Malagasy

聖經新譯本

1 Corinthians

15

1[Ny amin'ny fitsanganan'ny maty] Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo,
1基督照聖經所記的復活了弟兄們,我要把我從前傳給你們的福音向你們講明。這福音你們已經領受了,並且靠著它站立得穩。
2izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo.
2你們若持守我所傳給你們的道,就必靠這福音得救,不然就是徒然相信了。
3Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina,
3我從前領受了又傳交給你們那最要緊的,就是基督照著聖經所記的,為我們的罪死了,
4dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina;
4又埋葬了,又照著聖經所記的,第三天復活了;
5ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa.
5並且曾經向磯法顯現,然後向十二使徒顯現。
6Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry.
6以後又有一次向五百多個弟兄顯現。他們中間大多數到現今還在,也有些已經睡了。
7Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra.
7以後也向雅各顯現,再後又向眾使徒顯現,
8Ary faran'izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.
8最後也向我顯現;我好像一個未到產期而生的人。
9Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra aho. [ Gr. eklesia]
9我原是使徒中最小的,本來沒有資格稱為使徒,因為我曾經迫害 神的教會。
10Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko.
10然而靠著 神的恩典,我得以有了今天,而且他賜給我的恩典並沒有落空;我比眾使徒格外勞苦,其實不是我,而是 神的恩典與我同在。
11Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.
11因此,不論是我,或是眾使徒,我們這樣傳,你們也這樣信了。
12Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty?
12死人都要復活我們既然傳基督從死人中復活了,你們中間怎麼有人說沒有死人復活呢?
13Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;
13倘若沒有死人復活的事,基督也就沒有復活了。
14ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.
14如果基督沒有復活,我們所傳的就是枉然,你們的信也是枉然,
15Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy.
15我們也會被人認為是替 神作假見證的了,因為我們為 神作過見證說,他使基督復活了。如果死人沒有復活, 神也就沒有使基督復活了。
16Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;
16因為如果死人沒有復活,基督也就沒有復活。
17ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo;
17基督若沒有復活,你們的信就是徒然,你們仍在你們的罪裡。
18dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy.
18那麼,在基督裡睡了的人也就滅亡了。
19Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.
19如果我們在基督裡只在今生有盼望,就比所有人更可憐了。
20Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry.
20現在基督已經從死人中復活,成為睡了的人初熟的果子。
21Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty.
21死既藉著一人而來,死人復活也藉著一人而來。
22Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.
22在亞當裡眾人都死了,照樣,在基督裡眾人也都要復活;
23Nefa samy amin'ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy amin'ny fihaviany.
23只是各人要按著自己的次序:初熟的果子是基督,以後,在他來的時候,是那些屬基督的人。
24Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin'izay dia hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.
24再後,末期到了的時候,基督把所有的統治者、掌權者和有能者都毀滅了,就把國度交給父 神。
25Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 110. 1).
25因為基督必要作王,直到 神把所有的仇敵都放在他的腳下。
26Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
26最後要毀滅的仇敵就是死,
27Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 8. 6). Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan'izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.
27因為經上記著說:“他使萬物都服在他腳下。”既然說萬物都服了他,顯然那使萬物服他的就不包括在內了。
28Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan'ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany. [ Gr. mba ho zavatra rehetra amin'izy rehetra Andriamanitra]
28等到萬物都服了他,那時子自己也要服那位叫萬物服他的,好使 神在萬有之上。
29Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa ny amin'ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy? [ Na: nisolo]
29不然,那些為死人受洗的,是為了甚麼呢?如果死人根本不會復活,那麼為甚麼要為他們受洗呢?
30Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?
30我們又為甚麼時刻冒險呢?
31Lazaiko marina, ry rahalahy, amin'ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan'andro aho. [ Na: Mianiana aho]
31弟兄們,我是天天冒死的,這是我憑著我在我們的主耶穌基督裡,因你們而誇口說的。
32Raha araka ny fanaon'olona no niadiako tamin'ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin'izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty (Isa. 22. 13). [ Na: inona no soa azoko, raha tsy atsangana ny maty? Aoka isika hihinana]
32我在以弗所和野獸搏鬥,如果照著人的意思來看,那對我有甚麼益處呢?如果死人不會復活,“我們就吃吃喝喝吧,因為我們明天就要死了。”
33Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
33你們不要自欺,“濫交朋友是會敗壞品德的。”
34Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany. [ Na: Mifohaza ho amin'ny fahamarinana]
34你們理當醒悟過來,不要犯罪,因為你們中間有人不認識 神;我說這話是要你們羞愧。
35Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?
35復活的身體但有人會說:“死人怎樣復活呢?要帶著怎麼樣的身體來呢?”
36Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha;
36無知的人哪,你所種的若不死去,就不能生。
37ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voambary, na voa hafa; [ vary tritrika]
37你們所種的,不是那將來要長成的形體,只不過是一粒種子,也許是麥子或別的種子。
38fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy.
38但 神隨著自己的意思給它一個形體,給每一樣種子各有自己的形體。
39Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an'ny olona, ary hafa ny nofon'ny biby, ary hafa ny nofon'ny vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano.
39而且各種身體也都不一樣,人有人的身體,獸有獸的身體,鳥有鳥的身體,魚有魚的身體。
40Ary misy tenan'ny any an-danitra, ary misy tenan'ny etỳ an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an'ny etỳ an-tany.
40有天上的形體,也有地上的形體;天上形體的榮光是一樣,地上形體的榮光又是一樣。
41Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray.
41太陽有太陽的榮光,月亮有月亮的榮光,星星有星星的榮光,而且每一顆星的榮光也都不同。
42Dia toy izany koa ny fitsanganan'ny maty: Afafy amin'ny fahalòvana izy, atsangana amin'ny tsi-fahalòvana;
42死人復活也是這樣。所種的是必朽壞的,復活的是不朽壞的;
43afafy amin'ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin'ny voninahitra; afafy amin'ny fahalemena izy, atsangana amin'ny hery;
43所種的是卑賤的,復活的是榮耀的;所種的是軟弱的,復活的是有能力的;
44afafy tena araka ny fomban'aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban'aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa.
44所種的是屬血氣的身體,復活的是屬靈的身體。既然有屬血氣的身體,也會有屬靈的身體。
45Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan'aina (Gen. 2. 7); Adama farany natao fanahy mahavelona.
45經上也是這樣記著說:“第一個人亞當成了有生命的人,末後的亞當成了使人活的靈。”
46Anefa tsy izay amin'ny fanahy no voalohany, fa izay amin'ny manan'aina, dia vao izay amin'ny fanahy.
46但那首先的不是屬靈的,而是屬血氣的,然後才有屬靈的。
47Ny olona voalohany avy amin'ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.
47第一個人是出於地,是屬土的;第二個人是出於天。
48Izay amin'ny tany dia tahaka ilay amin'ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra.
48那屬土的怎樣,所有屬土的也都怎樣;屬天的怎樣,所有屬天的也都怎樣。
49Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin'ny tany no hitondrantsika ny endrik'ilay any an-danitra koa.
49我們既然有了屬土的形象,將來也必有屬天的形象。
50Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana.
50弟兄們,我告訴你們,血肉之體不能承受 神的國,必朽壞的也不能承受那不朽壞的。
51Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,
51我現在把一個奧祕告訴你們:我們不是都要睡覺,而是在一剎那,眨眼之間,就是號角最後一次吹響的時候,我們都要改變;因為號角要吹響,死人要復活,成為不朽壞的,我們也要改變。
52fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana.
52
53Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.
53這必朽壞的必須穿上不朽壞的,這必死的必須穿上不死的;
54Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona (Isa. 25. 8). [ Gr. voatelina ka resy]
54這必朽壞的既穿上了不朽壞的,這必死的既穿上了不死的,那時,經上的話就應驗了:“勝利了!死亡已經被吞滅。
55Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos. 13. 14).
55死亡啊!你的勝利在哪裡?死亡啊!你的毒刺在哪裡?”
56Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.
56死的毒刺就是罪,罪的權勢就是律法。
57Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.
57感謝 神,他藉著我們的主耶穌基督,把勝利賜給我們。
58Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.
58所以,我親愛的弟兄們,你們務要堅固,不可動搖,常常竭力多作主工,因為知道你們的勞苦,在主裡面不是徒然的。