1Juozapas atėjo ir pranešė faraonui: “Mano tėvas ir broliai su avimis, galvijais ir visu, ką jie turėjo, atėjo iš Kanaano krašto, ir dabar jie yra Gošeno krašte”.
1[Ny nahazoan'Isiraely sy ny ankohonany fonenana tsara tao Gosena, ary ny nanjo ny Egyptiana noho ny hamafin'ny mosary] Ary Josefa nankao amin'i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin'ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin'ny tany Gosena izy.
2Jis pasiėmė su savimi penkis savo brolius ir pristatė faraonui.
2Ary ny dimy lahy tamin'ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan'i Farao.
3Faraonas paklausė jų: “Koks jūsų užsiėmimas?” Jie atsakė: “Tavo tarnai yra gyvulių augintojai, tokie buvo ir mūsų tėvai.
3Ary hoy Farao tamin'ireo rahalahin'i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy tamin'i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin'ny razanay.
4Mes atvykome kurį laiką pagyventi šioje šalyje, nes tavo tarnai neturi ganyklos savo avimsbadas siaučia Kanaano krašte. Prašome, leisk savo tarnams apsigyventi Gošeno krašte”.
4Ary hoy koa izy tamin'i Farao: Mba hivahiny eto amin'ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an'ny ondry aman'osin'ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin'ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin'ny tany Gosena ny mpanomponao.
5Faraonas sakė Juozapui: “Tavo tėvas ir broliai atėjo pas tave.
5Ary Farao dia niteny tamin'i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga atỳ aminao;
6Egipto šalis yra tavo žinioje. Geriausioje šalies dalyje apgyvendink juos! Jie tegyvena Gošeno krašte! Ir jei žinai iš jų sumanių vyrų, paskirk juos mano bandų prižiūrėtojais”.
6ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin'izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin'ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben'ny mpiandry ny omby aman'ondriko.
7Po to Juozapas nuvedė savo tėvą Jokūbą pas faraoną. Ir Jokūbas palaimino faraoną.
7Dia nentin'i Josefa ho eo anatrehan'i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an'i Farao.
8Faraonas paklausė Jokūbą: “Kiek tau metų?”
8Ary hoy Farao tamin'i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao?
9Jokūbas atsakė faraonui: “Šios žemės kelionėje esu šimtą trisdešimt metų. Negausios ir sunkios buvo mano gyvenimo dienos, nepasiekiau savo tėvų amžiaus”.
9Dia hoy Jakoba tamin'i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan'ny razako tamin'ny andro nivahiniany.
10Jokūbas palaimino faraoną ir išėjo.
10Ary Jakoba, rehefa nisaotra an'i Farao, dia lasa niala teo anatrehany.
11Juozapas apgyvendino savo tėvą bei brolius ir davė jiems geriausios žemės Egipte, Ramzio krašte, kaip faraonas įsakė.
11Dia namponenin'i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin'ny tany Egypta, dia tao amin'ny tany tsara indrindra, tao amin'ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian'i Farao.
12Juozapas aprūpino maistu savo tėvą, brolius ir visus namiškius, kiek kuriai šeimai reikėjo.
12Dia novelomin'i Josefa tamin'ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin'ny ankohonan'ny rainy rehetra, araka ny isan'ny zanany avy.
13Visoje šalyje trūko maisto, nes badas buvo baisus; Egipto ir Kanaano šalys buvo išsekintos bado.
13Ary tsy nisy hanina teo amin'ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary.
14Juozapas surinko iš Egipto šalies ir Kanaano šalies visus pinigus, parduodamas javus, ir juos atgabeno į faraono iždą.
14Dia nangonin'i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia izay vidin'ny vary novidin'ny olona, ka nampidirin'i Josefa tao an-tranon'i Farao ny vola.
15Kai Egipto žemėje ir Kanaano žemėje pasibaigė pinigai, egiptiečiai atėjo pas Juozapą ir tarė: “Duok mums duonos! Kodėl mes turime mirti tavo akivaizdoje dėl pinigų stokos?”
15Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola.
16Juozapas atsakė: “Jei nebeturite pinigų, atveskite gyvulius, ir aš jums duosiu duonos už juos”.
16Ary hoy kosa Josefa : Omeo ny omby aman'ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.
17Jie atvedė savo gyvulius, o Juozapas davė jiems duonos už arklius, avis, galvijus bei asilus. Taip jis metus maitino juos už jų gyvulius.
17Dia nentiny tany amin'i Josefa ny omby aman'ondriny, ka notakalozan'i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman'osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin'izany taona izany ho takalon'ny bibiny rehetra.
18Metams praėjus, jie vėl atėjo pas jį ir sakė: “Neslėpsime nuo mūsų valdovo, kad nebeturime nei pinigų, nei gyvulių. Mums liko tik mūsų kūnai ir žemė.
18Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin'ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin'itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan'itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason'itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay;
19Kodėl turime mirti tavo akivaizdoje? Pirk mus ir mūsų žemę už duoną, kad su savo žeme priklausytume faraonui. Duok mums sėklos, kad išliktume gyvi, o žemė nepavirstų dykyne”.
19nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.
20Taip Juozapas nupirko faraonui visą Egipto žemę, nes visi egiptiečiai pardavė savo laukus, kadangi juos labai kankino badas. Tuo būdu kraštas atiteko faraonui.
20Dia notakalozan'i Josefa ho an'i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan'i Farao ny tany.
21Ir jis perkėlė žmones į miestus nuo vieno Egipto pakraščio iki kito.
21Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin'ny tanàna hatramin'ny faran'ny faritr'i Egypta rehetra.
22Tik kunigų žemės jis nenupirko, nes kunigai gaudavo išlaikymą iš faraono, todėl jie ir nepardavė savo žemės.
22Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin'i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen'i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny.
23Juozapas sakė žmonėms: “Šiandien aš nupirkau jus ir jūsų žemę faraonui. Štai jums sėkla, apsėkite laukus.
23Dia hoy Josefa tamin'ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an'i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany.
24Penktąją derliaus dalį atiduokite faraonui, o keturias dalis pasilaikykite laukui apsėti ir maistui jūsų šeimoms ir vaikams”.
24Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an'i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin'izay ao an-tranonareo ary hohanin'ny zanakareo.
25Jie atsakė: “Tu išgelbėjai mums gyvybes. Teatrasime mes malonę savo valdovo akyse ir mes būsime faraono tarnais”.
25Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason'itompokolahy izahay, dia ho mpanompon'i Farao.
26Ir Juozapas įvedė įstatymą visame Egipto krašte, kuris galioja iki šios dienos, kad faraonui atiduodama viso derliaus penktoji dalis. Išimtį sudaro tik kunigų žemė, kuri nepriklauso faraonui.
26Dia nataon'i Josefa ho lalana tany amin'ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an'i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba lasan'i Farao.
27Izraelis liko gyventi Egipto šalyje, Gošeno krašte; jie turėjo ten nuosavybę, išsiplėtė ir labai padaugėjo.
27Ary nonina tao amin'ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin'ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra.
28Jokūbas gyveno Egipto šalyje septyniolika metų. Jo amžius buvo šimtas keturiasdešimt septyneri metai.
28Ary ny andro niainan'i Jakoba tao amin'ny tany Egypta dia fito ambin'ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan'i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona.
29Izraelis, nujausdamas artėjančią mirtį, pasišaukė savo sūnų Juozapą ir jam tarė: “Jei radau malonę tavo akyse, padėk savo ranką po mano šlaunimi ir elkis su manimi maloningai ir teisingai; pažadėk nepalaidoti manęs Egipte.
29Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'Isiraely, dia nampaka an'i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin'ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina atỳ Egypta aho.
30Aš norėčiau atsigulti šalia savo tėvų. Tad išgabenk mane iš Egipto ir palaidok jų kapinėse”. Juozapas atsakė: “Padarysiu, kaip prašai”.
30Fa rehefa lasa mody mandry any amin'ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin'ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan'ny farafara Isiraely.
31Tėvas tarė: “Prisiek man!” Ir jis prisiekė. Tada Izraelis nusilenkė ant lovos galo.
31Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan'ny farafara Isiraely.