1Aoka hataon'ny olona ho mpanompon'i Kristy sy mpitandrina'ny zava-miafina izay an'Andriamanitra izahay.
1基督的使徒遭人輕視這樣,人應該把我們看作基督的僕人, 神奧祕的事的管家。
2Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky. [ Gr: mpitandrina fananana]
2對於管家的要求,就是要他忠心。
3Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain'olona fa ny tenako aza tsy mitsara ahy. [ Gr. andron'olona]
3我被你們論斷,或被人間法庭審判,我都認為是極小的事,連我自己也不論斷自己。
4Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy:
4我雖然問心無愧,卻不能因此自以為義,因為判斷我的是主。
5koa amin'izany aza mitsara na inona na inona alohan'ny fotoana, dia ny fihavian'ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina ka hampiseho ny fikasan'ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin'Andriamanitra izy rehetra.
5所以時候還沒有到,你們不要批評,直等到主來;他要照出黑暗中的隱情,顯明人心裡的動機。那時,各人要從 神那裡得著稱讚。
6[Anatra noho ny fiavonavonan'ny Korintiana] Ary izany zavatra izany, ry rahalahy, nataoko oha-teny hilaza ahy sy Apolosy noho ny aminareo, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho ny voasoratra, mba tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny anankiray, fa hanevateva ny anankiray kosa.
6弟兄們,我為你們的緣故,拿了這些事來比擬自己和亞波羅,讓你們在我們身上學到的,不會超過聖經所記的,免得你們中間有人自高自大,看重這個輕視那個。
7Fa iza no mampihoatra anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?
7使你與人不同的是誰呢?你有甚麼不是領受的呢?既然是領受的,為甚麼要自誇,好像不是領受的呢?
8Efa afa-po sahady ianareo, efa manan-karena sahady ianareo, efa manjaka ianareo; kanefa hay! tsy izahay tsy akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka manjaka tokoa ianareo, hiarahanay sy ianareo manjaka.
8你們已經滿足了,已經豐富了,不需要我們,自己作王了。我恨不得你們真的作了王,讓我們也可以跟你們一同作王!
9Fa ataoko fa nasehon'Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan'izao rehetra izao, na anjely na olona.
9我想 神是把我們作使徒的列在最後,好像定了死刑的人,因為我們成了一臺戲給宇宙觀看,就是給天使和世人觀看!
10Izahay dia adala noho ny amin'i Kristy, fa ianareo no hendry ao amin'i Kristy! izahay malemy, fa ianareo no mahery! ianareo manandaza, fa izahay mavomavo!
10我們為基督的緣故,成了愚笨的;你們在基督裡,倒成了聰明的。我們軟弱,你們倒強壯;你們受人尊敬,我們倒被輕視。
11Mandraka ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay;
11直到現在,我們還是又飢又渴,衣不蔽體,又挨打,又沒有棲身的地方,
12Ary misasatra miasa amin'ny tananay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra;
12並且勞苦,親手作工。被人咒罵,我們就祝福;遭受迫害,我們就忍受;
13raha tenenina mafy, dia mamaly teny moramora kosa; atao toy ny faditr'izao tontolo izao izahay, dia faikan'ny olona rehetra, mandraka ankehitriny.
13被人毀謗,我們卻好好地勸導;直到現在,人還是把我們當作世上的垃圾,萬物的渣滓。
14Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho.
14我寫這些話,不是要叫你們羞愧,而是把你們當作我親愛的兒女一樣勸戒你們。
15Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin'i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny filazantsara.
15縱然你們在基督裡有上萬的啟蒙教師,可是父親卻不多,因為是我在基督耶穌裡藉著福音生了你們。
16Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy ianareo.
16所以我勸你們要效法我。
17Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin'ny Tompo, ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko ao amin'i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin'ny fiangonana rehetra eny tontolo eny. [ Gr. lalako]
17因此,我打發提摩太到你們那裡去。他是我在主裡親愛又忠心的兒子,他要提醒你們我在基督裡是怎樣行事為人,正如我在各處教會中所教導的一樣。
18Fa ny sasany mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho.
18有人以為我不會到你們那裡去,就自高自大。
19Fa ho avy any aminareo faingana aho, raha sitrapon'ny Tompo, dia ho fantatro izay herin'ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny.
19然而主若願意,我很快就要到你們那裡去;到時我要知道的,不是那些自高自大的人所講的,而是他們的能力。
20Fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny teny, fa amin'ny hery.Inona ary no tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin'ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy?
20因為 神的國不在乎言語,而在乎權能。
21Inona ary no tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin'ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy?
21你們願意怎麼樣呢?要我帶著刑杖到你們那裡去,還是以溫柔的靈,帶著愛心去呢?