Malagasy

聖經新譯本

1 Thessalonians

4

1[Fananarana ny Tesaloniana hitondra tena miendrika ny filazantsara] Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin'i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon'Andriamanitra - dia araka ny andehananareo ihany - no hitomboanareo bebe kokoa.
1要討 神喜悅此外,弟兄們,我們在主耶穌裡求你們,勸你們,你們既然接受了我們的教訓,知道應該怎樣行事為人,並且怎樣討 神喜悅,就要照你們現在所行的更進一步。
2Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin'i Jesosy Tompo.
2我們憑著主耶穌傳給你們的是甚麼命令,你們是知道的。
3Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana,
3 神的旨意是要你們聖潔,遠避淫行;
4mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra,
4要你們各人曉得怎樣用聖潔尊貴的方法保守自己的身體(“身體”原文作“器皿”);
5tsy amin'ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra,
5不要放縱邪情私慾,像那些不認識 神的外族人一樣;
6mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin'izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin'izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo. [ Na: amin'ny raharaha]
6誰也不要在這事上越軌,佔弟兄的便宜,因為這一類的事,主必報應。這是我們從前告訴過你們,又嚴嚴警戒過你們的。
7Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana.
7 神呼召我們,不是要我們沾染污穢,而是要我們聖潔。
8Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.
8所以那棄絕這命令的,不是棄絕人,而是棄絕把他自己的聖靈賜給你們的那位 神。
9Fa ny amin'ny fifankatiavan'ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin'Andriamanitra hifankatia.
9論到弟兄相愛,用不著人寫甚麼給你們,因為你們自己受了 神的教導,要彼此相愛。
10Fa manao izany ihany ianareo amin'ny rahalahy rehetra eran'i Makedonia; nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa,
10其實,你們向全馬其頓所有的弟兄,已經這樣行了。但是,弟兄們,我們勸你們要更加彼此相愛;
11ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin'ny tananareo araka ny nandidianay anareo,
11又要立志過安靜的生活,辦自己的事,親手作工,正如我們從前吩咐過你們,
12mba handehananareo amin'izay fitondran-tena mahamendrika amin'ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory ianareo.
12使你們行事為人可以得到外人的尊敬,自己也不會有甚麼缺乏了。
13[Ny hihavian'i Kristy sy ny toetry ny Kristiana izay modi-mandry] Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.
13在主裡睡了的人必先復活弟兄們,論到睡了的人,我們不願意你們不知道,免得你們憂傷,像那些沒有盼望的人一樣。
14Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy hiaraka aminy. [ Na: tamin'ny alalan'i Jesosy]
14我們若信耶穌死了,又復活了,照樣,也應該相信那些靠著耶穌已經睡了的人, 神必定把他們和耶穌一同帶來。
15Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.
15我們現在照著主的話告訴你們:我們這些活著存留到主再來的人,絕不能在那些睡了的人以先。
16Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;
16因為主必親自從天降臨,那時,有發令的聲音,有天使長的呼聲,還有 神的號聲,那些在基督裡死了的人必先復活;
17ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.Koa dia mifampionòna ianareo amin'izany teny izany.
17然後,我們還活著存留的人,必和他們一同被提到雲裡,在空中與主相會。這樣,我們就要和主常常同在。
18Koa dia mifampionòna ianareo amin'izany teny izany.
18所以,你們應該用這些話彼此勸慰。