Malagasy

聖經新譯本

2 Corinthians

11

1Enga anie ka mba handefitra amiko amin'ny hadalana kely ianareo, kanefa mandefitra amiko ihany ianareo.[Na: Eny, mandefera]
1提防詭詐的假使徒請你們容忍我這一點點的愚昧,其實你們本來就是容忍我的。
2Fa fahasaro-piaro araka an'Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin'ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an'i Kristy.
2我以 神的熱愛愛你們,因為我把你們獻給基督,好像把貞潔的童女許配給一個丈夫。
3Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny.
3我只怕你們的心受到引誘,失去對基督的單純和貞潔,好像蛇用詭計騙了夏娃一樣。
4Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany!
4如果有人來傳講另一位耶穌,不是我們傳過的,或者你們接受另一個不同的靈,不是你們領受過的,又或者接受另一個不同的福音,不是你們接受過的,你們倒可以容忍得下!
5Fa ataoko fa tsy misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo.[Na: Fatratra loatra]
5但我認為自己沒有一點比不上那些“超等使徒”;
6Fa na dia olona tsy nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany amin'ny fahalalana; fa tamin'ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin'ny olona rehetra izany hahasoa anareo.
6雖然我不善於辭令,卻是有學問的,我們在各方面,已經向你們清楚顯明了。
7Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo?
7我貶低自己,使你們高升,把 神的福音白白地傳給你們,我這樣是犯罪嗎?
8Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo.
8我為了服事你們,就接受了別的教會的供應,也可以說是剝削了他們。
9Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary tamin'ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.
9我在你們那裡有缺乏的時候,並沒有連累任何人,因為從馬其頓來的弟兄們,補足了我的缺乏。我在各方面都不讓自己成為你們的重擔,將來也是一樣。
10Raha ato anatiko koa ny fahamarinan'i Kristy, dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin'ny tany Akaia.
10我有基督的真理在我裡面,在亞該亞一帶沒有人能阻止我這樣誇口。
11Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala.
11為甚麼呢?是我不愛你們嗎? 神是知道的。
12Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan'izay mitady hamely, mba ho hita fa tahaka anay ihany izay amin'ny izay ireharehany.
12我現在所作的,將來還要作,為了要斷絕那些投機分子的機會,不讓他們在所誇的事上,被人認為是跟我們一樣的。
13Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy.
13這樣的人是假使徒,是詭詐的工人,裝成基督的使徒。
14Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava.
14這並不希奇,因為撒但自己也裝作光明的天使,
15Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.
15所以,撒但的僕役裝成公義的僕役,也不必大驚小怪。他們的結局必按他們所作的而定。
16Hoy izaho indray: Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kelikely koa.
16保羅可誇的受苦經歷我再說,誰也不要以為我是愚昧的;就算這樣,也要接納我這個愚昧的人,使我可以稍微地誇口。
17Izao lazaiko izao dia tsy lazaiko araka ny Tompo, fa toa amin'ny fahadalana amin'izao rehareha matoky izao ihany.
17我這樣滿有自信地誇口,不是照著主所吩咐的,而是好像愚昧人在說話。
18Satria maro no mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehareha koa aho.
18既然有許多人按著世俗的標準誇口,我也要誇口。
19Fa sitrakareo ny handefitra amin'ny adala, satria hendry angaha ianareo.
19你們那麼精明,竟然樂意容忍愚昧的人。
20Fa hay! mandefitra ihany ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy misambotra anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo.
20如果有人奴役你們,侵吞、榨取你們,向你們趾高氣揚,打你們的臉,你們就容忍吧!
21Manala-barà-tena aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin'izay mahasahy ny olona (miteny toy ny adala aho), dia mba sahy koa aho.
21說來慚愧,我們太軟弱了。說句愚昧的話,如果有人在甚麼事上是勇敢的,我也是勇敢的。
22Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak'i Abrahama va izy? Izaho koa.
22他們是希伯來人嗎?我也是。他們是以色列人嗎?我也是。他們是亞伯拉罕的後裔嗎?我也是。
23Mpanompon'i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin'ny fisasarana manan-tombo, amin'ny tranomaizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be efa izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika.
23他們是基督的僕人嗎?說句狂話,我更是。我受更多的勞苦,更多的坐監,受了過量的鞭打,常常有生命的危險。
24Indimy aho no nokapohin'ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy.
24我被猶太人打過五次,每次四十下減去一下,
25Intelo nokapohina tamin'ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin'ny lalina,
25被棍打過三次,被石頭打過一次,三次遇著船壞,在深海裡飄了一晝一夜;
26nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin'ny ony, saiky nahita loza tamin'ny jiolahy, saiky nahita loza tamin'ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin'ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin'ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin'ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin'ny rahalahy sandoka aho,
26多次行遠路,遇著江河的危險、強盜的危險、同族的危險、外族的危險、城中的危險、曠野的危險、海上的危險、假弟兄的危險;
27tamin'ny fisasarana sy ny fikelezan'aina, tamin'ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin'ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka sy ny fitanjahana.
27勞碌辛苦,多次不得睡覺,又飢又渴,多次缺糧,赤身挨冷。
28Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan'andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra.[Na: izany rehetra izany]
28除了這些外面的事,還有為各教會掛心的事,天天壓在我的身上。
29Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?
29有誰軟弱,我不軟弱呢?有誰陷在罪裡,我不焦急呢?
30Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha.
30如果必須誇口,我就誇自己的弱點。
31Andriamanitra, Rain'i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho.
31主耶穌的父 神是應當永遠受稱頌的,他知道我沒有說謊。
32Tany Damaskosy ny governora notendren'i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy;fa avy teo amin'ny varavarankely eo amin'ny mànda no nampidinana ahy tamin'ny sobiky, ka dia afa-nandositra ny tànany aho.
32在大馬士革,亞里達王手下的總督把守著大馬士革城,要拘捕我,
33fa avy teo amin'ny varavarankely eo amin'ny mànda no nampidinana ahy tamin'ny sobiky, ka dia afa-nandositra ny tànany aho.
33我就被人放在一個大籃子裡,從城牆的窗戶縋下來,逃脫了他的手。