1Efraimai sakė Gedeonui: “Kodėl mums taip padarei? Kodėl, nepasikvietęs mūsų, išėjai prieš midjaniečius?” Ir jie smarkiai ginčijosi su juo.
1Ary hoy ny lehilahy amin'ny Efraima tamin'i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin'ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
2Jis atsakė jiems: “Ar aš ką nuveikiau palyginti su jumis? Argi efraimitų vynuogių likutis nėra didesnis negu Abiezerio visas derlius?
2Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao. raha oharina amin'izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok'i Efraima noho ny fiotazam-boalobok'i Abiezera?
3Į jūsų rankas Dievas atidavė Midjano kunigaikščius Orebą ir Zeebą. Kuo aš galiu lygintis su jumis?” Jam taip kalbant, atlyžo jų pyktis.
3Teo an-tananareo no nanoloran'Andriamanitra ny andrianan'ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin'ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran'ireo taminy.
4Gedeonas, atėjęs prie Jordano su trimis šimtais vyrų, persikėlė per jį. Jie pavargo, besivydami priešą.
4Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany.
5Jis prašė Sukoto žmonių duonos savo kariams, kurie buvo išvargę, vydami Zebachą ir Calmuną, Midjano karalius.
5Ary hoy izy tamin'ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an'i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan'ny Midiana.
6Sukoto vyresnieji paklausė: “Ar Zebachas ir Calmuna jau yra tavo rankose, kad mes duotume duonos tavo kariuomenei?”
6Fa hoy ireo andrianan'i Sokota: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao?
7Gedeonas atsakė: “Kai Viešpats atiduos Zebachą ir Calmuną į mano rankas, aš plaksiu jus dykumų erškėčių dygliais”.
7Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr'i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin'ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo.[Heb. nofonareo]
8Jis traukė iš ten į Penuelį ir ten kalbėjo tą patį. Penuelio žmonių atsakymas buvo toks pat kaip Sukoto.
8Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin'ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin'ny mponina tao Sokota ihany.
9Tada Gedeonas jiems tarė: “Po pergalės grįždamas aš nugriausiu šitą bokštą”.
9Dia niteny tamin'ny mponina tao Penoela izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo ity.
10Zebachas ir Calmuna buvo Karkore su savo kariuomene, apie penkiolika tūkstančių vyrų. Tiek buvo likę iš visos rytų kariuomenės. Kritusiųjų buvo apie šimtas dvidešimt tūkstančių ginkluotų karių.
10Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin'ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin'ny miaramila rehetra an'ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo.[Heb. mpanatsoaka sabatra]
11Gedeonas žygiavo keliu į rytus nuo Nobacho ir Jogbohos, kur žmonės gyveno palapinėse, ir nelauktai užpuolė midjaniečių stovyklą.
11Ary Gideona niakatra tamin'ny lalan'ny mpitoetra an-day, atsinanan'i Noha sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha mbola ilay tsy nanampo iny ny olona.
12Kai Zebachas ir Calmuna pabėgo, Gedeonas vijosi juos ir pagavo abu Midjano karalius, o jų kariuomenėje sukėlė paniką.
12Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin'ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra.
13Jehoašo sūnus Gedeonas grįžo iš mūšio dar saulei nepatekėjus.
13Dia niverina avy tamin'ny ady Gideona, zanak'i Joasy, avy teo amin'ny fiakarana Heresa;
14Jis sugavo jaunuolį iš Sukoto ir jį išklausinėjo. Tas jam surašė Sukoto miesto kunigaikščius ir vyresniuosius, septyniasdešimt septynis vyrus.
14ary nisambotra zatovo tamin'ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan'ilay zatovo ny anaran'ireo andrianan'i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy.
15Atėjęs į Sokotą, Gedeonas tarė: “Štai Zebahas ir Zalmunas, dėl kurių jūs išjuokėte mane, sakydami: ‘Ar Zebahas ir Zalmunas jau tavo rankose, kad prašai duonos savo pavargusiems žmonėms?’ ”
15Ary Gideona dia nankany amin'ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?
16Jis Sukoto miesto vyresniuosius nuplakė dykumos erškėčiais ir taip pamokė juos.
16Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota.
17Penuelio bokštą jis nugriovė ir miesto vyrus išžudė.
17Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna.
18Po to jis klausė Zebachą ir Calmuną: “Kaip atrodė tie vyrai, kuriuos užmušėte Tabore?” Jie atsakė: “Taip, kaip tu. Jie atrodė kaip karaliaus sūnūs”.
18Dia hoy izy tamin'i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak'andriana avokoa izy rehetra.
19Jis tarė: “Tai buvo mano broliai, mano motinos sūnūs. Kaip gyvas Viešpats, jei būtumėte palikę juos gyvus, nenužudyčiau jūsų”.
19Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo.
20Tuomet jis sakė savo pirmagimiui Jeteriui: “Nužudyk juos!” Bet berniukas neištraukė kardo, nes bijojo, kadangi buvo dar vaikas.
20Ary hoy izy tamin'i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.
21Zebachas ir Calmuna tarė: “Tu pats nužudyk mus! Nes koks vyras, tokia ir jo jėga”. Gedeonas nužudė Zebachą ir Calmuną ir pasiėmė jų kupranugarių kaklų papuošalus.
21Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an'i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin'ny vozon'ny ramevany.
22Izraelitai prašė Gedeono: “Valdyk mus tu, tavo sūnus ir sūnaus sūnus, nes tu mus išgelbėjai iš Midjano rankų”.
22Dia hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin'ny tanan'ny Midiana ianao.
23Gedeonas atsakė jiems: “Nei aš, nei mano sūnus nevaldys jūsų. Viešpats bus jūsų valdovas.
23Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.
24Aš tik noriu paprašyti jūsų atiduoti man iš savo grobio auskarus”. Mat izmaelitai nešiodavo auksinius auskarus.
24Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin'ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).
25Jie atsakė: “Mielai atiduosime”. Patiesę apsiaustą, jie sumetė ant jo auskarus iš savo grobio.
25Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin'ny babony teo.
26Auksiniai auskarai svėrė tūkstantį septynis šimtus šekelių, be papuošalų, grandinėlių ir purpurinių drabužių, kuriais vilkėjo Midjano karaliai, bei grandinių, kurios buvo ant jų kupranugarių kaklų.
26Ary ny lanjan'ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin'ireo mpanjakan'ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin'ny vozon'ny ramevany.
27Iš to aukso Gedeonas padarė efodą ir jį pastatė savo mieste Ofroje. Visi izraelitai eidavo ten ir garbino jį, todėl jis tapo spąstais Gedeonui ir jo namams.
27Dia nataon'i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin'i Gideona sy ny ankohonany izany.
28Midjaniečiai buvo nugalėti izraelitų ir daugiau nebekėlė savo galvų. Gedeono dienomis krašte buvo ramu keturiasdešimt metų.
28Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin'ny andron'i Gideona.
29Jehoašo sūnus Jerubaalas, sugrįžęs gyveno savo namuose.
29Dia nandeha Jerobala, zanak'i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony.
30Gedeonas turėjo septyniasdešimt sūnų, kurie gimė iš jo, nes turėjo daug žmonų.
30Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy.
31Jo sugulovė, gyvenusi Sicheme, taip pat pagimdė jam sūnų, kurį jis pavadino Abimelechu.
31Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka.
32Jehoašo sūnus Gedeonas mirė sulaukęs senatvės ir buvo palaidotas savo tėvo Jehoašo kape, abiezerių Ofroje.
32Dia maty Gideona. zanak'i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin'ny fasan'i Joasy rainy tao Ofran'ny Abiezrita izy.
33Gedeonui mirus, izraelitai vėl nuėjo paleistuvauti paskui Baalį ir savo dievu padarė Baal Beritą.
33Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak'Isiraely ka nanao an'i Bala-berita ho andriamaniny.
34Izraelitai neprisiminė Viešpaties, savo Dievo, kuris juos išgelbėjo iš visų aplinkui juos esančių priešų.
34Ary ny Zanak'Isiraely tsy nahatsiaro an'i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra nanodidina,sady tsy nanao soa tamin'ny taranak'i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon'i Gideona tamin'ny Isiraely, izy.
35Jie neparodė malonės Jerubaalio, kitaip Gedeono, giminei, nepaisydami to, kad jis Izraeliui padarė daug gero.
35sady tsy nanao soa tamin'ny taranak'i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon'i Gideona tamin'ny Isiraely, izy.