Lithuanian

Malagasy

Judges

6

1Izraelitai darė pikta Viešpaties akivaizdoje, ir Viešpats juos atidavė į midjaniečių rankas septyneriems metams.
1[Ny nampahorian'ny Midiana ny Isiraely, sy ny niantsoan'Andriamanitra an'i Gideona ho mpamonjy azy] Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ka dia natolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny Midiana fito taona izy;
2Midjaniečiai spaudė izraelitus, todėl jie pasidarė kalnuose lindynių, olų ir tvirtovių.
2ary ny tanan'ny Midiana dia nahery tamin'ny Isiraely, ka ny tahony ny Midiana no nanamboaran'ny Zanak'Isiraely ireo fierena any an-tendrombohitra sy ireo zohy mbamin'ny fiarovana.
3Izraelitams apsėjus dirvas, ateidavo midjaniečiai, amalekiečiai ir rytų gyventojai.
3Ary rehefa namafy voa ny Isiraely, dia avy ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka niakatra hanafika azy.
4Pasistatę stovyklas, jie sunaikindavo krašto derlių iki Gazos, nepalikdami Izraeliui jokio maisto: nei avių, nei jaučių, nei asilų.
4Dia nitoby tandrifiny ireny ka nanimba ny vokatry ny tany hatrany akaikin'i Gaza; ary tsy nisy zavatra navelany hiveloman'ny Isiraely, na ondry aman'osy, na omby, na boriky;
5Jie ateidavo su savo gyvuliais ir palapinėmis, ir jų buvo daug kaip skėrių­neįmanoma suskaičiuoti nei jų, nei jų kupranugarių. Jie įsiverždavo į šalį, kad ją sunaikintų.
5fa niakatra izy nitondra ny omby aman'ondriny sy ny lainy, ka ny fihaviny dia tahaka ny valala ny hamarony, ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; dia niditra tamin'ny tany izy handrava azy
6Midjaniečiai labai nuskurdino Izraelį, ir izraelitai šaukėsi Viešpaties.
6Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana, ka nitaraina tamin'i Jehovah izy.
7Kai izraelitai šaukėsi Viešpaties dėl midjaniečių,
7Ary raha nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely noho ny Midiana,
8Jis atsiuntė izraelitams pranašą, kuris jiems paskelbė Viešpaties, Izraelio Dievo, žodžius: “Aš jus išvedžiau iš Egipto vergijos,
8Jehovah dia naniraka mpaminany anankiray ho any amin'ny zanak'Isiraely, izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Egypta sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny trano nahandevozana
9Aš išgelbėjau jus iš egiptiečių ir iš visų jūsų priešų, Aš išvariau juos nuo jūsų ir jums atidaviau jų žemę.
9ary namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny tànan'izay rehetra nampahory anareo, dia nandroaka ireny teo anoloanareo Aho, ka nomeko anareo ny taniny;
10O jums pasakiau: ‘Aš esu Viešpats, jūsų Dievas; negarbinkite amoritų, kurių krašte gyvenate, dievų. Bet jūs neklausėte manęs’ ”.
10ary hoy Izaho taminareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amorita, izay tompon'ny tany onenanareo; nefa tsy nihaino ny feoko ianareo.
11Atėjęs Viešpaties angelas atsisėdo po ąžuolu Ofroje, kuris priklausė abiezeriui Jehoašui. Jo sūnus Gedeonas kūlė kviečius prie vyno spaustuvo, pasislėpęs nuo midjaniečių.
11Dia tonga Ilay Anjelin'i Jehovah ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta teo Ofra, izay an'i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin'ny fantàka teo anilan'ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin'ny Midiana.
12Jam pasirodė Viešpaties angelas ir tarė: “Viešpats su tavimi, galingas karžygy!”
12Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy ka nanao taminy hoe: Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery.
13Gedeonas jam atsakė: “Viešpatie, jei Viešpats yra su mumis, kodėl mums taip atsitiko? Kur yra visi Jo stebuklai, apie kuriuos pasakojo mūsų tėvai, sakydami: ‘Tikrai, Viešpats išvedė mus iš Egipto’? Dabar Viešpats mus atstūmė ir atidavė į midjaniečių rankas”.
13Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin'izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain'ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan'ny Midiana.
14Viešpats, pažiūrėjęs į Gedeoną, tarė: “Eik šioje savo jėgoje ir išgelbėk Izraelį iš midjaniečių! Aš tave siunčiu”.
14Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin'izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin'ny tanan'ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho?
15Gedeonas klausė: “Viešpatie, kaip aš išgelbėsiu Izraelį? Mano šeima yra skurdžiausia Manaso giminėje, o aš pats mažiausias savo tėvo namuose”.
15Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin'ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin'ny ankohonan'ny raiko.
16Viešpats jam atsakė: “Aš būsiu su tavimi, ir tu nugalėsi midjaniečius kaip vieną vyrą”.
16Dia hoy Jehovah taminy: Homba anao tokoa Aho, ka hamely ny Midiana toy ny famely olona iray monja ianao.
17Gedeonas atsakė: “Jei radau malonę Tavo akyse, tai parodyk ženklą, kad Tu kalbi su manimi.
17Dia hoy izy taminy: Masina Hianao, raha mahita fitia eto imasonao ary aho, dia anehoy famantarana fa Hianao no miteny amiko.
18Prašau, nepasitrauk iš čia, kol sugrįšiu ir atnešiu Tau dovaną”. Jis atsakė: “Aš palauksiu, iki sugrįši”.
18Masina Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao.
19Gedeonas nuskubėjo į namus. Paruošęs ožiuką ir neraugintos duonos iš vienos efos miltų, mėsą sudėjo į pintinę, sriubą supylė į puodą ir viską atnešė po ąžuolu, ir davė Jam.
19Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin'ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin'ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ilay hazo terebinta ka natolony Azy.
20Dievo angelas jam tarė: “Paimk mėsą bei neraugintą duoną ir padėk čia ant uolos, o sriubą išpilk!” Jis taip ir padarė.
20Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin'ity harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony izany.
21Viešpaties angelas ištiesė lazdą, kurią laikė rankoje, ir jos galu palietė mėsą. Iš uolos pakilo ugnis ir sudegino mėsą bei duoną. Tada Viešpaties angelas pradingo jam iš akių.
21Ary naroson'Ilay Anjelin'i Jehovah ny lohan'ny tehina izay teny an-tànany ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia lasa niala teo imasony.
22Kada Gedeonas suprato, kad čia buvo Viešpaties angelas, jis tarė: “Viešpatie Dieve! Vargas man! Aš mačiau Viešpaties angelą veidas į veidą”.
22Dia hitan'i Gideona fa Anjelin'i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nifanatrika aho.
23Viešpats jam atsakė: “Ramybė tau! Nebijok, nemirsi!”
23Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory.
24Gedeonas ten pastatė aukurą Viešpačiui ir pavadino jį “Viešpats yra ramybė”. Jis tebestovi iki šios dienos abiezerių Ofroje.
24Ary Gideona nanorina alitara teo ho an'i Jehovah-saloma; mbola ao Ofran'ny Abiezrita izany mandraka androany.[Jehovah-saloma = Jehovah no fiadanana]
25Tą pačią naktį Viešpats jam liepė: “Imk jauną jautį, priklausantį tavo tėvui, ir antrą septynmetį jautį, nugriauk Baalio aukurą, kurį pastatė tavo tėvas, ir iškirsk prie jo esančią giraitę.
25Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran'i Bala, izay an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha eo anilany;[Na: sy][Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
26Pastatyk aukurą Viešpačiui, savo Dievui, ant šitos uolos nurodytoje vietoje. Tuomet aukok antrą jautį kaip deginamąją auką ant giraitės, kurią iškirsi, malkų”.
26dia manorena alitara eto an-tampon'ity fiarovana ity ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin'ny hazon'ny Aseraha izay hokapainao.[Na: amin'ny zavatra vonona eo]
27Gedeonas su dešimčia savo tarnų padarė, kaip Viešpats jam įsakė. Tačiau, bijodamas savo tėvo namiškių ir miesto žmonių, jis padarė tai ne dienos metu, bet naktį.
27Ary Gideona naka folo lahy tamin'ny mpanompony ka nanao araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ny lehilahy tao an-tanàna izy dia tsy nanao izany tamin'ny antoandro, fa tamin'ny alina no nanaovany azy.
28Kai miesto žmonės, atsikėlę anksti rytą, pamatė nugriautą Baalio aukurą ir prie jo buvusią giraitę iškirstą ir ant pastatyto aukuro paaukotą antrą jautį,
28Fa nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tanàna, ka indro, efa rava ny alitaran'i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin'ny alitara izay natao,
29jie kalbėjo vienas kitam: “Kas tai padarė?” Ieškodami ir klausinėdami jie sužinojo, kad tai padarė Jehoašo sūnus Gedeonas.
29dia nifanontany hoe izy: Iza re no nanao izany zavatra izany e? Ary raha nifanontany sy nifamoaka teo izy, dia hoy izy: Gideona, zanak'i Joasy, no nanao izany zavatra izany.
30Miesto vyrai sakė Jehoašui: “Išvesk savo sūnų­jis turi mirti, nes sugriovė Baalio aukurą ir iškirto prie jo buvusią giraitę”.
30Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran'i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany.
31Jehoašas tarė visiems prie jo stovintiems: “Ar jūs norite ginti Baalį ir manote jį išgelbėti? Kas gins jį, tas temiršta, nesulaukęs ryto. Jei jis yra dievas, tegul pats apgina save, nes sugriautas jo aukuras”.
31Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa ianareo handahatra ho an'i Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an'i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an'ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany.[Na: mandra-pahamarain']
32Tą dieną Gedeonas buvo pramintas Jerubaalu, nes jo tėvas sakė: “Tegul Baalis apgina save, nes jis sugriovė jo aukurą”.
32Ary tamin'izany andro izany ny anaran'ny Gideona dia nataony hoe Jerobala, fa hoy izy: Aoka Bala no hifandahatra aminy, satria noravany ny alitarany.[Jerobala = Aoka Bala no handahatra]
33Midjaniečiai, amalekiečiai ir rytų gyventojai susirinkę perėjo per Jordaną ir pasistatė stovyklas Jezreelio slėnyje.
33[Ny nandresen'i Gideona ny Midiana] Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela.
34Viešpaties Dvasia nužengė ant Gedeono. Jis trimitu sušaukė Abiezerio palikuonis, kurie susirinko pas jį.
34Ary notsindrian'ny Fanahin'i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita.
35Jis išsiuntė pasiuntinius į visą Manasą, ir jie taip pat susirinko pas jį. Jis išsiuntė pasiuntinius ir pas Ašerą, Zabuloną bei Neftalį. Jie atėjo jo pasitikti.
35Ary naniraka olona nankany amin'ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin'ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra nitsena azy koa ireo.
36Gedeonas tarė Dievui: “Jei išgelbėsi Izraelį mano ranka, kaip sakei,
36Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra: Raha ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao,
37štai aš patiesiu vilną klojime; jei rasa bus tik ant vilnos, o aplink žemė bus sausa, tai žinosiu, kad išgelbėsi Izraelį mano ranka, kaip kalbėjai”.
37indro, hapetrako eo amin'ny famoloana ity volon'ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon'ondry ihany no lenan'ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao.
38Taip ir įvyko. Rytojaus dieną atsikėlęs anksti rytą jis išgręžė iš vilnos pilną dubenį vandens.
38Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon'ondry, ary nisy ranon'ando eran'ny lovia.
39Gedeonas tarė Dievui: “Teneužsidega Tavo rūstybė prieš mane, jei aš dar kartą prabilsiu. Aš prašau dar kartą leisti man pabandyti su vilna. Šį kartą tegul lieka sausa tik vilna, o ant žemės tebūna rasa”.
39Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando.Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando.
40Dievas taip padarė tą naktį: sausa buvo tik vilna, o aplinkui ant žemės buvo rasa.
40Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando.