Malagasy

聖經新譯本

1 Corinthians

3

1[Ny amin'ny raharahan'ny mpitoriteny, sy ny mbola hizahan-toetra azy] Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i Kristy.
1不可分派結黨弟兄們,我從前對你們說話,還不能把你們看作屬靈的人,只能看作屬肉體的,看作在基督裡的嬰孩。
2Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza,
2我餵給你們吃的是奶,不是飯,因為那時你們不能吃,就是現在還是不能,
3fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon'ny olona?
3因為你們仍然是屬肉體的。在你們當中既然有嫉妒紛爭,你們不還是屬肉體,照著世人的方式而行嗎?
4Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an'i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an'i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo?
4有人說“我是保羅派的”,又有人說“我是亞波羅派的”,你們不是和世人一樣嗎?
5Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen'ny Tompo azy avy.
5亞波羅算甚麼?保羅算甚麼?我們不過是 神的僕人,你們藉著我們信了主;按著主所賜給各人的,
6Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.
6我栽種了,亞波羅澆灌了,唯有 神使它生長。
7Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.
7所以,栽種的算不得甚麼,澆灌的也算不得甚麼,只在乎那使它生長的 神。
8Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy.
8栽種的和澆灌的都是一樣,只是各人要照著自己的勞苦得著自己的報酬。
9Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ianareo.
9我們是 神的同工,你們是 神的田地, 神的房屋。
10Araka ny fahasoavan'Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon'ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.
10我照著 神賜給我的恩典,就像一個聰明的工程師,立好了根基,別人在上面建造。各人要注意怎樣在上面建造,
11Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.
11因為除了那已經立好的根基以外,沒有人能立別的根基。那根基就是耶穌基督。
12Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin'ny fanorenana,
12如果有人用金、銀、寶石、草、木、禾秸,在這根基上建造,
13dia haseho avokoa ny asan'ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin'afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin'ny afo ny asan'ny olona rehetra. [ Na: izany]
13各人的工程將來必要顯露,因為那日子必把它顯明出來。有火要把它顯露出來,那火要考驗各人的工程是怎樣的。
14Raha maharitra ny asan'ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy.
14如果有人在這根基上建造的工程存得住,他就要得到賞賜;
15Raha ho levon'ny afo ny asan'ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin'ny afo ihany izy.
15如果有人的工程被燒毀,他就要受虧損;自己卻要得救,只是要像從火裡經過一樣。
16Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo?
16難道不知道你們是 神的殿, 神的靈住在你們裡面嗎?
17Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany. [ Na: dia masina koa ianareo]
17如果有人毀壞 神的殿, 神必要毀壞這人,因為 神的殿是聖潔的,這殿就是你們。
18Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.
18誰也不要自欺。如果你們當中有人以為自己在這世代裡是有智慧的,他就應該變為愚笨,好讓他有智慧。
19Fa ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy (Joba 5. 13).
19因為這世界的智慧,在 神看來是愚笨的,如經上所記:“他使有智慧的人中了自己的詭計。”
20Ary indray: Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry fa zava-poana izany (Sal. 94. 11)
20又說:“主知道智慧人的意念是虛妄的。”
21Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra:
21所以,誰都不可拿人來誇耀,因為一切都是你們的。
22na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany;ary ianareo an'i Kristy ary Kristy an'Andriamanitra.
22無論是保羅,是亞波羅,是磯法,是世界,是生,是死,是現在的事,是將來的事,都是你們的。
23ary ianareo an'i Kristy ary Kristy an'Andriamanitra.
23你們是屬基督的,基督是屬 神的。