ‘Mano broliai ir visi mano tėvo namiškiai, kurie gyveno Kanaano šalyje, atėjo pas mane.
31Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny sy ny ankohonan'ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin'i Farao ka hanao aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan'ny raiko, izay tany amin'ny tany Kanana, dia efa tonga atỳ amiko.
32Jie augina gyvulius ir atsigabeno avis, galvijus ir visa, ką turėjo’.
32Ary mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, fa mpiompy omby aman'ondry izy; ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia nentiny avokoa.
33Kai faraonas jus pasišauks ir klaus: ‘Koks jūsų užsiėmimas?’,
33Ary raha hiantso anareo Farao ka hanao hoe : Inona no raharaha fanaonareo?dia izao no havalinareo: Miompy omby aman'ondry no raharaha fanaon'ny mpanomponao, hatry ny fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba hahazoanareo monina ao amin'ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin'ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.
34atsakykite: ‘Tavo tarnai yra gyvulių augintojai nuo pat jaunystės iki dabar; tokie buvo ir mūsų tėvai’, kad galėtumėte gyventi Gošeno krašte, nes egiptiečiai bjaurisi gyvulių augintojais”.
34dia izao no havalinareo: Miompy omby aman'ondry no raharaha fanaon'ny mpanomponao, hatry ny fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba hahazoanareo monina ao amin'ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin'ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.