1Jerubaalio sūnus Abimelechas nuėjo į Sichemą pas savo motinos brolius ir kalbėjo visai motinos giminei:
1[Ny ratsy nataon'i Abimeleka, sy ny nanjo azy] Ary Abimeleka, zanak'i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin'ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin'izay rehetra isan'ny fianakavian-dreniny nanao hoe:
2“Paklauskite Sichemo vyrų, ar jie norėtų, kad jiems karaliautų septyniasdešimt vyrų, visi Jerubaalio sūnūs, ar vienas? Atsiminkite, jog aš esu jūsų kūnas ir kaulas”.
2Mba mitenena ianareo eo anatrehan'ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan'izy fito-polo lahy zanak'i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan'ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho.
3Jo motinos broliai viską papasakojo Sichemo vyrams. Jie pritarė Abimelechui, galvodami: “Jis yra mūsų brolis!”
3Ary ny anadahin-dreniny nilaza azy teo anatrehan'ny mponina rehetra tao Sekema ka nanao izany teny rehetra izany; koa ny fon'ireo dia ta-hanaraka an'i Abimeleka, fa hoy izy: Rahalahintsika izy.
4Jie davė jam iš Baal Berito šventyklos septyniasdešimt sidabrinių. Už juos Abimelechas pasisamdė niekšų ir valkatų, kurie sekė jį.
4Dia nomeny sekely volafotsy fito-polo avy tao an-tranon'i Bala-berita izy, ary nanambazan'i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo.
5Atėjęs į savo tėvo namus Ofroje, nužudė savo brolius, Jerubaalio sūnus, septyniasdešimt vyrų, ant vieno akmens. Gyvas liko tik Jerubaalio jauniausiasis sūnus Jotamas, nes jis buvo pasislėpęs.
5Dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy ka namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak'i Jerobala, teo ambonin'ny vato iray; ary Jotama, faralahin'i Jerobala, no sisa velona. satria niery izy.
6Po to Sichemo vyrai bei Bet Milojo gyventojai, susirinkę po ąžuolu, prie akmens stulpo, stovinčio Sicheme, paskelbė Abimelechą karaliumi.
6Dia nivory ny mponina rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Milo ka nandeha nampanjaka an'i Abimeleka teo anilan'ny hazo terebinta, akaikin'ny tsangambato any Sekema.[Heb. fiarovana][Na: rovan'ny miaramila]
7Tai sužinojęs, Jotamas užlipo ant Garizimo kalno ir garsiai šaukdamas tarė: “Sichemo vyrai, klausykite manęs, kad ir Dievas jūsų klausytų.
7Ary nisy nilaza izany tamin'i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon'ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan'Andriamanitra anareo kosa.
8Kartą medžiai susirinko patepti karalių. Jie tarė alyvmedžiui: ‘Karaliauk mums’.
8Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy; ka hoy izy tamin'ny oliva: Manjaka aminay ianao.
9Alyvmedis jiems atsakė: ‘Argi galiu atsisakyti savo alyvos, kuria patepami dievai ir žmonės, ir nuėjęs valdyti medžius?’
9Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay ankalazan'ireny andriamanitra sy ny olona ahy, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
10Po to medžiai kreipėsi į figmedį: ‘Ateik ir karaliauk mums’.
10Ary hoy ny hazo tamin'ny aviavy: Avia ianao ka manjakà aminay.[aviavimbazaha]
11Figmedis jiems atsakė: ‘Argi galiu atsisakyti savo saldumo bei puikių vaisių ir nuėjęs valdyti medžius?’
11Dia hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny fahamamiako sy ny vokatro tsara, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho? [aviavimbazaha]
12Po to medžiai kreipėsi į vynmedį: ‘Ateik ir karaliauk mums’.
12Dia hoy ny hazo tamin'ny voaloboka: Avia ianao, ka manjakà aminay.
13Vynmedis jiems atsakė: ‘Argi galiu atsisakyti vyno, kuris linksmina dievus ir žmones, ir nuėjęs valdyti medžius?’
13Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko, izay mahafaly an'Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
14Pagaliau medžiai kreipėsi į erškėtį: ‘Ateik ir karaliauk mums’.
14Ary hoy ny hazo rehetra tamin'ny tsilo: Avia ianao, ka manjakà aminay.
15Erškėtis atsakė medžiams: ‘Jei tikrai jūs norite mane patepti karaliumi, ateikite ir ilsėkitės mano pavėsyje, o jei ne, tegul išeina ugnis iš erškėčio ir sudegina Libano kedrus!’
15Fa hoy ny tsilo tamin'ny hazo: Raha hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia ianareo ka mialofa ato amin'ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin'ny tsilo ka handevona ny sederan'i Libanona.
16Jei pasielgėte teisingai ir gerai, patepdami Abimelechą karaliumi, ir Jerubaaiui bei jo giminei pagal nuopelnus atlyginote
16Koa ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin'ny nampanjakanareo an'i Abimeleka, ary raha soa no nataonareo tamin'i Jerobala sy ny taranany, ka novalianareo araka izay nataon'ny tànany izy
17(nes mano tėvas kovojo už jus, statydamas pavojun savo gyvybę ir gelbėdamas jus iš midjaniečių rankos,
17(fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Midiana;
18o jūs šiandien sukilote prieš mano tėvo giminę, nužudėte visus septyniasdešimt jo sūnų ant vieno akmens ir patepėte Sichemo karaliumi jo tarnaitės sūnų Abimelechą todėl, kad jis jūsų brolis),
18nefa ianareo kosa niodina tamin'ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin'ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin'ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy),
19jei šiandien teisingai ir gerai pasielgėte su Jerubaaliu ir jo gimine, tai džiaukitės Abimelechu, o jis tegul džiaugiasi jumis.
19koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin'i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin'i Abimeleka ianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo.
20Bet jei ne, tegul išeina ugnis iš Abimelecho ir sudegina Sichemo miesto ir Milo gyventojus. Tegul išeina ugnis iš Sichemo ir Bet Milojo gyventojų ir sudegina Abimelechą!”
20Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin'i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin'ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an'i Abimeleka.[Heb. fiarovana]
21Jotamas pabėgo į Beerą ir ten apsigyveno, nes bijojo savo brolio Abimelecho.
21Dia riatra nandositra Jotama ka nankany Bera ary nitoetra teo mba hiery an'i Abimeleka rahalahiny.
22Abimelechas valdė Izraelį trejus metus.
22Ary rehefa nanapaka telo taona tamin'ny Isiraely Abimeleka,
23Po to Dievas sukėlė nesantaiką tarp Abimelecho ir Sichemo gyventojų (ir Sichemo gyventojai pradėjo klastingai elgtis su Abimelechu),
23Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin'i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an'i Abimeleka,
24kad atkeršytų Abimelechui už septyniasdešimt Jerubaalio sūnų ir jų kraujas kristų ant to, kuris juos nužudė, ir ant Sichemo žmonių, kurie jam padėjo nužudyti brolius.
24mba hitsingerenan'ny loza natao tamin'ny namonoana ny zanak'i Jerobala fito-polo lahy ka hanody an'i Abimeleka rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao Sekema, izay nampahery ny tànany hamono ny rahalahiny.[Heb. ran']
25Sichemo gyventojai pastatė tykoti jo kalnų viršūnėse vyrus, kurie apiplėšdavo visus, kas eidavo tuo keliu. Apie tai buvo pranešta Abimelechui.
25Ary nanaovan'ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin'ny otrika izay rehetra nandalo tamin'izany lalana izany; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany.
26Į Sichemą atvyko Ebedo sūnus Gaalas su savo broliais ir apsigyveno. Sichemo gyventojai pasitikėjo juo.
26Dia tonga tao Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao Sekema natoky azy.
27Jie, prisiskynę vynuogių savo vynuogynuose, jas išsispaudė ir suruošė puotą. Savo dievo namuose jie valgė, gėrė ir keikė Abimelechą.
27Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an'i Abimeleka.
28Ebedo sūnus Gaalas sakė: “Kas yra Abimelechas ir kas yra Sichemas, kad jam tarnautume? Argi jis ne Jerubaalio sūnus ir argi jo prievaizdas ne Zebulas? Tarnaukite Sichemo tėvo Hamoro vyrams. Kodėl mes turime tarnauti jam?
28Ary hoy Gala, zanak'i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak'i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak'i Hamora, rain'i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika?
29Jei aš būčiau tų žmonių valdovas, pašalinčiau Abimelechą, sakydamas: ‘Surink savo kariuomenę ir išeik!’ ”
29Ary enga anie ka ho eo ambanin'ny tanako ireto olona ireto! dia hesoriko Abimeleka. Dia hoy izy tamin'i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha.
30Miesto viršininkas Zebulas girdėjo Ebedo sūnaus Gaalo žodžius ir labai supyko.
30Ary rehefa ren'i Zebola, komandin'ny tanàna, ny tenin'i Gala, zanak'i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany.
31Jis slaptai siuntė pas Abimelechą pasiuntinius, pranešdamas: “Ebedo sūnus Galaas su savo broliais atvyko į Sichemą ir kursto miestą prieš tave.
31Dia naniraka olona mangingina tany amin'i Abimeleka izy hanao hoe: Indro, Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny dia tonga ato Sekema; ary, indro, mandrendrika ny ato an-tanàna hiodina aminao izy.
32Tu ir tavo vyrai pasislėpkite laukuose.
32Koa ankehitriny, miaingà alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha.
33Rytą, saulei tekant, pulkite miestą! Gaalas su savo šalininkais išeis prieš tave. Pasielk su jais, kaip galėsi”.
33Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza maraina koa ianao, ka miroata hamely ny tanàna; ary, indro, raha mivoaka hiady aminao izy sy ny vahoaka eo aminy, dia ataovy aminy izay zakan'ny tananao.
34Abimelechas ir visi jo vyrai naktį pasislėpė Sichemo laukuose, pasidalinę į keturias grupes.
34Dia niainga alina Abimeleka sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nanao otrika efa-toko tandrifin'i Sekema,
35Ebedo sūnus Gaalas išėjęs atsistojo miesto vartuose. Tada Abimelechas ir jo vyrai pasiruošė puolimui.
35Dia nivoaka Gala, zanak'i Ebeda, ka nijanona teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; dia niroatra avy tao ampanotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy.
36Gaalas, pamatęs žmones, tarė Zebului: “Žmonės leidžiasi nuo kalnų viršūnių”. Bet Zebulas jam atsakė: “Kalnų šešėlius tu laikai žmonėmis”.
36Ary rehefa hitan'i Gala ny olona, dia hoy izy tamin'i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon'ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona.
37Tačiau Gaalas vėl pakartojo: “Žmonės leidžiasi nuo aukštumos, o kitas būrys ateina nuo Menoimo pusės”.
37Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin'ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin'ny lalana eo amin'ny hazo terebinta Meonenima.[Heb. mpanandro]
38Tada Zebulas jam tarė: “Kur tavo lūpos, kurios sakė: ‘Kas mums Abimelechas, kad jam tarnautume’. Tai vyrai, kuriuos tu niekini. Eik dabar ir kariauk su jais”.
38Dia hoy Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy.
39Gaalas ėjo Sichemo vyrų priekyje ir kovojo su Abimelechu.
39Dia nivoaka teo anoloan'ny mponina tao Sekema Gala ka niady tamin'i Abimeleka.
40Abimelechas vijosi jį, ir tas bėgo nuo jo. Daug vyrų krito iki miesto vartų.
40Dia nanenjika azy Abimeleka, ary nandositra teo anoloany izy, ka maro ny faty niampatrampatra hatreny anoloan'ny vavahady aza.
41Abimelechas sustojo Arumoje, o Zebulas išvarė Gaalą ir jo brolius iš Sichemo.
41Ary Abimeleka nonina tany Aroma; ary Zebola nandroaka an'i Gala sy ny rahalahiny mba tsy honina any Sekema intsony.
42Kitą rytą žmonės išėjo iš Sichemo į laukus. Apie tai pranešė Abimelechui.
42Ary nony ampitson'iny dia nivoaka ho ratsy any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany,
43Jis savo vyrus paskirstė į tris būrius, kurie, pasislėpę laukuose, laukė. Žmonėms išėjus iš miesto, jie puolė ir nugalėjo.
43Dia naka ny vahoaka izy ka nizara azy ho telo toko ary nanotrika tany an-tsaha; dia nijery izy, ka, indreo, ny olona nivoaka avy tao an-tanàna; dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy.
44Abimelechas su savo būriu atskubėjo ir atsistojo miesto vartuose, kiti du būriai puolė esančius laukuose ir juos išžudė.
44Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan'ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.
45Abimelechas, kovojęs visą dieną, užėmė miestą, jame buvusius žmones išžudė, miestą sugriovė ir apibarstė druska.
45Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira.
46Migdal Sichemo pilies gyventojai, tai išgirdę, suėjo į El Berito šventyklos tvirtovę.
46Ary nony nandre izany ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao amin'ny efi-trano fierena tao an-tranon'i Berita andriamaniny izy.
47Abimelechui buvo pranešta, kad visi Migdal Sichemo pilies gyventojai susirinko į vieną vietą.
47Ary nolazaina tamin'i Abimeleka fa tafangona tao amin'ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra.
48Ir Abimelechas su savo vyrais užkopė ant Calmono kalno. Jis, paėmęs kirvį, nusikirto medžio šaką, užsidėjo ją ant peties ir įsakė žmonėms: “Ką aš darau, darykite ir jūs”.
48Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin'ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo.
49Visi vyrai nusikirto po šaką ir ėjo paskui Abimelechą. Atėję sukrovė šakas aplink tvirtovę ir padegė ją. Taip mirė visi Migdal Sichemo pilies žmonės, apie tūkstantį vyrų ir moterų.
49Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an'i Abimeleka, dia nametraka izany teo an-trano fiarovana ka nandoro azy tamin'ny afo, raha mbola tao ny olona, ka maty koa ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo no isany.
50Po to Abimelechas nužygiavo į Tebecą, apgulė ir paėmė jį.
50Dia nandeha Abimeleka nankany Tebeza ary nitoby tandrifin'i Tebeza ka nahafaka azy.
51Miesto viduryje buvo stiprus bokštas, ir į jį subėgo visi miesto gyventojai. Jie, užrakinę bokšto įėjimą, užlipo ant jo stogo.
51Fa nisy tilikambo mafy tao anatin'ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon'ny tilikambo izy.
52Abimelechas priėjo prie bokšto, norėdamas jį padegti.
52Ary Abimeleka nankany amin'ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran'ny tilikambo izy handoro azy amin'ny afo.
53Viena moteris numetė ant Abimelecho galvos girnų akmens gabalą ir sulaužė jo kaukolę.
53Fa nisy vehivavy anankiray, nanjera vato fikosoham-bary tamin'ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.[Heb. vato ambony]
54Jis tuojau pasišaukė jaunuolį, savo ginklanešį, ir jam tarė: “Išsitrauk kardą ir nužudyk mane, kad apie mane nesakytų: ‘Moteris jį užmušė!’ ” Jo ginklanešys jį perdūrė, ir jis mirė.
54Dia nantsoin'i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan'ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy.
55Izraelitai pamatę, kad Abimelechas miręs, kiekvienas sugrįžo į savo namus.
55Ary rehefa hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely fa maty Abimeleka, dia samy lasa nandeha ho any amin'ny fonenany avy izy.
56Taip Dievas atlygino Abimelechui už jo nusikaltimą tėvui, kai jis nužudė septyniasdešimt savo brolių.
56Izany no namalian'Andriamanitra ny ratsy nataon'i Abimeleka, izay efa nataony tamin'ny rainy tamin'ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy.Ary ny ratsy rehetra nataon'ny mponina tao Sekema dia natsingerin'Andriamanitra tamin'ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon'i Jotama, zanak'i Jerobala.
57Taip pat ir Sichemo vyrams Dievas atlygino, ir taip išsipildė Jerubaalio sūnaus Jotamo prakeikimas.
57Ary ny ratsy rehetra nataon'ny mponina tao Sekema dia natsingerin'Andriamanitra tamin'ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon'i Jotama, zanak'i Jerobala.