1Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,
1警醒謹慎等候主再來弟兄們,論到時候和日期,不用寫甚麼給你們了。
2satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.
2因為你們自己清楚知道,主的日子來到,就像夜間的賊來到一樣。
3Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
3人正在說平安穩妥的時候,毀滅性的災禍就突然臨到他們,好像生產的痛苦臨到懷胎的婦人一樣,他們絕不能逃脫。
4Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
4但是弟兄們,你們不在黑暗裡,以致那日子會臨到你們像賊來到一樣。
5Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika.
5你們都是光明之子、白晝之子;我們不是屬於黑夜的,也不是屬於黑暗的。
6Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena. [ Gr. hiari-tory]
6所以,我們不要沉睡像別人一樣,總要警醒謹慎。
7Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina.
7因為睡覺的人是在晚上睡,醉酒的人是在晚上醉;
8Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
8但我們既然屬於白晝,就應當謹慎,披上信和愛的胸甲,戴上救恩的盼望作頭盔。
9Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika,
9因為 神不是定意要我們受刑罰(“刑罰”原文作“忿怒”),而是要我們藉著我們的主耶穌基督得著救恩。
10Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
10基督替我們死,使我們無論是醒著或睡著,都和他一同活著。
11Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
11所以,你們應該彼此勸慰,互相造就,正如你們一向所行的。
12[Fananarana sy fanaovam-beloma] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo,
12訓勉和祝福弟兄們,我們求你們要敬重那些在你們中間勞苦的人,就是在主裡面治理你們、勸戒你們的人。
13ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
13又因為他們的工作,你們要用愛心格外尊重他們。你們應當彼此和睦。
14Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra.
14弟兄們,我們勸你們,要警戒遊手好閒的人,勉勵灰心喪志的人,扶助軟弱無力的人,也要容忍所有的人。
15Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.
15你們要注意,不管是誰都不要以惡報惡,卻要在彼此相處和對待眾人這方面,常常追求良善。
16Mifalia mandrakariva.
16要常常喜樂,
17Mivavaha, ka aza mitsahatra.
17不住禱告,
18Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.
18凡事謝恩;這就是 神在基督耶穌裡給你們的旨意。
19Aza mamono ny Fanahy.
19不要熄滅聖靈的感動。
20Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.
20不要藐視先知的話語。
21Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
21凡事都要察驗,好的要持守,
22Fadio ny fanao ratsy rehetra.
22各樣的惡事要遠離。
23Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.
23願賜平安的 神親自使你們完全成聖,又願你們整個人:靈、魂和身體都得蒙保守,在我們的主耶穌基督再來的時候,無可指摘。
24Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
24那呼召你們的是信實的,他必成就這事。
25Ry rahalahy, mivavaha ho anay.
25弟兄們,請為我們禱告。
26Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina.
26要用聖潔的親嘴問候眾弟兄。
27Mampianiana anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahy rehetra ity epistily ity. [ Na: (rahalahy masina)]Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
27我憑著主吩咐你們,要把這封信讀給眾弟兄聽。
28Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
28願我們主耶穌基督的恩惠與你們同在。