1Tuo metu Izraelis neturėjo karaliaus. Dano giminė ieškojo krašto, kuriame galėtų apsigyventi, nes tuo laiku jiems dar nebuvo duota paveldėjimo tarp Izraelio giminių.
1[Ny nandehandehanan'ny firenen'i Dana nizaha tany hitoerany] Ary tamin'izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely; ary tamin'izany andro izany kosa ny firenen'i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin'izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin'ny firenen'Isiraely izy.
2Jie pasiuntė savo giminės penkis vyrus iš Coros ir Eštaolio išžvalgyti kraštą. Atėję į Efraimo aukštumas, jie apsinakvojo Mikajo namuose.
2Ary ny taranak'i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin'ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika izy, dia nandry tao.
3Būdami pas Mikają, jie atpažino jaunuolio levito balsą ir, užėję pas jį, paklausė: “Kas tave čia atvedė? Ką tu čia veiki? Ką tu čia turi?”
3Rehefa mby teo akaikin'ny tranon'i Mika izy, dia fantany ny feon'ilay Levita zatovo; dia nivily teo izy ka nanao taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? ary maninona atỳ ianao? ary inona no anananao atỳ?
4Jis jiems papasakojo, kad Mikajas pasamdė jį būti jo kunigu.
4Dia hoy kosa izy taminy: Izany ka izany no nataon'i Mika tamiko, ary efa nanamby ahy izy, ka efa mpisorony aho izao.
5Jie prašė: “Paklausk Dievo, ar mūsų kelionė bus sėkminga?”
5Dia hoy izy ireo taminy: Masìna ianao, manontania amin'Andriamanitra mba ho fantatray na hambinina amin'ny lalana alehanay izahay, na tsia.
6Kunigas jiems atsakė: “Eikite ramybėje. Viešpats mato kelią, kuriuo jūs einate”.
6Dia hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana soa aman-tsara; fa eo anatrehan'i Jehovah izao lalana alehanareo izao.
7Žvalgai išėjo ir nuvyko į Laišą. Ten jie matė, kad žmonės gyvena nerūpestingai, pagal sidoniečių papročius, ramiai ir saugiai. Tarp jų nebuvo valdininkų, kurie jiems vadovautų. Jie gyveno toli nuo sidoniečių ir nepalaikė jokių ryšių su kitais.
7Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon'ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin'ny tany na amin'inona na amin'inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin'olona akory.[Na: hahamena-maso]
8Jiems sugrįžus pas savo brolius į Corą ir Eštaolį, tie klausė juos: “Ką matėte?”
8Dia nandeha ho any amin'ny rahalahiny any Zora sy Estaola ireo; ary hoy ny rahalahiny taminy: Naninona moa ianareo?
9Jie atsakė: “Kilkite ir eikime! Mes matėme žemę, kuri yra labai gera. Nedelskite eiti ir užimti ją.
9Dia hoy izy: Mitsangàna, ka aoka isika hiakatra hamely azy; fa efa nahita ny tany izahay, fa, indro, tsara indrindra izany; moa mbola mijanonjanona ihany va ianareo? aza malain-kandeha hiditra handova ny tany.
10Nuėję užklupsite žmones, kurie jaučiasi saugūs. Jų kraštas platus, ir Dievas jį atidavė į jūsų rankas; tai kraštas, kuriame nieko netrūksta, kas yra žemėje”.
10Raha mandeha ianareo, dia ho tonga any amin'ny olona tsy manana ahiahy sy any amin'ny tany malalaka; fa efa natolotr'Andriamanitra ho eo an-tananareo izany; dia tany tapi-javatra irina atỳ ambonin'ny tany.
11Iš Coros ir Eštaolio pakilo šeši šimtai Dano giminės ginkluotų vyrų.
11Dia nisy niainga avy tamin'ny fokon'i Dana, avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany.
12Jie atžygiavę pasistatė stovyklą Judo Kirjat Jearime. Ta vieta tebevadinama Dano stovykla iki šios dienos ir yra už Kirjat Jearimo.
12Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny anaran'izany tany izany hoe mandraka androany Mahane-dana; indro, eo andrefan'i Kiriata-jearima izany).
13Iš ten jie žygiavo į Efraimo aukštumas ir pasiekė Mikajo namus.
13Dia niala tao izy ka nandroso nantany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia tonga tao an-tranon'i Mika.
14Tie penki vyrai, kurie išžvalgė Laišo šalį, tarė savo broliams: “Ar žinote, kad šiuose namuose yra efodas, terafimas ir drožtas bei lietas atvaizdai? Pagalvokite, ką reikėtų daryti”.
14Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin'ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin'ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra anidina? koa hevero izay hataonareo.
15Jie užsuko į jaunuolio levito namus, Mikajo namus, ir pasveikino jį.
15Dia nivily tao izy ka tonga tao an-tranon'ilay Levita zatovo, dia tao an-tranon'i Mika, ka niarahaba azy.
16Ir šeši šimtai Dano giminės apsiginklavusių karių stovėjo tarpuvartėje.
16Ary ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany, izay avy tamin'ny taranak'i Dana, dia nijanona teo anoloan'ny vavahady.
17Tuo metu vyrai, kurie buvo išžvalgyti krašto, įėjo į Mikajo namus ir paėmė drožtą atvaizdą, efodą, terafimą ir nulietą atvaizdą. Tuo laiku kunigas stovėjo tarpuvartėje su šešiais šimtais apsiginklavusių vyrų.
17Ary niakatra izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany, dia niditra ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina; ary ny mpisorona mbamin'ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany nijanona teo anoloan'ny vavahady.
18Jiems įsibrovus į Mikajo namus ir paėmus visus minėtus daiktus, kunigas klausė: “Ką darote?”
18Dia niditra tao an-tranon'i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona ianareo?
19Jie atsakė jam: “Tylėk! Užsidenk ranka burną ir eik su mumis. Būk mums tėvu ir kunigu. Ar tau geriau būti kunigu vieno vyro namams, ar visos giminės Izraelyje?”
19Dia hoy ireo taminy: Mangina ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an'ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin'ny firenena iray sy ny foko iray amin'ny Isiraely?
20Kunigas nudžiugo. Jis paėmė efodą, terafimą bei drožtą atvaizdą ir įsimaišė tarp žmonių.
20Dia faly ny fon'ilay mpisorona, ka nalainy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voasokitra, ary nandeha voahodidin'ny olona izy.
21Po to jie, sustatę priekyje vaikus, galvijus ir vežimus, pasisuko ir keliavo toliau.
21Dia nihodina izy ireo ka lasa nandeha; ary ny zaza amim-behivavy sy ny omby aman'ondry mbamin'ny entany tsara dia nataony teo alohany.
22Jiems nutolus nuo Mikajo namų, Mikajo kaimynai susibūrę pasivijo danius.
22Ary rehefa lasa lavitra ny tranon'i Mika izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin'i Mika ka nahatratra ny taranak'i Dana.
23Jie šaukė Dano vaikams, ir tie atsigręžę klausė Mikają: “Kas atsitiko, kad atėjai su tokiu būriu?”
23Dia niantso ny taranak'i Dana izy. Ary niherika ireo ka nanao tamin'i Mika hoe: Haninona ianao, no nanangona olona maro toy izao?
24Jis atsakė: “Jūs paėmėte mano dievus, kuriuos pasidariau, kunigą ir nuėjote. Kas gi man beliko? Ir dar klausiate, kas atsitiko?”
24Ary hoy Izy: Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa ianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona ianao?
25Danai atsakė: “Nutilk! Neerzink mūsų, kad įpykę vyrai neužpultų ir nenužudytų tavęs ir tavo giminės”.
25Dia hoy ny taranak'i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao.
26Ir danai nuėjo savo keliu. Mikajas, matydamas, kad jie buvo stipresni už jį, sugrįžo į savo namus.
26Dia nandeha tamin'ny nalehany ny taranak'i Dana; ary rehefa hitan'i Mika fa ireo dia nahery noho izy, dia niverina izy ka nody tany an-tranony.
27Danai paėmė tai, ką Mikajas buvo pasidaręs, ir kunigą. Nuėję į Laišą, užpuolė ramius ir saugiai besijaučiančius gyventojus, juos išžudė kardu, o miestą sudegino.
27Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon'i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin'ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanàna nodorany tamin'ny afo.
28Niekas jiems nepadėjo, nes jie gyveno toli nuo Sidono ir nepalaikė jokių ryšių su kitais. Tas miestas buvo Bet Rehobo slėnyje. Danai miestą atstatė ir apsigyveno jame.
28Ary tsy nisy namonjy, satria lavitra an'i Sidona izany, ary tsy nanan-draharaha tamin'olona akory izy, sady teo amin'ny lohasaha izay any Beti-rehoba izany. Dia nanorina ny tanàna izy ireo ka nonina tao.
29Tą miestą jie pavadino Izraelio sūnaus Dano, savo tėvo, vardu. Anksčiau tas miestas vadinosi Laišas.
29Ary ny anaran'ny tanàna nataony hoe Dana, araka ny anaran'i Dana rainy, izay naterak'Isiraely; kanefa Laisy no anaran'ny tanàna taloha.
30Danai pasistatė drožtą atvaizdą, o Manaso sūnaus Geršomo sūnus Jehonatanas ir jo sūnūs buvo kunigais Dano giminėje iki ištrėmimo dienos.
30Dia natsangan'ny taranak'i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy, sy ny zanany, no mpisorona ho an'ny firenen'i Dana hatramin'ny andro namaboana ny tany.[Na: Manase]Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon'i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan'ny tranon'Andriamanitra tao Silo.
31Jie laikė pas save Mikajo padarytą drožtą atvaizdą visą laiką, kol Dievo šventykla buvo Šilojuje.
31Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon'i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan'ny tranon'Andriamanitra tao Silo.