Lithuanian

Malagasy

Judges

19

1Tuo metu, kai Izraelyje nebuvo karaliaus, vienas levitas gyveno kaip ateivis Efraimo kalnyno pakraštyje. Jis turėjo sugulovę iš Judo Betliejaus.
1[Ny ratsy nataon'ny mponina tao Gibea, sy ny namalian'ny Isiraely rehetra azy] Ary tamin'izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.
2Sugulovė buvo jam neištikima. Ji pabėgo nuo jo į savo tėvo namus, į Judo Betliejų, ir buvo ten keturis mėnesius.
2Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka.
3Jos vyras, nuėjęs į jos tėvo namus, maloniai kalbėjo su ja ir norėjo parsivesti ją atgal. Jis buvo pasiėmęs savo tarną ir porą asilų. Merginos tėvas džiaugėsi jį sutikdamas.
3Ary niainga ralehilahy ka nandeha nanaraka azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary nitondra ny zatovony sy boriky roa; dia nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony hitan'ny rain-drazazavavy ralehilahy, dia faly izy nihaona taminy.
4Uošvis užlaikė jį, ir jis pasiliko ten tris dienas. Jie valgė, gėrė ir nakvojo.
4Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy.
5Ketvirtą dieną, atsikėlę anksti rytą, jie ruošėsi keliauti. Merginos tėvas sakė savo žentui: “Pavalgyk, o paskui galėsite keliauti”.
5Ary nony tamin'ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin'ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha ianareo.
6Jie abu valgė ir gėrė. Po to merginos tėvas tarė: “Pasilik nakčiai! Tegul pasidžiaugia tavo širdis”.
6Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao.
7Jis norėjo keliauti, bet uošvis jį perkalbėjo, kad jis pasiliktų nakvoti.
7Ary raha niomana handeha ralehilahy, dia nanery azy hitoetra ny rafozany, ka dia tafandriana tao indray izy.
8Penktąją dieną atsikėlęs anksti norėjo keliauti. Merginos tėvas tarė: “Pasistiprink ir pasilik iki popietės”. Juodu pavalgė.
8Dia nifoha maraina koa izy handeha nony tamin'ny andro fahadimy; fa hoy ny rain-drazavazavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary mijanonjanona aloha mandra-pihilan'ny andro; ary dia niara-nihinana izy roa lahy.
9Kai levitas, jo sugulovė ir tarnas pasiruošė keliauti, uošvis vėl kalbėjo: “Žiūrėk, diena jau eina vakarop. Pasilikite nakčiai. Tegul pasidžiaugia tavo širdis, o rytoj, anksti atsikėlę, galėsite keliauti į namus”.
9Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian'ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao.
10Tačiau jis nebenorėjo nakvoti ir iškeliavo. Jis atvyko iki Jebuso (dabartinė Jeruzalė). Jis turėjo su savimi porą pabalnotų asilų ir sugulovę.
10Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin'izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin'i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa.
11Saulei leidžiantis, jie buvo prie Jebuso. Tarnas sakė savo šeimininkui: “Pasukime į šitą jebusiečių miestą ir nakvokime ten”.
11Ary rehefa mby teo akaiky an'i Jebosa izy, ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo tamin'ny tompony: Andeha hiakatra ato amin'ity tanànan'ny Jebosita ity isika ka handry ato.
12O šeimininkas atsakė: “Ne, mes nesuksime į svetimtaučių miestą. Jie nėra Izraelio vaikai. Keliausime toliau iki Gibėjos miesto”.
12Fa hoy ny tompony taminy: Tsy hiakatra amin'ny tanànan'ny olona hafa firenena izay tsy isan'ny Zanak'Isiraely isika, fa handroso ihany ho any Gibea.
13Ir jis sakė savo tarnui: “Eime nakvoti į Gibėją arba į Ramą”.
13Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Andeha isika hankamin'ny anankiray amin'ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any.
14Jie praėjo Jebusą ir keliavo toliau. Kai jie buvo prie Gibėjos miesto, priklausančio Benjaminui, nusileido saulė.
14Dia nandroso izy ka nandeha; ary raha mbola teo akaiky an'i Gibea, izay an'ny Benjamita, izy, dia nilentika ny masoandro.
15Ir jie pasuko į Gibėją, kad apsistotų nakčiai. Atėję jie pasiliko miesto gatvėje, nes neatsirado nė vieno, kuris būtų juos priėmęs į savo namus nakvynei.
15Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin'ny kianjan'ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony.
16Tuo metu senas vyras grįžo iš lauko darbų. Jis buvo nuo Efraimo aukštumų ir gyveno kaip ateivis Gibėjoje. Tos vietos gyventojai buvo benjaminai.
16Ary, indro, nisy lehilahy anti-panahy avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin'ny tany havoan'i Efraima koa izy, saingy nitoetra tany Gibea, fa ny mponina tao amin'izany tanana izany dia Benjamita.
17Jis pamatė pakeleivį miesto gatvėje. Senas žmogus paklausė: “Iš kur atvykai ir kur eini?”
17Ary rehefa nanopy ny masony izy ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan'ny tanana, dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza?
18Tas jam atsakė: “Mes einame iš Judo Betliejaus į Efraimo kalnyno pakraštį, nes ten gyvenu. Buvau nuvykęs į Judo Betliejų, o dabar einu į Viešpaties namus. Neatsirado nė vieno, kuris priimtų mane nakvoti.
18Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon'i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy;[Na: mankany]
19Turime šiaudų ir pašaro asilams, taip pat duonos ir vyno man, tavo tarnaitei ir jaunuoliui, kuris yra su tavo tarnais. Mums nieko netrūksta”.
19kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an'ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an'ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony.
20Senas vyras atsakė: “Ramybė tau. Visa, ko reikia, parūpinsiu, tik nenakvok gatvėje”.
20Dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Fiadanana anie ho anao; aoka ho adidiko izay rehetra ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja.
21Jis įvedė juos į savo namus ir pašėrė asilus. Jie nusiplovė kojas, valgė ir gėrė.
21Dia nitondra azy tany an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro.
22Kai jie linksmino savo širdis, miesto vyrai, Belialo sūnūs, apsupo namą ir daužė duris, šaukdami: “Išvesk tą vyrą, kuris atvyko į tavo namus, kad jį pažintume!”
22Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin'ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.
23Namų šeimininkas išėjęs tarė: “Ne, broliai. Meldžiu, nesielkite taip piktai. Šitas vyras yra svečias mano namuose, nedarykite tokios kvailystės.
23Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianareo.[Heb. fahadalana]
24Aš turiu dukterį, nekaltą mergaitę, ir tas vyras turi sugulovę. Aš jas išvesiu jums. Jūs galite žeminti jas ir daryti su jomis, kas jums atrodo tinkama. Tačiau su tuo vyru nesielkite taip bjauriai”.
24Indreto ny zanako-vavy virijina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba ho entiko mivoaka ireo, ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany.
25Bet vyrai nenorėjo jo klausyti. Tada vyras paėmė savo sugulovę ir išvedė jiems. Jie išniekino ją ir vargino ją visą naktį. Dienai brėkštant, jie ją paleido.
25Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain'ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy.
26Ta moteris atėjo auštant ir parkrito prie to vyro namo durų, kur buvo jos šeimininkas, ir gulėjo, iki prašvito.
26Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran'ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran'ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan'ny andro.
27Atsikėlęs rytą, jos šeimininkas atidarė duris, norėdamas keliauti. Moteris, jo sugulovė, gulėjo parkritusi prie namo durų, ištiesusi rankas ant slenksčio.
27Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran'ny trano, dia nivoaka handeha tamin'ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran'ny trano, ary ny tanany eo amin'ny tokonana.
28Jis tarė jai: “Kelkis, keliaukime”. Bet ji neatsakė. Jis ją užkėlė ant asilo ir parkeliavo į savo namus.
28Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin'ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin'ny fonenany.
29Namuose paėmė peilį ir supjaustė savo sugulovę į dvyliką gabalų, ir išsiuntė visoms Izraelio giminėms.
29Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin'ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin'ny taolana ho roa ambin'ny folo toko, ka nampitondrainy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra.Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin'ny andro niakaran'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.
30Tai matydami, visi kalbėjo: “Tokių įvykių nėra buvę nuo izraelitų išvykimo iš Egipto iki šios dienos. Apsvarstykime, pasitarkime ir nuspręskime, ką daryti”.
30Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin'ny andro niakaran'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.