1Dievas laimino Nojų bei jo sūnus ir tarė: “Būkite vaisingi, dauginkitės ir pripildykite žemę.
1Ary Andriamanitra nitso-drano an'i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
2Tesibijo jūsų ir tedreba prieš jus visi žemės žvėrys, visi padangių sparnuočiai, visa, kas gyva žemėje, ir visos jūros žuvys. Visa tai atiduota į jūsų rankas.
2Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tananareo.
3Visa, kas juda ir gyva, bus jums maistui; visa jums duodu, kaip daviau žaliuojančius augalus.
3Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.
4Tik mėsos su gyvybe, kuri yra kraujyje, nevalgykite.
4Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.
5Iš tiesų už jūsų gyvybės kraują Aš pareikalausiu iš kiekvieno žvėries ir žmogaus, kuris pralietų savo brolio kraują.
5Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin'ny tanan'ny manan'aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin'ny tanan'ny olona, dia eo amin'ny tanan'ny olona avy, no hanadinako ny ain'ny olona.
6Kas pralieja žmogaus kraują, jo kraujas taip pat bus pralietas, nes žmogus sutvertas pagal Dievo atvaizdą.
6Izay mandatsaka ny ran'olona, dia mba halatsak'olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik'Andriamanitra no nanaovany ny olona.
7Jūs būkite vaisingi ir dauginkitės, pliskite po žemę ir pripildykite ją!”
7Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin'ny tany sy mihabetsaha eny.
8Dievas tarė Nojui ir jo sūnums kartu su juo:
8Ary Andriamanitra niteny tamin'i Noa sy tamin'ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:
9“Aš darau sandorą su jumis ir jūsų palikuonimis, kurie gyvens po jūsų,
9Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo
10ir su visais gyvais padarais, visais paukščiais, galvijais ir žvėrimis, kurie išėjo su jumis iš arkos.
10sy amin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin'ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra.
11Aš darau savo sandorą su jumis: jokio kūno nebepražudysiu tvano vandenimis, ir tvanas nebesunaikins žemės”.
11Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.
12Ir Dievas tarė: “Ženklas sandoros, kurią darau tarp savęs ir jūsų bei visų gyvų padarų, kurie yra su jumis, per visas būsimas kartas
12Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo hatramin'ny taranaka fara mandimby:
13bus lankas debesyse. Jis tebūna sandoros ženklu tarp manęs ir žemės.
13Ny avako efa napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny tany.
14Sutelkęs debesis viršum žemės ir lankui pasirodžius debesyse,
14Ary raha mampiangona rahona eo ambonin'ny tany Aho, ka hita eo amin'ny rahona ny avana,
15atsiminsiu savo sandorą, kuri yra tarp manęs ir jūsų bei visų gyvų padarų, kad daugiau nebūtų tvano, sunaikinančio kiekvieną kūną žemėje.
15dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.
16Kai lankas bus debesyse, Aš jį pamatysiu ir atsiminsiu amžinąją sandorą tarp Dievo ir visų gyvų padarų, turinčių kūną, kurie yra ant žemės”.
16Ary ho eo amin'ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin'ny tany.
17Dievas tarė Nojui: “Tai yra sandoros ženklas, kurią Aš darau tarp savęs ir kiekvieno kūno, gyvenančio žemėje”.
17Ary hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin'ny nofo rehetra ambonin'ny tany.
18Nojaus sūnūs, kurie išėjo iš arkos, buvo Semas, Chamas ir Jafetas; Chamas buvo Kanaano tėvas.
18Ary ny zanakalahin'i Noa izay izay nivoaka avy tamin'ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain'i Kanana.
19Šie trys yra Nojaus sūnūs ir iš jų atsirado visi žemės gyventojai.
19Ireo telo lahy ireo no zanak'i Noa; ary avy tamin'ireo no nielezan'ny olona tambonin'ny tany rehetra.
20Nojus pradėjo dirbti žemę ir įsiveisė vynuogyną.
20Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka.
21Išgėręs vyno, pasigėrė ir gulėjo apsinuoginęs savo palapinėje.
21Ary nisotro tamin'ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin'ny lainy.
22Chamas, Kanaano tėvas, pamatęs savo tėvo nuogumą, pasakė broliams, kurie buvo lauke.
22Ary hitan'i Hama, rain'i Kanana ny fitanjahan'ny rainy, dia nambarany tamin'ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.
23Semas ir Jafetas paėmė apsiaustą ir abu, užsimetę ant pečių, priėjo atbuli, ir apdengė savo tėvo nuogumą; jų veidai buvo nukreipti į priešingą pusę ir jie nematė savo tėvo nuogumo.
23Ary nalain'i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin'izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan'ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan'ny rainy.
24Nojus, išsiblaivęs nuo vyno ir sužinojęs, ką jam padarė jaunesnysis sūnus,
24Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon'ny zanany faralahy taminy.
25tarė: “Tebūna prakeiktas Kanaanas! Vergų vergas tebūna jis savo broliams!
25Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon'ny rahalahiny izy.
26Palaimintas Viešpats, Semo Dievas, o Kanaanas bus jo vergas!
26Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.
27Teišplečia Dievas Jafetą, ir tegu jis gyvena Semo palapinėse, o Kanaanas bus jo vergas!”
27Hataon'Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain'i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony.
28Tvanui praėjus, Nojus dar gyveno tris šimtus penkiasdešimt metų.
28Ary ny andro niainan'i Noa taorian'ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona.Ary ny andro rehetra niainan'i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
29Taigi Nojaus amžius buvo devyni šimtai penkiasdešimt metų, ir jis mirė.
29Ary ny andro rehetra niainan'i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.