1Jerubaalas, kitaip Gedeonas, anksti atsikėlęs, su savo žmonėmis pasistatė stovyklą prie En Harodo versmės, o Midjano stovykla buvo į šiaurę nuo jo, prie Morės kalvos, slėnyje.
1Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin'ny loharano Haroda; ary ny tobin'ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan'ny havoana More.[Haroda = Fangovitana; izahao and.3]
2Viešpats tarė Gedeonui: “Turi per daug vyrų, kad atiduočiau Midjaną į tavo rankas, kad Izraelis negalėtų didžiuotis prieš mane, sakydamas: ‘Aš išsilaisvinau savo jėgomis’.
2Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.
3Paskelbk žmonėms: ‘Kas bijo ir nedrąsus, tegrįžta namo!’ ” Pasitraukė dvidešimt du tūkstančiai, o dešimt tūkstančių vyrų pasiliko.
3Koa ankehitriny andeha miantso eo anatrehan'ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin'ny tany havoan'i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa.
4Viešpats tarė Gedeonui: “Dar per daug žmonių. Nuvesk juos prie vandens. Ten Aš juos tau atrinksiu. Apie kuriuos sakysiu: ‘Tas eis su tavimi’, tuos pasiimk, o apie kuriuos sakysiu: ‘Tas neis su tavimi’, tie tegrįžta!”
4Fa hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin'ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao.
5Gedeonas nuvedė žmones prie vandens. Viešpats tarė Gedeonui: “Atskirk kiekvieną, kuris laks vandenį kaip šuo ir kuris klaupsis gerti ant kelių”.
5Ary dia nampidinin'i Gideona ho eo amin'ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin'ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atokàny koa.
6Skaičius lakusių iš rankos buvo trys šimtai vyrų, o likusieji gėrė atsiklaupę ant kelių.
6Ary telon-jato lahy no isan'izay nanainga ny tànany tamin'ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano.
7Tada Viešpats tarė Gedeonui: “Per tuos tris šimtus vyrų, kurie gėrė iš rankos, Aš jus išgelbėsiu ir atiduosiu midjaniečius į tavo rankas; visi kiti žmonės tegrįžta į savo namus”.
7Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin'ny fonenany avy.
8Paėmęs maisto atsargas ir trimitus iš žmonių, pasiuntė juos į savo palapines, o tuos tris šimtus vyrų paliko stovykloje. Midjaniečių stovykla buvo žemiau, slėnyje.
8Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin'ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin'ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.[Na: Ary nitondra ny vatsin'ny olona ireo]
9Tą pačią naktį Viešpats tarė Gedeonui: “Pulk midjaniečių stovyklą, Aš juos atidaviau į tavo rankas.
9Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mitsangàna, midina ho any amin'ny toby ianao; fa efa natolotro eo an-tananao io.
10O jei bijai eiti, tai su savo tarnu Pura nusileisk į stovyklą
10Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin'ny toby Pora zatovonao;
11ir pasiklausyk, ką jie kalba. Tuomet sutvirtės tavo rankos kovoti prieš juos”. Jis nusileido su savo tarnu Pura prie stovyklos sargybų.
11dia ho renao izay lazain'ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin'ny toby. Dia nidina niaraka tamin'i Pora zatovony izy ho any an-tsisin'ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin'ny toby.
12Midjaniečių, amalekiečių ir rytų gyventojų slėnyje buvo tiek daug kaip skėrių, o jų kupranugarių buvo be skaičiaus, kaip smilčių ant jūros kranto.
12Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.
13Gedeonas nuėjęs išgirdo vieną pasakojant sapną savo draugui: “Sapnavau miežinės duonos kepalą, riedantį į midjaniečių stovyklą. Jis pasiekė palapinę ir taip į ją atsitrenkė, kad ji apvirto ir subyrėjo”.
13Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin'ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin'ny tobin'ny Midina ka nankamin'ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.
14Jo draugas atsakė: “Tai ne kas kita kaip izraelito Gedeono, Jehoašo sūnaus, kardas. Dievas atidavė į jo rankas midjaniečius ir visą stovyklą”.
14Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr'i Gideona, zanak'i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr'Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.
15Gedeonas, išgirdęs sapną ir jo aiškinimą, pagarbino ir, sugrįžęs į Izraelio stovyklą, tarė: “Kilkite, Viešpats atidavė midjaniečių stovyklą į jūsų rankas”.
15Ary rehefa ren'i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin'ny tobin'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny tobin'ny Midiana.
16Gedeonas padalino tris šimtus vyrų į tris būrius, padavė jiems į rankas trimitus ir ąsočius su deglais viduje
16Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin'ny siny.
17ir įsakė: “Žiūrėkite į mane ir darykite, ką aš darysiu.
17Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin'ny sisin'ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.
18Kai mes visi nueisime prie midjaniečių stovyklos, aš trimituosiu ir jūs trimituokite iš visų pusių aplink stovyklą, šaukdami: ‘Viešpaties ir Gedeono kardas!’ ”
18Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa ianareo, ka miantsoa hoe: An'i Jehovah sy Gideona!
19Gedeonas ir šimtas su juo buvusiųjų vyrų nuėjo prie stovyklos. Tik pasikeitus vidurnakčio sargybai, jie visi trimitavo ir sudaužė ąsočius, kuriuos laikė rankose.
19Dia nankany amin'ny sisin'ny toby tamin'ny fiandohan'ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.
20Visi trys būriai trimitavo, sudaužė ąsočius ir, laikydami trimitus dešinėje rankoje bei deglus kairėje, šaukė: “Viešpaties ir Gedeono kardas!”
20Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny fanilo teny an-tànany ankavia ary ny anjomara teny an-tànany ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr'i Jehovah sy Gideona!
21Kiekvienas iš jų stovėjo savo vietoje aplinkui stovyklą. Stovykloje kilo panika, visa stovykla lakstė, šaukė ir ėmė bėgti.
21Ary samy nijanona teo amin'ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra.
22Trys šimtai trimitavo, ir Viešpats atgręžė midjaniečių kardus vienas prieš kitą visoje stovykloje. Jie bėgo ligi Bet Šitos, Cereros link, ligi Abel Meholos sienos, prie Tabato.
22Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin'i Jehovah tamin'ny sabatra ny miaramila eran'ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin'ny fari-tanin'i Abela-mehola akaiky an'i Tabata.
23Susirinko izraelitai iš Neftalio, Ašero ir Manaso ir vijosi midjaniečius.
23Dia nivory ny lehilahy amin'ny Isiraely avy tamin'ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana.
24Gedeonas siuntė pasiuntinius į Efraimo kalnyną, sakydamas: “Nusileiskite prieš midjaniečius ir atkirskite jiems kelią į Bet Barą ir prie Jordano!” Susirinko visi efraimai ir atkirto praėjimą į Bet Barą ir prie Jordano.
24Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan'i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.
25Efraimai pagavo du midjaniečių kunigaikščiusOrebą ir Zeebą. Orebą jie nužudė ant Orebo uolos, o Zeebąprie Zeebo vyno spaustuvo ir persekiojo midjaniečius. Orebo ir Zeebo galvas nunešė Gedeonui į kitą Jordano pusę.
25Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.