Malagasy

聖經新譯本

1 Corinthians

14

1[Ny fihoaran'ny fahaizana haminany noho ny fahaizana hanao fiteny tsy fantatra] Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany
1講道與說方言的恩賜你們要追求愛,也要熱切地渴慕屬靈的恩賜,特別是先知講道的恩賜。
2Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala;
2原來那說方言的不是對人說,而是對 神說,因為沒有人能聽得懂;他是在靈裡講奧祕的事。
3fa izay maminany kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana.
3但那講道的是對人講說,使他們得著造就、安慰和勸勉。
4Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana. [ Gr. eklesia]
4那說方言的是造就自己,但那講道的是造就教會。
5Tiako raha samy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra ianareo rehetra; nefa aleo haminany; fa izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, raha tsy mandika teny koa izy hahazoan'ny fiangonana fampandrosoana. [ Gr. eklesia]
5我願意你們都說方言,但我更願意你們都講道;因為那說方言的,如果不翻譯出來使教會得著造就,就遠不如那講道的了。
6Nefa, ry rahalahy, raha mankeo aminareo aho ka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, inona moa no soa ho vitako aminareo amin'izany, raha tsy fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo?
6弟兄們,你們想想,如果我到你們那裡去,只說方言,不向你們講有關啟示、知識、預言,或教訓的話,那我對你們有甚麼益處呢?
7Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy hafa, ahoana no hahafantarana izay ataony, na amin'ny sodina, na amin'ny lokanga?
7甚至那些沒有生命卻能發聲的東西,例如簫或琴,如果音調不分,怎能使人知道所彈所奏的是甚麼呢?
8Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?
8又如果軍號所發的聲音不清楚,誰會準備作戰呢?
9Dia toy izany koa ianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin'ny rivotra ianareo.
9你們也是這樣,如果用舌頭發出人聽不懂的話來,人怎會知道你所講的是甚麼呢?這樣,你們就是向空氣說話了。
10Misy fiteny maro samy hafa amin'izao tontolo izao, ka samy manana ny heviny avy.
10世上有那麼多種語言,但沒有一種是沒有意義的。
11Koa raha tsy mahalala ny hevitry ny fiteny aho, dia ho vaka amin'izay miteny, ary izay miteny ho vaka amiko kosa.
11我若不明白某一種語言的意思,在那講的人來看,我就是個外國人;在我來說,那講話的人也是個外國人。
12Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra. [ Gr. eklesia]
12你們也是這樣,你們既然熱切地渴慕屬靈的恩賜,就應當追求多多得著造就教會的恩賜。
13Koa aoka izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.
13所以,說方言的應當祈求,使他能把方言翻譯出來。
14Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.
14我若用方言禱告,是我的靈在禱告,我的理智並沒有作用。
15Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.
15那麼我應當怎樣行呢?我要用靈禱告,也要用理智禱告;我要用靈歌唱,也要用理智歌唱。
16Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy.
16不然,如果你用靈讚美,在場那些不明白的人,因為不知道你在說甚麼,怎能在你感謝的時候說“阿們”呢?
17Fa ianao dia misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina.
17你感謝固然是好,但別人卻得不著造就。
18Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho;
18我感謝 神,我說方言比你們大家都多。
19nefa raha ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra. [ Gr. eklesia]
19但在教會中,我寧願用理智說五句話去教導人,勝過用方言說萬句話。
20Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin'ny fahalalana; raha amin'ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin'ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.
20弟兄們,你們在思想上不要作小孩子,卻要在惡事上作嬰孩,在思想上作成年人。
21Voasoratra amin'ny lalàna hoe: Amin'ny olona hafa fiteny sy amin'ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin'ity firenena ity; fa na dia amin'izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy Jehovah (Isa. 28. 11, 12).
21律法上記著說:“主說:我要藉著說別種話的人,用外國人的嘴唇,對這人民說話;雖然這樣,他們還是不聽我。”
22Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin'ny tsy mino, fa tsy amin'ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin'ny mino, fa tsy amin'ny tsy mino.
22可見說方言不是要給信主的人作記號,而是要給未信的人;講道不是要給未信的人,而是要給信主的人作記號。
23Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra samy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny tsy mino, tsy holazainy va fa very saina ianareo?
23所以,如果全教會聚在一起的時候,大家都說方言,有不明白的人或未信的人進來,不是要說你們瘋了嗎?
24Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan'ny anatra ataon'izy rehetra izy sady hotsarain'izy rehetra;
24如果大家都講道,有未信的人或不明白的人進來,他就會被眾人勸服而知罪,被眾人審問了。
25ka dia miseho ny zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin'Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.
25他心裡隱祕的事被顯露出來,他就必俯伏敬拜 神,宣告說:“ 神真的是在你們中間了。”
26Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.
26 神不是混亂而是和平的弟兄們,那麼應該怎麼辦呢?你們聚集在一起的時候,各人或有詩歌,或有教訓,或有啟示,或有方言,或有翻譯出來的話,一切都應該能造就人。
27Raha misy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny.
27如果有人說方言,只可以有兩個人,或最多三個人,並且要輪流說,同時要有一個人翻譯。
28Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy hangina eo amin'ny fiangonana; fa aoka hiteny amin'ny tenany sy amin'Andriamanitra ihany izy. [ Gr. eklesia]
28如果沒有人翻譯,他就應當在會中閉口,只對自己和對 神說好了。
29Ary aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka ny hafa hamantatra.
29講道的,也只可以兩三個人講,其餘的人要衡量他們所講的。
30Fa raha misy tsindrian'ny Fanahy ao am-pipetrahana, dia aoka hangina kosa ny voalohany;
30在座的有人得了啟示,那先講的人就應當住口。
31fa mahazo maminany tsirairay ianareo rehetra, mba hianaran'izy rehetra sy hamporisihana azy rehetra;
31因為你們都可以輪流講道,好讓大家都可以學習,都可以得到勉勵。
32ary ny fanahin'ny mpaminany dia manaiky hozakain'izy mpaminany.
32先知的靈是受先知控制的,
33Fa Andriamanitra tsy tompon'ny fikotronana, fa tompon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny fiangonan'ny olona masina rehetra, [ Gr. eklesia]
33因為 神不是混亂的,而是和平的。
34dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara araka ny lazain'ny lalàna koa. [ Gr. eklesia]
34婦女在聚會中應當閉口,好像在聖徒的眾教會中一樣,因為她們是不准講話的;就如律法所說的,她們應該順服。
35Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy. [ Gr. eklesia]
35如果她們想要學甚麼,可以在家裡問自己的丈夫,因為婦女在聚會中講話原是可恥的。
36Avy aminareo va no nihavian'ny tenin'Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany?
36難道 神的道是從你們出來的嗎?是單單臨到你們的嗎?
37Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin'ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.
37如果有人自以為是先知或是屬靈的,他就應該知道我寫給你們的是主的命令;
38Fa raha misy tsy mahalala, dia avelao tsy hahalala ihany izy.
38如果有人不理會,別人也不必理會他。
39Koa amin'izany, ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra;kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin'ny fahamendrehana sy ny filaminana.
39所以我的弟兄們,你們要熱切地追求講道的恩賜,也不要禁止說方言。
40kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin'ny fahamendrehana sy ny filaminana.
40凡事都要規規矩矩地按著次序行。